Tantara tamin'ny 02 Avrily 2019
Voarara tao Torkia ny Blogger.com

Nanakana ny fidirana tamin'ny tolotra fampiantranoana bilaogy malaza Blogger (Blogger.com sy Blogspot.com izay an'ny Google) ny fitsarana Tiorka nanomboka ny Zoma 24 oktobra 2008. Nahita ity hafatra ity ireo mpisera aterineto Tiorka: " Naato ny fidirana ato amin'ity tranonkala ity araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 2008/2761 avy amin'ny Fitsarana Heloka Bevava Ambaratonga Voalohany. "
Tonizia : Fampijaliana am-ponja natao an’ilay bilaogera sady mpanao gazety Slim Boukhdhir
Niharan’ny fampijaliana maro ilay bilaogera sady mpanao gazety Toniziana i Slim Boukhdhir, 39 taona, izay nogadraina tao amin’ny fonjan’i Sfax nanomboka ny 4 Desambra 2007. Nohelohin’ny fitsarana Toniziana i Slim Boukhdhir noho ny ‘’herisetra nataony tamin’ny mpiasam-panjakana iray am-perinasa’’ sy ny " fanohintohinana ny fahamendrehana".
Shina: “Dingana Lehibe Mandroso” ao Hebei
Mihoatra ny 1000 ny mponina ao amin'ny faritanin'i Hebei ho voakasiky ny fandroahana an-tery alohan'ny 5 Jona, ao anatin'ny tetikasa fampandrosoana ataon'ny governemanta, izay nantsoin'ny hevitra antserasera hoe "Fandrosoana Lehibe".
Fanamarihana sasantsasany momba ny raharaha Noticiero Digital sy ny heloka bevava antserasera

Nandritra ny diabe teo aloha, nanameloka ny tranonkala noticierodigital.com noho ny "famoahana vaovao tsy marina, nanambara ny fahafatesan'ny Minisitra Diosdado Cabello" ny filoha Venezoeliana, Hugo Chávez, ary nandidy ny minisi-panjakana mba hitory ny raharaha.