- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanakatona ny bilaogin'ilay mpikatroka mpandala ny zon'olombelona i Syria 

Sokajy: Syria, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nosakanan'ny [1] manampahefana Syriana ny fidirana tao amin'ny bilaogin'ilay mpikatroka mpiaro mpiaro ny zon'olombelona sady bilaogera Mohammad Al-Abdallah [2], 26 taona izay nibilaogy tao amin'ny Raye7wmishRaj3 [3]  (Lasa aho ary tsy hiverina).  Afaka niditra tamin'ilay bilaogy voasakana tamin'ny alàlan'ny HTTPS [4] na tamin'ny alàlan'ny fitsidihana ny bilaogy dindo tsotra fotsiny tao amin'ny http://rwmr [5].wordpress.com/ [5] ireo mpisera Syriana.

raye7wmishraj3.jpg

Pikantsarin'ny bilaogy voasakana Raye7wmishRaj3 [3] tany Syria (Sary: Raye7wmishRaj3 [1])

Efa nosamborina indroa i Al-Abdallah noho ny tatitra mikasika ny toe-java-misin'ny zon'olombelona ao Syria sy noho ny fanentanana hanafahana ny rainy nogadraina Ali Al-Abdallah [6] , mpikambana ao amin'ny Fanambaràn'i Damaskosy – ary noho ny fananganana ny Komity ho an'ny Fianakavian'ny Gadra Politika tao Syria. Navotsotra tany am-ponja tamin'ny 4 Oktobra 2006 i Mohammad Abdallah sy ny rainy Ali rehefa nahavita sazy an-tranomaizina enim-bolana [7] noho ny “fanakianana ny lalànam-panjakana momba ny hamehana “.

ali_mohammad.jpg

Sarin'ilay Mohammad Al-Abdallah sy ny rainy tao amin'ny fonjan'i Adra , Damaskosy (Sary: Raye7wmishRaj3 [8].)

Ny 18 Martsa 2006, nosamborin'ny mpitandro filaminana avy ao amin'ny sampam-pitsikilovan'ny tafika an'habakabaka ny rahalahin'i Mohammad Al-Abdallah, Omar, noho ny filazam-baovao an-tserasera tao amin'ny bilaogy iraisana Syrian Domari [9], ary nogadrain'ny [10] manampahefana Syriana dimy taona an-tranomaizina. Nahafantatra ny tenimiafin'ilay tranonkalam-bilaogy Syriana Domari ireo mpitandro filaminana avy ao amin'ny sampam-pitsikilovana Air Force ary namafa izany tanteraka .