Japoney mpanentana amin'ny alàlan'ny “stop-motion” (Fanamarihan'ny mandika: sarivongana alaina sary rehefa avy ovàna tsikelikely ny bika sy toerany mba ho toy ny miaina rehefa avoaka hojeren'ny rehetra) no sady artista i Tomoyasu Murata izay tompon'ireo sarimihetsika fohy sy ireo fampirantiana mitrandraka ny hevitry ny fiainana sy fahafatesana.
Teraka tamin'ny taona 1974 i Murata, namokatra sarimihetsika nanomboka tamin'ny 1998 tany ho any, ary vao haingana nahasarika ny sain'ny tany ivelan'i Japana. Navoakan'ny sampana mikasika ny sarimihetsika manokana MUBI ireo asany, ary tamin'ny Febroary 2019 teo, ny Japan Society tao New York no nandefa voalohany tany Amerika Avaratra an'ireo sarimihetsika novokarinìi Murata.
Ireo saribakoly ampitenenina sy ireo fanentanana amin'ny “stop-motion” no ampiasain'i Murata fa tsy ireo sary (CGI novokarina tamin'ny solosaina). Amin'ny ankapobeny manafangaro ny tena izy sy ny nofinofin-tsaina ireo sarimihetsika ataony, mampifanena ny tontolon'ny velona sy ny any ankoatra.
Ny andian-tsarimihetsika tena vao haingana indrindra nataon'i Murata dia nifototra tamin'ilay Horohorontany Goavana tany Atsinanan'i Japana, ny loza tamin'ny taona 2011 sy ny tsunami izay nandrava an'ireo tanàna ampolony maro teny amoron-dranomasina , namono olona 20 000 fara fahakeliny ary niteraka loza ara-nokleary iray nahapoizina vondrom-piarahamonina ambanivohitra marobe.
Tao anatin'ny randrantelo voalohany tamin'ireo sarimihetsika fohy mikasika ny loza tamin'ny taona 2011, no manoritra ny lasany ilay ambodia very tadidy, Ki-no Hana-no Sakuya Mori (木ノ花ノ咲クヤ森, ‘ (Ny Alan'ireo Hazo Mamelana), no sady mandositra an'ireo mpihaza azy.
Tao anatin'ny andrana iray ho an'ny MUBI, manoratra i Murata hoe:
Nosy tokana iray ahitana an'ireo fivakisana mahery vaika manodidina ny 2000 ny tangoronosy Japoney. Miteraka horohorontany goavana manerana an'i Japana izy ireny, nandritra ny zato taona, 300 taona, 500 taona ary 1000 taona. Ny horohorontany izay niteraka an'ireo fahasimbana tena henjana indrindra tao Japana tamin'ny 11 martsa 2011 dia iray tamin'ireo zavatra manan-danja indrindra izay nitranga nandritra ny elanelana zato taona [sic]. Nampitampim-bava ny rehetra ireo sary tsy fahita vokatry ny tsunami. Olona manakaiky ny 18 000 no maty. Nahatsapa ho tsy nanan-kery aho ary nivavaka mafy ho an'ireo niharan-doza.
Tamin'ny taona 2017 ny onjampeom-panjakana japoney NHK dia namokatra tahirinkevitra fohy iray mikasika an'i Tomoyasu Murata izay azo nojerena ety anaty tambajotra, miaraka amin'ireo maribolana amin'ny teny anglisy sy amin'ny teny sinoa.
Maro ireo ohatra hafa momba ny asan'i Murata no azo jerena ao amin'ny fantsony YouTube, eo amin'ny Vimeo sy eo amin'ny tranonkalany ofisialy.
Orinasa iray mpanaparitaka sarimihetsika no nandefa ihany koa tamin'ny tambajotra ny fantina iray tamin'ireo rakitsary misy ny sarimihetsika vitan'i Murata.