Tantara tamin'ny 03 Avrily 2019
Bangladesh: Mpianatra Voasambotra Noho Ny Fanehoankevitra “Faniratsiràna” Teo Amin'ny Facebook
Ampangain'ireo naman'i Rahi sy i Ullash Das ny hetsika mpianatra Silamo iray ho nizara trakitra lainga manohitra azy ireo ka nitarika ny fisamborana azy ireo.
“Tsy Afaka Hanitsakitsaka ny Maha-Olona ny Hafa Isika Raha Tsy Efa Nanao Tsinontsinona ny An'ny Tenantsika”
Ny heloka bevava nataon'ireo blaogeran'ny Zone9 dia noho izy ireo sahy miaina ny "Ubuntu". Ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo no ampiroboroboan-dry zareo raha mitaha amin'ny an'ny isam-batan'olona manokana.
Fanatsofohana Bitsika Eo Amin'ny GV: Lahatsary Fampianarana Sy Taridàlana Manaraka Ny Zavamisy Mba Tsy Hampalahelo An'ireo Mpandika Lahatsoratra!
Nisy fisavoritahana kely ny fomba fanatsofohantsika bitsika, saingy mba hanazavana an'izay rehetra izay, namokatra lahatsary fampianarana aho ary navaoziko ireo taridàlana ofisialy momba ny famoahana ny Twitter ao amin'ny WordPress mba hanomezana antoka fa mazava tsara ny rehetra!
Tatitry ny Mpisera: Mpikaroka Manazava Ny Fiavian'ireo Rindrambaiko Mpisompatra
Maniry ny hanakatona media sosialy i Ganò mandritra ny andon'ny fifidianana, misambotra mpikatroka mpiaro ny mpiasa kosa i Alzeria noho ny lahatsary iray tamin'ny Facebook, miteraka tsy fahazoana Aterineto ho an'ireo Venezoeliàna ireo fanapahana herinaratra.
Maka ny fibahanana aterineto i Aostralia
Indrisy, miha-maro ireo firenena Tandrefana no mandinika ny mety hanivànana ireo tranonkala lazaina fa manohintohina ny fiarahamonina. Frantsa sy Alemaina no mitari-dalana amin'izany ary tsy lavitra aoriana ao i Etazonia.
Mandoro ny taona teo aloha: Fomban-drazana amin'ny taombaovao
Any amin'ny firenena maro ao Amerika Atsimo, nanjary fomba amam-panao ny mandoro zavatra endrika olombelona tamin'ny taona lasa, izay fomba hanafoanana ny zava-dratsy rehetra nentin'ny taona, ary mamela lalana ho an'ny zava-baovao.
Shina: Miala amin'ny Rindrin'Afo Lehibe
(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nahavita nanao fanadihadiana ireo mpisera aterineto Shinoa mampiasa ny fitaovana fandinganana ny Rindrin'Afo Lehibe i Jason Ng avy ao...
“Iza No Nampamono An'i Marielle Franco?” Hoy i Brezila Manontany Herintaona Aty Aorian'ny Namonoana Ilay Vehivavy Mpanolotsaina
"Iza no nanome baiko ilay mpifanila vodirindrina amin'ny filoha mba hamono an'i Marielle?"
Iran: “Voasazy higadra i Shiva”
(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Septambra 2010) Araka ny filazan'ny tranonkalam-baovao marobe, voaheloka hahazo kapoka karavasy miisa 74 sy sazy an-tranomaizina enina taona ilay bilaogera Iraniana nogadraina sady mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, Shiva...