Noraràn'i Bahrain ny vondrona chat amin'ny BlackBerry

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2010)
BLACKBERRY-LOGO

Tsy ela akory izay i Bahrain no nandràra ny fampiasana ny vondrona karajia BlackBerry noho ny ahiahy mikasika ny “korontana sy fisavoritahan-tsaina” izay mety ho vokatry ny fizarana sy ny fanaparitahana vaovao ao an-toerana amin'ny alalan'ireo vondrona ireo, araka ny filazan'i Abdullah Yateem, sekretera lefitra ao amin'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Fampahalalam-baovao tamin'ny mpanao gazety. Noho ity fanapahan-kevitra ity, dia nametraka ohatra amin'ny fandraisana fepetra ara-pitsarana hamelezana ireo mpiseran'ny vondrona kiarajia (chat) BlackBerry i Bahrain.

Nitatitra ny vokatry ny lalàna tao amin'ny “Breaking News,” iray amin'ireo vondrona chat lehibe indrinda ny Gulf News:

An immediate result of the ministry's action was the suspension of daily news provided by “Breaking News”, started by Muhannad Sulaiman, a Bahraini journalist, to more than 13,000 BlackBerry subscribers.

A daily feature provided for free by Breaking News was a 6am summary of the front pages of the six daily newspapers.

Message

“I am sorry about the inconvenience, but as you do know, it is well beyond my capabilities,” Muhannad, wrote in a message to subscribers.

Ny vokatra mivantana avy amin'ny fanapahan-kevitry ny minisitera dia ny fampiatoana ny vaovao isan'andro omen'ny “Breaking News”, natombok'i Muhannad Sulaiman, mpanao gazety Bahrainita ho an'ireo mpisoratra anarana ao amin'ny BlackBerry maherin'ny 13.000 .

Ny tatitra isan'andro omen'ny Breaking News maimaim-poana dia  famintinana amin'ny 6 maraina ny pejy voalohany ao amin'ireo gazety enina mpivoaka isan'andro.

Hafatra

“Miala tsiny amin'ny fanelingelenana aho, saingy araka ny fantatrao, tsy hitako intsony izay atao,” Muhannad, nanoratra hafatra ho an'ny mpanjifany.

Ny vondrona karajia dia tena ampiasaina be ao Bahrain mba hanomezana vaovao farany isan-karazany manomboka amin'ny lohatenim-baovao hatramin'ny fanambarana ara-politika. An'arivony ireo mpanjifa ao amin'ireo vondrona ireo izay voakasiky ny fandraràna.

Mpikatroka Bahrainita, Said Yousif naneho hevitra momba ny lalàna farany, manasongadina ny zava-bitan'i Bahrain amin'ny fanivanana ny aterineto:

ويعد هذا القرار غير الحكيم، ضربة قاسية لحرية التعبير في البحرين مع أنه ليس الاجراء الوحيد من وزارة الإعلام لمحاولة تكبيل حرية الحصول على المعلومة وتبادلها. فقد أقدمت هذه الوزارة على تدشين حملة على المواقع الإلكترونية لمنظمات حقوق الإنسان، والمدونين، والمواقع الدينية والسياسية، والثقافية وعملت على حظر الوصول إليها من داخل البحرين[…]. وبسبب هذه الحملة أغلق المئات من المواقع الإلكترونية، بما في ذلك منتديات شعبية، لكونها تفسح المجال لنقد برامج السلطات.

Manimba ny fahalalaham-pitenenana ao Bahrain ity fanapahan-kevitra tsy am-piheverena ity, na dia tsy fepetra tokana avy amin'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao amin'ny fikasana hametra ny fahalalahana miditra maimaim-poana sy ny fanaparitahana vaovao aza. Nanomboka hetsika manohitra ireo tranonkalan'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona; ny bilaogera; ny fiarahamonina ara-pivavahana, ara-politika, sy ny ara-kolontsaina ity minisitera ity ary niasa amin'ny famerana ny fidirana amin'ireo tranonkala avy ao Bahrain. […] Noho izany hetsika izany, an-jatony ireo tranonkala nosakanana, anisan'izany ireo sehatra malaza, satria manome sehatra hitsikerana ny  fandaharan'asan'ny manampahefana izy ireo.

Takiana ankehitriny ny vondrona chat BlackBerry mba hahazo fahazoan-dàlana sahaza avy amin'ny  Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Fampahalalam-baovao alohan'ny hamelana azy ireo hanohy ny asa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.