- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maka ny fibahanana aterineto i Aostralia

Sokajy: Aostralia, Fitsipika, Hafanam-po, Lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Natao ho an'ireo firenena malaza ho tsy demaokratika na mpanao “famoretana” (zavatra noresahiko tao amin'ny bokiko vaovao, Ny Revolisionan'ny Famahanana Bilaogy [1]) ny raharahan-tsivana amin'ny aterineto amin'ny ankapobeny. Mamaky tsy tapaka ny tatitra momba ny fitondrana any Shina na Iran isika amin'ny fanakanana ireo tranonkala “mpanakorontana” tsy tambo isaina noho ny antony mazava amin'ny tombontsoa ara-politika.

Indrisy, miha-maro ireo firenena Tandrefana no mandinika ny mety hanivànana ireo tranonkala lazaina fa manohintohina ny fiarahamonina. Frantsa [2] sy Alemaina [3] no mitari-dalana amin'izany ary tsy lavitra aoriana ao i Etazonia [4].

Afaka manampy an'i Aostralia ao anaty lisitra isika izao.

Nitatitra ny OpenNet Initiative [5] fa:

Australians will be unable to opt-out of the government's pending Internet content filtering scheme, and will instead be placed on a watered-down blacklist, experts say.

Under the government's $125.8 million Plan for Cyber-Safety, users can switch between two blacklists which block content inappropriate for children, and a separate list which blocks illegal material.

Pundits say consumers have been lulled into believing the opt-out proviso would remove content filtering altogether.

The government will iron-out policy and implementation of the Internet content filtering software following an upcoming trial of the technology, according to the Department of Broadband, Communications and the Digital Economy.

A spokesman for Communications Minister Stephen Conroy said the filters will be mandatory for all Australians.

 

Tsy afaka miala amin'ny drafitry ny fanivanana ny votoaty amin'ny aterineto izay ho ataon'ny governemantany ny Aostraliana, ary hampidirina ao anaty lisitra mainty matsora, hoy ny manam-pahaizana.

Ao anatin'ny drafitry ny governemanta ho Fiarovan-tserasera mitentina 125,8 tapitrisa dolara, afaka misafidy ny mpisera manoloana ny lisitra mainty roa na manakana ny votoaty tsy mety ho an'ny ankizy na ny lisitra iray manokana izay manakana ny fitaovana tsy ara-dalàna  .

Nilaza ny manam-pahaizana fa nofitahina ny mpanjifa mba hino fa hanala ny fanivanam-botoaty ny fametrahana mialoha ny fanakisahana.

Hanamafy ny politika sy ny fametrapetrahana ny rindrambaiko fanivànam-botoaty amin'ny aterineto aorian'ny andran-teknolojia ny governemanta, araka ny Sampan-draharahan'ny Aterineto Haingam-pandeha, ny Serasera ary ny Toekarena Nomerika.

Nilaza ny mpitondratenin'ny Minisitry ny Serasera Stephen Conroy fa tsy maintsy atao ho an'ny Aostraliana rehetra ny sivana.

Hatramin'ny nifidianan'i Aostralia ny Praiminisitra tamin'ny faramparan'ny taona 2007, niresaka mivantana momba ny fampidirana ny tolo-kevitra toy izany ilay mpitarika Kevin Rudd (zavatra nohazavaiko tamin'ny antsipiriany nandritra ny kabariko [6] tamin'ny Vovonana Global Voices ho an'ny Fampitam-baovaon'Olon-tsotra tany Budapest tamin'ny taona 2008.)

Ny tsy fahombiazany sy ny tsy fahampian'ny fileferana (zavatra efa niadian'ny mpanara-maso hevitra [7]) no olana voalohany amin'ny tolo-kevitra. Mba hanasarotana kokoa ny olana dia nanaraka ity fanivanana ny aterineto ity tany amin'ny fanjakana sasany ny governemanta ka tsy fahombiazana no vokatr'izany [8] .

Nahoana àry no mandroso hatrany? Miresaka momba ity olana ity ilay bilaogera Aostraliana fanta-daza ao amin'ny bilaogy Somebody Think of the Children [9] ary manazava izany tsara kokoa: [10]

Criminals accessing child abuse websites will still be able to do so and the horrendous production and distribution of child abuse material online and off will continue. Why does the government think censors are the ones who can fix this and not law enforcement? Mandatory ISP filtering is about protecting votes, not children.

Mbola afaka manao izany ihany ireo mpanao heloka bevava miditra amin'ny tranonkala fanararaotana ny zaza tsy ampy taona ary hitohy ny famokarana mahatsiravina sy ny fanaparitahana ny fitaovana fanararaotana ankizy an-tserasera sy ivelan'ny aterineto. Nahoana ny governemanta no mihevitra fa ny mpanivana no afaka manitsy izany fa tsy ny fampiharana ny lalàna?  Ny mba hiarovam-bato fa tsy hiarovana ny ankizy ny fandidiana ny mpamatsy tolotra aterineto tsy maintsy hanao fibahanana.

Mampiahiahy fa tsy naha-taitra ny fampitam-baovao virtoaly loatra ireo tolo-kevitra tany Aostralia raha toa ka voalaza fa tsy fantatra na handray anjara amin'ny fandaharanasa ny mpamatsy tolotra aterineto na tsia [11], fa mbola “miankina amin'ny natioran'ny andrana” izany, araka ny filazan'ny mpisehatra lehibe iray.

Takiana maneran-tany ny fahamailoana manoloana ny fibahanana aterineto, eny fa na dia any amin'ny firenena “demaokratika” aza.