(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Nahavita nanao fanadihadiana ireo mpisera aterineto Shinoa mampiasa ny fitaovana fandinganana ny Rindrin'Afo Lehibe i Jason Ng avy ao amin'ny Kenengba. Nahavita nanangona lahatahiry miisa 5.300 izy tao anatin'ny 10 andro tao amin'ny Twitter, bilaogy bitika 163, bilaogy bitika Tencent, Renren.com ary ny bilaoginy manokana. Ireto ny zavatra hitany voalohany:
1. Lahy sy Vavy: 92% no lehilahy ary 8% fotsiny ny vehivavy
2. Ny fianarana vita: Nandia fianarana ambony ny ankamaroany – manana diplaoma avy amin'ny oniversite ny 73%, manana mari-pahaizana maîtrise ny 11% , manana mari-pahaizana avy amin'ny lisea ny 9%, nandia fanabeazana fototra ny 4%, manana diplaoma doktôrà ny 2% ary ambaratonga faharoa 2%.
3. Taona – Eo anelanelan'ny 19 ka hatramin'ny 28 taona ny 77% .
4. Asa atao – Mpianatra ny ankamaroany – 49.34%, arahin'ny matihanina amin'ny teknolojia vaovao (manodidina ny 20%) ary avy eo ny sehatra ara-bola (3.55%) ary ny miahy tena (3.11%).
5. Ny fitaovana fandinganana – Mampiasa fitaovana fandinganana toy ny Freegate, Puff ary Ultra Surf ny ankamaroany (mihoatra ny 70%), arahin'ny Proxy, SSH ary VPN. Mampiasa fomba hafa toy ny GAppProxy ny 15%.
6. Fiampitana – miampita ny rindrina isan'andro ny 2/3-n'ny mpisera, indray mandeha na intelo isan-kerinandro ny 17%, 8% isaky ny andro hafa.
7. Fandaniana – Mandany latsaky ny 10 yuan amin'ny fitaovana fandinganana ny 88%, mandany 10 ka hatramin'ny 50 yuan ny 10%.
8. Tantara – 52% amin'ireo mpisera no manana fizàran-draharaha 3 taona amin'ny fampiasana ny fitaovana fandinganana. Manana fizàran-draharaha 9 taona ny 2.24% izay hoe nanomboka tamin'ny taona 1998 rehefa nanomboka ny tetikasa ampinga volamena.
9. Antony – 80% no te-hiditra amin'ny tolotra aterineto fototra toy ny Google. Ny 75% no te hiditra amin'ny tranonkalan'ny tambajotra sosialy toy ny Twitter. 72% no te-hiditra amin'ny fampitam-baovao vahiny. Ny 60% no mitsidika ny tranonkala fialamboly toy ny Youtube ary 30% no te-hiditra amin'ny tranonkala ho an'ny olon-dehibe.
10. Fanaparitahana ny teny – 85% no nampianatra ny namany ny fomba fampiasana ny fitaovana fandinganana.
11. Ny hevitra manoloana ny Rindrin'Afo Lehibe- 38% no mino fa tokony hesorina ny Rindrin'Afo Lehibe ary manodidina ny 50% no nanome soso-kevitra mangarahara kokoa sy mazava kokoa momba ny fitsipiky ny sivana amin'ny aterineto.
12. Ahoana no nahafantaran'izy ireo ny fisian'ny Rindrin'Afo Lehibe- 37% no nahazo vaovao avy tamin'ny bilaogy, 28% avy amin'ny milina fikarohana ary 19% avy amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra.
Tsidiho ny Kenengba ho an'ny tatitra feno amin'ny teny Shinoa