Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Bangladesh: Mpianatra Voasambotra Noho Ny Fanehoankevitra “Faniratsiràna” Teo Amin'ny Facebook

Correct Dada
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2014)

Rehefa avy voatafika sy nodarohan'ny vahoaka, zatovo roa no voasambotra izy ireo voalaza hoe namoaka “fanehoankevitra fanambaniana ny Silamo sy ny mpaminany Mohammed” teo amin'ireo kaonty facebook-n'izy ireo, araka ny voalazan'ny gazety mpiseho isanandro amin'ny teny anglisy ao Bangladesh Dhaka Tribune.

Manamafy ny naman-dry zareo [bangla, bn] fa fikambanana mpianatra silamo iray no nizara trakitra fampielezankevitra diso ary namory vahoaka hamely an'ireo blaogera roa ka nitarika ny fisamborana azy ireo. Nihalangalana tsy namoaka an'ity tantara ity ireo media lehibe.

Milaza ireo namany [bn] fa nandeha tany an-tsekoly i Kazi Rahman Mahbubur Raihan (Rahi) sy i Ullash Das, mpianatra roa ao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa ao amin'ny kolejin'i Chittagong, ny 30 martsa mba haka ny karatra fahazoan'izy ireo miatrika fanadinana ho avy, hidirana amin'ny fampianarana ambaratonga ambony. Tamin'izay izy ireo no notafihan'ny andiana mpikatroka avy amin'ny Islami Chhatra shibir, fikambanana mpianatra miara-dia amin'ny antoko silamo goavana indrindra ao amin'ny firenena. Notaritaritina teny amin'ny arabe izy ireo no sady nokapohina.

Niditra antsehatra ny mpitandro filaminana mba hanavotra azy ireo, saingy taty aoriana, nosamboriny ireo zatovo roa blaogera. Nalefany tany am-ponja izy ireo ny ampitso, tsy nisy antoka, araka izay voalazan’ny andininy faha-54 amin'ny Lalàna mikasika ny teknolojiam-baovao sy ny fifandraisandavitra (TIC)  [fr], izay manameloka ny famoahana vaovao diso, maharikoriko na manala baraka amin'ny alalan'ny fitaovana elektrônika.”

Lazain'ny mpisolovavan'ny fiarovana, Me Abu Bakar Siddique Azim fa, amin'ny solon'anarana “Ghurnayoman Electron” (Electron libre) i Raihan no manoratra amin'ny fiteny bangla ao amin'ny Istishon Blog  ilay vovonana fanoratana blaogy. Facebook fotsiny ihany no ampiasain'i Das ho toy ny vovonana. Milaza ihany koa izy hoe: “Mikasika izay hitantsika, tsy misy tamin'izy ireo nanao famoahana izay nirona mankany amin'ny fanoherana ny fivavahan'ny hafa, na ny an'iza na ny an'iza”

Ny andininy faha 57 mampisy adihevitra sy ireo fanovàna hafa tamin'ilay Lalàna mikasika ny TIC dia nankatoavina tamin'ny alalan'ny didim-panjakana tao Bangladesh tamin'ny Septambra 2013, na teo aza ireo tsikera marobe nataon'ireo mpahay lalàna sy ny raho-mitatao entiny ho an'ny zo maha-olona. Manome vahana an'ireo mpitandro filaminana ihany koa ilay lalàna mba hisambotra tsy misy didy fampisamborana an'izay ahiahiany ary hanagadra azy, tsy misy antoka, ao anatina fotoana tsy voafaritra.

Sorabaventy iray mangataka ny fanafahana an'i Rahi eo amin'ny blaogy Istishon

Niteraka adihevitra betsaka  teny anivon'ireo blaogera tao amin'ny firenena ilay tranga. Eo amin'ny blaogy Istishon, faritan'ny Midnight Train ny zava-nitranga izay nitarika nakany amin'ny fisamborana azy ireo :

রাহীর ব্লগ এবং ফেসবুক ঘেঁটে আমি এমন কোন লেখা দেখলাম না যেটা ধর্মের বিরুদ্ধে কটূক্তি বলে মনে হতে পারে। বরং ইন্টারেস্টিংলি তার লেখার মূল বিষয় ছিল জামাত-শিবির। [..]

গতকাল সকালে রাহী তার বন্ধুদের সাথে কলেজে যায় এইচএসসি পরীক্ষার এডমিট কার্ড আনার জন্য। সেখানে আগে থেকেই ওৎ পেতে থাকা শিবিরের ক্যাডার বাহিনী তাকে এবং তার বন্ধু উচ্ছ্বাসকে ধরে পার্শ্ববর্তী পাহাড়ের উপর নিয়ে অমানবিকভাবে পিটায়। পিটানোর এক পর্যায়ে পুলিশ এসে তাদের উদ্ধার করে থানায় নিয়ে যায়। থানায় আগে থেকেই তার নামে প্রায় ৩০ পৃষ্ঠার মতো নথিপত্র জমা দেওয়া ছিল, যেখানে মূলত রাহীর জামাত-শিবিরের পেইজ বাঁশেরকেল্লায় করা কমেন্ট এবং অনলাইনে জঙ্গি হিসেবে পরিচিত ফারাবীর বিভিন্ন লেখায় করা কমেন্টের স্ক্রিন শটের প্রিন্ট কপি ছিল। এরপর ৫৭ ধারায় তার নামে মামলা করা হয়েছে।

উচ্ছ্বাস সম্পর্কে খবর নিয়ে জানা গেছে সে শুধুমাত্র জামাত-শিবির নিয়েই লেখালেখি করত। ধর্ম নিয়ে সে কখনই কিছু লিখেনি এবং পুলিশও তার বিরুদ্ধে ৫৭ ধারায় মামলা দেওয়ার মতো কিছু খুঁজে পায়নি। অথচ তাকেও ৫৭ ধারায় মামলা দিয়ে চালান দেওয়া হয়েছে।

Nandalina ireo voasoratr'i Rahi teo amin'ny blaogy sy Facebook aho. Tsy hitako izay tena hevitra mafonja heverina ho manambany ny finoana Silamo. Saingy mahaliana ny manamarika fa tsy tapaka izy manoratra manohitra ny antoko Bangladesh Jamaat-e-Islami [ilay antoko politika Silamo lehibe indrindra ao amin'ny firenena] sy ny rantsany misy ireo mpianatra, ny Islami Chhatra Shibir.

Omaly maraina, nandeha tany amin'ny Anjerimanontolo i Rahi mba haka ny karatra fahazoana manao fanadinana HSC amin'ny hoavy. Tamin'ny fotoana iray, notafihan'ireo mpikatroka mitam-piadiana avy amin'ny fikambanana Islami Chhatra Shibir izy sy ny namany Ullas ary nodarohan-dry zareo tsy nananany antra.

Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana mba hanavotra azy ireo tamin'ny alalan'ny fitondràna azy ireo tao amin'ny paositry ny polisy hanaovana fanadihadiana. Efa nisy ny fitarainana an-tsoratra telopolo pejy napetraka hitoriana azy ireo tao amin'ny paositry ny polisy. Ireo fiampangana lehibe dia nahitana an'ireo pikantsarin'ireo fàfana nisy ireo fanehoankevitra nataon'i Rahi teo amin'ny pejy Facebook-n'ny Jamaat-Shibir Basherkella sy ireo fanehoankevitra an'i Farabi teo amin'ny pejy Facebook-n`ny silamo iray mahery fihetsika mpikatroka ety an-tambajotra. Nony avy eo, notsaraina araka ny andininy faha 57 amin'ny Lalàna mikasika ny TIC ny raharahan'izy ireo.

Manoratra betsaka ihany koa manohitra ny Jamaat-Shibir ilay tovolahy iray (Ullas). Tsy nanoratra na inona na inona mihitsy izy mikasika ny fanoherana ny fivavahana ary tsy nahita n'inona n'inona hanenjehana azy ny polisy. Nefa nosamborina ihany koa izy araka ny andininy faha 57.

Teo amin'ny Istishon, manoratra i Sumit Chowdhury fa nizara trakitra fanentanana manohitra an'ireo blaogera ireo ry zareo mpanafika:

প্রায় ৫ থেকে ৬ পাতার একটি প্রচারপত্র তারা বানায়। যেখানে প্রথম মন্তব্যটি যেকোন মানুষকে ভড়কে দিতে যথেষ্টই নয় বরং তার চাইতেও বেশি। [..]

প্রথমে টেক মসজিদের ভেতরে নিয়ে মারধোর করতে করতে তাদের মূল রাস্তায় নামিয়ে আনলে, সেখানে পূর্ব-পরিকল্পনা মাফিক অপেক্ষারত আরো কিছু বেজন্মা জারজের বাচ্চারাও তাতে অংশ নেয়। এদিকে আগে থেকেই ছেপে রাখা প্রচারপত্রগুলো জনসাধারণের মাঝে বিলি করতে থাকে বেজন্মারা। স্বভাবতই “ধর্মানুভুতি”(!)তে চরম আঘাত পায় কড়া মাপের আস্তিকীয়রা।

Nanoratra sy nizara trakitra iray misy pejy 5-6 izy ireo. Ny fanehoankevitra voalohany tao amin'io trakitra io dia ampy nampisafoaka ny olona rehetra, ary mbola tena ratsy lavitra aza [..]

Nentina tany amin'ny Maoske Tek aloha izy ireo dia nodarohana tsy nananana antra ary taty aoriana, notaritaritina teny andalambe. Nanjohy ny vahoaka teny andalambe ireo mpivavaka sasantsasany. Nanohy nizara ilay trakitra tamin'ny vahoaka izy ireo. Mazava ho azy fa naratra ny fiainam-panahin'”ireo olona ireo.

Manohy izy hoe:

এই ব্যাপারটি এখনো কেনো মিডিয়াকে জানানো হয়নি এমন প্রশ্নে ঐ থানার একজন কর্মকর্তা বলেন সাম্প্রদায়িকতা উস্কে যেতে পারে এমন ধারণায় তারা ব্যাপারটি প্রকাশ্যে আনতে চায়নি।

Nanontaniako ny polisy ny antony tsy nitaterana ireo vaovao ireo tany anatin'ireo mediam-bahoaka goavana; namaly ny mpiasa iray fa nitandrina ny polisy mba hialàna amin'ny korontana ara-pivavahana mety ho apoakan'ity olana ity.

Araka ny voalazan'i Chowdhury, tsy nahazo fanampiana ,a kely aza ireo niharam-boina:

পুলিশের কাছে তদবির করা মাত্রই পুলিশ ঐ প্রচারপত্রটি দেখিয়ে দিচ্ছেন! ফলে ব্যাপক অসহায় হয়ে পড়েছে রাহি এবং উল্লাস। সবচেয়ে আশ্চর্যান্বিত হয়েছি উল্লাসের পরিবার থেকে নিয়োগকৃত উকিলের ব্যবহারে! ঐ উকিল স্পষ্টই জানিয়ে দিয়েছে সে আর এই মামলা নিয়ে লড়বে না। কেননা তারা তার ধর্মের বিরুদ্ধে কথা বলেছে। সে তার ধর্মের উর্দ্ধে গিয়ে কিছু করবে না।

Isaky ny misy olona manandrana miresaka mikasika an'ireo blaogera voasambotra, asehon'ny polisy foana ilay trakitra. Noho izany, tsy mahazo fanohanana i Rahi sy ilay namany.  Somary gaga aho tamin'ilay mpisolovava iray notendren'ny fianakavian'i Ullas. Nanambara izy fa tsy hiasa intsony mikasika ity tranga ity satria nanohintohina ny finoany ry zareo. Tsy izy no ndeha hifanandrina amin'ny fivavahany.

Nanontany i Sabyasachi hoe:

তার বয়স আঠারো হয়নি তবে কেন তাদের জেলে পাঠানো হল? আর এখন সত্যি সত্যি মনে হচ্ছে ৫৭ ধারাটা আমাদের জন্য বুমেরাং হয়ে দাঁড়িয়েছে।

 Tsy ampy 18 taona izy ireo, koa nahoana no nalefa tany am-ponja? Amin'izao fotoana izao, hitanay fa lasa fitaovam-piadiana amelezana antsika ny andininy faha 57.

Naneho hevitra i M R Khan hoe:

আমি মনে করি জেল হেফাজতে পাঠানোর চেয়ে শিশু/কিশোর সংশোধনাগারে পাঠানোই মনে হয় ঠিক হতো।এটা মনে হচ্ছে শত্রুতা বশত করা হয়েছে। ধর্ম নিয়ে বেশি বাড়াবাড়ি মনে হয় এদেশ থেকে মুছবে না।

Heveriko fa tokony ho any amin'ireo ivon-toerana fanitsiana ny zaza tsy ampy taona no nandefasana azy ireo fa tsy any am-ponja. Sahala amin'ny tranga fifamelezan'ireo olona mifankahalala izy ity (=halako bika, tsy tiako tarehy). Ho ahy dia toa olana miverimberina ato amin'ity firenena ity ny fanararaotana ara-pivavahana.

Teo amin'ny blaogy Sachalayatan, nandefa dika mitovy tamin'ilay fitarainana natao tany amin'ny polisy sy ny antontan-taratasy teny amin'ny fitsaràna i Shehab, manome ny  antsipirihany mikasika ilay raharaha, araka ny voalazan'ny polisy. Ahitàna an'ireo antsipirihany marobe ireo fitarainana, nilazana fa namoaka vontoaty maniratsira tety anaty tambajotra ireo blaogera roa ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.