Nanakatona ny bilaogin'ilay mpikatroka mpandala ny zon'olombelona i Syria 

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nosakanan'ny manampahefana Syriana ny fidirana tao amin'ny bilaogin'ilay mpikatroka mpiaro mpiaro ny zon'olombelona sady bilaogera Mohammad Al-Abdallah, 26 taona izay nibilaogy tao amin'ny Raye7wmishRaj3  (Lasa aho ary tsy hiverina).  Afaka niditra tamin'ilay bilaogy voasakana tamin'ny alàlan'ny HTTPS na tamin'ny alàlan'ny fitsidihana ny bilaogy dindo tsotra fotsiny tao amin'ny http://rwmr.wordpress.com/ ireo mpisera Syriana.

raye7wmishraj3.jpg

Pikantsarin'ny bilaogy voasakana Raye7wmishRaj3 tany Syria (Sary: Raye7wmishRaj3)

Efa nosamborina indroa i Al-Abdallah noho ny tatitra mikasika ny toe-java-misin'ny zon'olombelona ao Syria sy noho ny fanentanana hanafahana ny rainy nogadraina Ali Al-Abdallah , mpikambana ao amin'ny Fanambaràn'i Damaskosy – ary noho ny fananganana ny Komity ho an'ny Fianakavian'ny Gadra Politika tao Syria. Navotsotra tany am-ponja tamin'ny 4 Oktobra 2006 i Mohammad Abdallah sy ny rainy Ali rehefa nahavita sazy an-tranomaizina enim-bolana noho ny “fanakianana ny lalànam-panjakana momba ny hamehana “.

ali_mohammad.jpg

Sarin'ilay Mohammad Al-Abdallah sy ny rainy tao amin'ny fonjan'i Adra , Damaskosy (Sary: Raye7wmishRaj3.)

Ny 18 Martsa 2006, nosamborin'ny mpitandro filaminana avy ao amin'ny sampam-pitsikilovan'ny tafika an'habakabaka ny rahalahin'i Mohammad Al-Abdallah, Omar, noho ny filazam-baovao an-tserasera tao amin'ny bilaogy iraisana Syrian Domari , ary nogadrain'ny manampahefana Syriana dimy taona an-tranomaizina. Nahafantatra ny tenimiafin'ilay tranonkalam-bilaogy Syriana Domari ireo mpitandro filaminana avy ao amin'ny sampam-pitsikilovana Air Force ary namafa izany tanteraka .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.