- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia : Fampijaliana am-ponja natao an’ilay bilaogera sady mpanao gazety Slim Boukhdhir

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2008 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niharan’ny fampijaliana maro ilay bilaogera sady mpanao gazety Toniziana i Slim Boukhdhir [1], 39 taona, izay nogadraina tao amin’ny fonjan’i Sfax  nanomboka ny 4 Desambra 2007. Nohelohin’ny fitsarana Toniziana i Slim Boukhdhir noho ny ‘’herisetra nataony tamin’ny mpiasam-panjakana iray am-perinasa’’ sy ny ” fanohintohinana ny fahamendrehana”.

Nilaza tamin’ny Global Voices ny vadiny, Dalenda Boukhdhir fa napetrak’ireo tompon’andraikitry ny fonja tao amin’ny ‘’efitrano maina’’ i Slim, nandritra ny telo andro, ny faha 20 ka hatramin’ny 23 Martsa (2008) , tsy nisy rano mihitsy tao amin’ity efitra ity. Vao mainka niha-ratsy ny fahasalamany noho io fepetra io, hoy ny vadiny. Nitatitra ny momba ny fepetra nitazonana ny vadiny tamin’ny Vokovoko Mena i Rtoa Boukhdhir ary nanantena izy fa ho afaka hitsidika azy any am-ponja ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Vokovoko Mena. Nanao fitokonana tsy nihinan-kanina maromaro i Slim Boukhdhir mba hanoherana ny fepetra fitazonana azy. Nofoanany [2] izany tamin’ny 2 Febroary 2008 noho ny fangatahan’ny vadiny.

‘’Manitsakitsaka ny zon’olombelona ny fandraràna ny gadra tsy hahita ny fianakaviany sy ny fametrahana azy ao amin’ny toerana tsy ara-pahasalamana», hoy ny Reporters sans frontières [3]. ‘’Niha-ratsy noho ny fepetra nitazonana azy ny tsy rariny natao tamin’ity mpanao gazety ity tamin’ny fanamelohana azy herintaona an-tranomaizina. Ny fanaovany fitokonana tsy nihinan-kanina no fomba tokana ho azy mba hisy hihaino’’.

Naverinay etsy ambany ny fanairana nataon’i Luiza Toscane [4], mpikatroka iray, navoaka tao amin’ny sehatra fifanakalozan-kevitry ny tranonkala Toniziana Nawaat [4].

Lors de la visite qu'elle a rendu jeudi 13 mars à son mari, Slim Boukhdhir, journaliste incarcéré à la prison de Sfax, Dalenda Boukhdhir a pu constater que l'acharnement des autorités pénitentiaires à l'endroit de son mari ne connaissait pas de répit : ce dernier lui a dit que non seulement il vivait toujours dans sa cellule infecte et exiguë, mais aussi que depuis trois jours, il n'avait plus accès à un point d'eau. Les autorités pénitentiaires ont fait couper l'eau, et à la différence de ses co- détenus, il ne peut sortir pour se laver ailleurs.

Slim Boukhdhir a alors envisagé une nouvelle grève de la faim pour protester contre cette nouvelle atteinte à ses droits élémentaires, projet que ses proches lui ont proposé d'abandonner. Et aujourd'hui, le couffin de nourriture qui lui a été apporté par sa mère a été accepté par l'administration pénitentiaire, signe que le détenu aurait consenti à renoncer à sa grève, signe aussi que Slim Boukhdhir renvoie la balle dans le camp des défenseurs des droits de l'homme : à nous d'exiger que soit mis un terme à ses conditions infra humaines d'incarcération, à nous de tout mettre en oeuvre pour sa libération.

Nandritra ny fitsidihany ny vadiny Slim Boukhdhir ny Alakamisy 13 Martsa (2008), mpanao gazety nogadraina tany amin’ny fonjan’i Sfax, dia nanamarika i Dalenda Boukhdhir fa tsy misy fitsaharana ny fampijaliana nataon’ny manampahefan’ny fonja natao tamin’ny toerana nisy ny vadiny: nilaza taminy ity farany fa tsy ao amin’ny efitra maloto sady tery ihany izy no nipetraka fa any amin'ny toerana tsy misy rano ihany koa no nametrahana azy nandritra ny telo andro. Notapahin’ireo tompon’andraikitry ny fonja ny rano, ary tsy afaka mivoaka mba hisasa any amin’ny toeran-kafa tahaka ireo gadra miaraka aminy ihany koa izy.

Nihevitra ny hanao fitokonana tsy nihinan-kanina indray i Slim Boukhdhir noho izany ho fanoherana ity fanitsakitsahana ny zony fototra vaovao ity, nanolo-kevitra azy anefa ny havany tsy hanao izany. Ary androany, neken’ny mpitantana ny fonja ny sakafo naterin-dreniny, famantarana izany fa nanaiky ny handà ny fitokonany tsy mihinan-kanina ilay voafonja, famantarana ihany koa izany fa manipy ny baolina any amin’ny kianjan’ny mpiaro ny zon’olombelona i Slim Boukhdhir : anjarantsika ny mitaky ny famaranana ny famonjana manitsakitsaka ny zon’olombelona, anjarantsika ny manao izay azo atao rehetra hanafahana azy.

Nosamborina ny 26 Novambra 2007 [1] i Slim Boukhdhir. Nanomboka nibilaogy tamin’ny alalan’ny sehatra famahanana bilaogy Arabo Maktoob Blogs [5] izy rehefa very asa tao amin’ny gazety Toniziana ‘’Akhbar AI Joumhurya’’ (Vaovaon’ny Repoblika) tamin’ny volana Aogositra 2004. Voajirika sy nopotehina [6] ny bilaoginy [7] tamin’ny volana Jolay 2007. Talohan’ny nisamborana azy, niasa ho mpitati-baovao ho an’ny tranonkalan’ny fantsom-pahitalavitra mandeha amin’ny zana-bolana Al-Arabiya TV [8] i Slim Boukhdhir, sy ho an’ny gazety mpiseho isan’andro amin’ny teny Arabo ao Londres Al Quds Al Arabi [9] ary ho an’ny vavahadin-tserasera Alema Qantara [10] .

Sami Ben Gharbia [11]