- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Mahatsiaro an'i Hu Yaobang ny praiminisitra Wen

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2010)

Tamin'ny taratasy misokatra nivoaka ny Alakamisy tao amin'ny People’s Daily [1], nampahatsiahy ny dia nahafinaritra niaraka tamin'ny praiminisitra teo aloha Hu Yaobang nogadraina sy nalàna baraka ny praiminisitra Shinoa Wen Jiabao. Mahatsiaro ny faha-21 taona nahafatesany ilay taratasy.

Tsy maneho fotsiny ny fitiavana sy ny fanajana an'i Hu ilay taratasy, fa mijoro ho toy ny fampahatsiahivana mazava ho an'ny tanora Shinoa mpitarika mba tsy hanapaka ny fifandraisana amin'ny vahoaka sy ny zava-misy ao amin'ny firenena amin'ny lafiny lehibe indrindra.

Nohazavain'i Wen ao amin'ny taratasiny ny antsipiriany lehibe momba ny teknikan'ny fanadihadiana eny ambanivohitra nataon'i Hu. Mamaritra ny fitsidihana niarahan'ireo mpitarika roa natao tao an-tanàna atsimo andrefana, Xingyi tamin'ny taona 1986 ilay taratasy. Manamafy hatrany ny fifandraisan'i Hu amin'ny olon-tsotra ho toy ny fomba fitantanana mety.

Nesorina tamin'ny asany maha-praiminisitra i Hu tamin'ny volana Janoary 1987, nandritra ny fiakaram-bidim-piainana sy ny fitroarana nandritra ireo taona voalohany nanaovana fisokafana sy fanavaozana. Nahita ireo mpitarika mpandala ny nentin-drazana toa an'i Chen Yun sy Deng Liqun fa toy ny fandrahonana ny foto-kevitra izay nametraka ny antoko ho ara-dalàna ny fahalalahana ara-toekarena najoron'i Hu .

Nitarika fisaonana sy fihetsiketsehana goavana ny fahafatesan'i Hu tamin'ny 15 aprily 1989, izay niteraka ny Fihetsiketsehana ao amin'ny Kianjan'i Tiananmen. Na dia tiam-bahoaka aza i Hu, dia efa nampifandraisina tamin'ny fahaverezana endrika goavana tao amin'ny antoko hatramin'ny Revolisiona Ara-kolontsaina.

Nahazo valiny mahatalanjona avy amin'ny vahoaka ny taratasy nalefan'i Wen. Nitatira ny New York Times [2]  fa efa 20,000 mahery ny valin-teny ao amin'ny aterineto tao anatin'ny andro namoahana azy.

Manambara ny maha-zava-dehibe ilay taratasy tao amin'ny Shina ankehitriny ilay bilaogera Yao Keming [3] .

难得在公开的报纸上,读到领导人写的这样质朴、情真、意浓的好文章 … 文章一开头,就将人吸引住了。

Sarotra ny mamaky lahatsoratra tsotra, manan-danja ary marina izay nosoratan'ny manampahefana iray tao amin'ny gazety iray misokatra.

Ao anatin'ny ambaratongan'ny governemanta Shinoa sy ny biraon'ny antoko, matetika raisina ho mpitarika tokana mifandray amin'ny olon-tsotra i Wen. Ho setrin'ny taratasiny, naneho izany fahatsapana izany ilay bilaogera mitondra ny anarana hoe ‘Freedom [4]’.

人民日报就是中国政治的风向标,温家宝作为亲民的政治领袖,在各届领导人中尤为突出,特别是在汶川地震的时候,特别是在贵州抗旱的现场,特别是在苦难人民的身旁。

Saribakolin'ny politika Shinoa ny China Daily. Amin'ny maha-mpitarika ara-politika azy, miavaka  amin'ireo mpitarika rehetra i Wen Jiabao, indrindra nandritra ny horohorontany tao Wenchuan [Sichuan], indrindra koa mandritra ny hain-tany ao Guizhou amin'izao fotoana izao, ary indrindra indrindra eo anilan'ireo vahoaka ao anatin'ny fahantrana.

Na izany aza, tsy dia fandinihana loatra momba ireo andro taloha ny taratasin'ny Praiminisitra Wen fa antso fifohazana kokoa manoloana ny fitomboan'ny hantsana eo amin'ny mpitarika sy ny olon-tsotra. Efa hatrizay tahaka ny Repoblikam-bahoaka ao Shina ny fomba fanao amin'ny famoahana lahatsoratra amin'ny alàlan'ny gazety toy ny People's Daily.

Raha ny tena marina, ny ankamaroan'ny korontana nitarika ny fanagadrana an'i Hu dia hita taratra tamin'ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin'ny People's Daily, ny Beijing Daily, ary ny Xinhua News nandritra ny faramparan'ny volana 1986. Tamin'ny taona 1992, natao hampahatsiahy ny filoha Jiang Zemin ny fitazonana fahefana ataon'ilay mpitarika efa hisotro ronono ny lahatsoratra navoakan'i Deng Xiaoping tao amin'ny People's Daily.

Mandray ny hafatra nalefa tao amin'ny taratasin'i Wen ilay bilaogera Mo Ce [5].

深入群众,是我党的主要工作方法之一,如果我们整天坐在办公室里听取汇报,很多情况可能不是真实的,甚至是假的。

Ny fifandraisana lalina amin'ny vahoaka no iray amin'ireo fomba fiasa lehibe ataon'ny antokonay. Raha mipetraka mandritra ny tontolo andro ao amin'ny birao mihaino vaovao isika, dia maro amin'ireo toe-javatra no mety ho tsy marina, na hosoka mihitsy aza.

Mo Ce  [5]mitanisa ny famaranana ny taratasin'i Wen.

通读温家宝总理回忆胡耀邦同志的西南行,归结到一句话,就是领导干部“要经常到群众中去,到基层去,进行调查研究,考察访问,密切上级与下级、领导机关同广大人民群众之间的联系。只有这样,才能形成一种好的风气,产生巨大的精神力量,有助于实现正确的领导,减少领导工作的失误,提高干部的素质,促进干部特别是年轻干部健康成长。”

Rehefa avy namaky ny tantaram-pahatsiarovan'ny praiminisitra Wen Jiabao mikasika ny dian'i Hu Yaobang tany amin'ny faritra atsimo andrefana, dia fintiniko amin'ny fehezanteny vitsivitsy izany, izay hoe “tsy maintsy ataon'ny mpitarika ny mandeha matetika eny anivon'ny vahoaka, mandeha any amin'ny ambaratonga fototra sy mitarika fanadihadiana sy fikarohana, fandinihana sy tafatafa, ary mametraka fifandraisana akaiky eo anelanelan'ny saranga ambony sy ambany, eo anelanelan'ny rafi-pitarihana sy ny vahoaka marobe. Amin'izany fomba izany ihany no ahafahana manangana tontolo tsara, mamorona tanjaka lehibe eo amin'ny toetra, manampy amin'ny fanatontosana ny fitarihana mety, mampihena ny fahadisoana amin'ny asan'ny mpitarika, manatsara ny fahaiza-mitarika, ary manafaingana ny fitomboan'ny mpitarika tsara–indrindra ireo tanora mpitarika.”