- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azia Atsimo-Atsinanana: Fitsangantsanganana An-Tsambo Mampanonofy sy ny Finamanana

Sokajy: Broney, Filipina, Indonezia, Japana, Kambodza, Laos, Malezia, Myanmar (Birmania), Singapaoro, Thailandy, Vietnam, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Tanora, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2009)

Mandraisa sambobe fitsangantsanganana iray tsara tarehy, fenoy tanora 300 mafana fo avy amin'ny Fikambanan'ireo Firenena ao Azia Atsimo Atsinanana (ASEAN), ataovy ao koa i Japana, ary ireo hetsika ara-kolontsaina sy sosialy, dia afangaroy ao. Vokatra azonao: fifamatorana mafy sy finamanana mandra-maty. Io no tantaran'ny Sambo Fitsangantsangananaan'ny Fandaharanasa ho an'ny Tanora ao Azia Atsimo Atsinanana (SSEAYP) na “Programme Kapal Belia Asia Tenggara” ao amin'ny M. S. Nippon Maru [1], [amin'ny teny anglisy toy ireo blaogy voatanisa rehetra], vatsian'ny governemanta japoney vola mba hanentanana ny finamanana eo amin'ireo tanoran'ny ASEAN sy Japana.

Araka ny voalazan'ny BPY 2008 [2], blaogy iray natokana ho an'ireo mpandray anjara amin'ny andiany faha-35 amin'ny SSEAYP tamin'ny taona lasa, dia fandaharam-potoana isantaona ho an'ireo tanora io, ka manana tanjona:

« hampiroborobo ny finamanana sy ny fifankahazoana eo amin'ireo tanora Japoney sy ny naman'izy ireo avy amin'ireo firenena Aziatika Atsimo, hampivelarana ny fijerin'izy ireo an'izao tontolo izao, ary koa hanamafisana ny faharisihan'izy ireo sy ny fahaizamanaon'izy ireo eo amin'ny resaka fiarahamiasa iraisam-pirenena amin'ny alalan'ny fandraisana anjara amin'ireo adihevitra sy fanehoana ny momba ny firenena tsirairay avy, ary amin'ireo hetsika fifanakalozana isankarazany hatrao anaty sambo ka hatrany amin'ireo firenena tsidihana.”

Mandray anjara amina hetsika maro ireo tanora ao anaty sambo, toy ny: adihevitra, hetsika firaisankinan'ny vondrona, ireo hetsika anaty klioba, famelabelaran-kevitra fampahafantarana ireo firenena niaviany, ireo kaonferansa amin'ny maha-mpanatrika sy mpandahateny, ireo hetsika fampilomana ara-tsosialy. Toy ny masoivoho kelin'ny firenena izay niavian”izy ireo avy ry zareo ireo rehefa miato kely isaky ny firenenaao  Azia Atsimo ilay sambo fitsangantsanganana, mba hanao fitsidihana ara-pomba fifanajàna, na hanatrika an'ireo fanasàna sy handray anjara amin'ireo fitsidihana rafi-pitondrana. Ny sasany hilomano ao anatin'ireo kolontsaina hafa noho ny fiantranoan'izy ireo any amin'ny mponina sy ny fifaneraserany miaraka amin'ireo tanoran'ny firenena tsidihany.

Turquoise and Roses [3], iray amin'ireo mpandray anjara avy any  Brunel, no nizara ny zavatra niainany tao anatin'ireo 52 andro nitsangantsanganany an-tsambo sy nandritra ireo fiatoana isaky ny seranana. Araka ny voalazany, nahaizan-javatra betsaka ny zavatra niainana:

” Nanam-bintana betsaka izahay anisany voafidy ary nohitrikitrihan'izy ireo mafy ny hoe ireo tsara indrindra no nofantenanytao anatin'ireo mendrika indrindra, satria fampianarana no tanjona marina amin'ity fitsangantsanganana ity. Taorian'ny fandraisana anjara taminy, tsapako fa nihamafy orina ny finamanana, ary marobe ireo fifandraisana tafajoro.”

Araka ny voalazan'ny blaogera, nisy fiantraikany lalina ilay dia, izay vao tsy ela akory nahafahany nitsidika an'ireo mpandray anjara hafa tao Kuala Lumpur any Malaisie [4]. Afaka nanao fitsidihana ofisialy sy ara-pomba fanajàna marobe izy tao anatin'ny sehatr'ilay fandaharanasa izay nahafahany nanitatra ny tambajotrany.

Azo antoka fa tsy ho afaka niresaka tamin'ny tompon'ireo ozinina Vietnamiana [5] aho raha tsy nisy an'ity fitsangantsanganana ity. Iza no mahalala… indray andro any aho mety mila mpampiasa vola, ho fantatro izay hifandraisako. Ireo namako, ireo tanora mpandraharaha, dia tena nientanentana be tamin'ity karazana fandaharanasa ity.

Ankoatra izay, nahazendana ny fianakaviana mpampiantrano. Tao Indonezia [6], natory tao amina vehivavy iray mpanao politika fakan-tahaka izy, izay hatramin'ny nahafatesan'ny vadiny dia izy irery no namelona ireo zanany. Tao Bangkok [7], ity lehilahy tena manankarena izay mitantana banky tailandezy ity no tena nampianatra azy zavatra betsaka!

Je n'aurais jamais pu imaginer ce genre de rencontre en dehors de ce programme. Nous avons du mal à nous séparer. Memang payah kan becarai !!!!!! Kalau bulih kami ani Mesti tah bejumpa setiap hari. Cerita nda PANDAI Habis même si nous avons passé les 6-7 derniers mois ensemble???   …………..Tsy ho azoko an'eritreritra mihitsy ity karazana fihaonana ity aho raha tsy teo io fandaharanasa io. Sarotra taminay ny nifandao.  Memang payah kan becarai !!!!!! Kalau bulih kami ani Mesti tah bejumpa setiap hari. Cerita nda PANDAI Habis

Sarotra ho anay ny nifandao. Raha azo atao izany, tsy maintsy mihaona isanandro isanandro izahay. Tsy ho tapitra velively ny fifampzarànay ireo tantaranay na dia niara-nandany ireo volana 6 na 7 farany aza izahay ???

Miantsona farany ny M.S. Nippon Maru mialohan'ny hanomezany toerana ny sambo iray vaovao amin'ny taona ho avy.

Tamin'ny fiandohan'ny taona 1980 no nanomboka ny fandraisana anjaran'i Brunéi, mpanaramaso tamin'ny voalohany, avy eo dia tena  mpandray anjara mihitsy. Nasaina nanolotra mpandray anjara 28 ny firenena tsirairay avy (PYs) notsinjaraina ho ankizivavy 14 sy ankizilahy 14, miampy 1 mpitarika nasionaly (NL). Mba handraisana anjara amin'ny fandaharanasa, manana fitsipika tsirairay avy ny firenena. Ho an'ny Brunéi, tsy maintsy mpitovo, 18 ka hatramin'ny 30 taona, raha azo atao mpikatroka ao anatinà fikambanana na fikambanana tanora, ary manana talenta ao anatin'ny kanto an-tsehatra.

Mitondra mankamin'ny fametrahana tambajotran'ireo tranainy io, ohatra hoe ny ‘BERSATU’ ho an'ny trangan'i Brunéi izay midika hoe, “miaraka” amin'ny teny malagasy. Ny Bersatu, dia iray amin'ireo Fikambanana tsy miankina eo an-toerana na ireo fikambanana tanora izay:

maneho tsara amin'ny fomba mahagaga ny fahazotoana izay asehon'ireo mpandray anjara tanora tany taloha (ex-PYs) avy ao Brunéi Darussalam ao anatin'ny fikasana matotr'izy ireo hanatontosa ireo Tanjona napetraky ny SSEAYP dia ny fanamafisana an'ireo fifandraisana finamanana miaraka amin'ireo sakaiza tanora avy amin'ireo firenena sivy hafa anatin'ny ASEAN sy Japana.

Hitako fa ny famakiana ny traikefany dia tena

TRAIKEFA IRAY TSY MAMPINO! Sambobe mampanonofy ny Nippon Maru!

Ny tantara tahaka an'io, tsy isalasalana, dia mampiray ireo tanora, ary indrindra indrindra mandrafitra fifankahazoana  an-tsaina goavana eo amin'ireo kolontsaina isankarazany, ireo antokom-pinoana ary fiarahamonina, ary hatramin'ireo ho mpitondra ny ASEAN any aoriana sy Japana!

Sary BPY 2008 [2]

Lahatsoratra voalohany navoaka tamin'ny janoary 2009