- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Diplaomaty Toniziana teo aloha voasazy nosazian'ny fitsarana Frantsay higadra 8 taona an-tranomaizina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Frantsa, Tonizia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2008)

Voampanga ho nanome baiko hanao hetsika fampijaliana sy habibiana [1]tamina vehivavy mpiray tanindrazany aminy, Zulaikha Gharbi i Ben Said, kaonsily lefitra teo aloha tao Strasbourg, fony izy mbola lehiben'ny polisy tao an-tanànan'i Jendouba [2], Tonizia, 12 taona lasa izay, ka nomelohin'ny fitsarana heloka bevava ao Strasbourg ihany, sampana Fitsarana Eoropeana momba ny Zon'Olombelona  [3]higadra 8 taona an-tranomaizina izy.
Notsaraina tamin'ny raharaham-pitsarana tsy natrehany ity diplaomaty Toniziana ity hatramin'ny nandosirany avy any Frantsa tamin'ny taona 2001 rehefa nahare fa nisy fitoriana azy napetraky Rtoa Gharbi, izay mpitsoa-ponenana ara-politika ao Frantsa ny vadiny amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny Antoko Islamika Toniziana voaràra Ennahda [4] azy. Natao ny fitsarana noho izy mahefa manerantany [5], fomba iray ahafahana manenjika ara-pitsarana ireo olona hita fa nanao heloka bevava goavana, na aiza na aiza toerana nanaovan'izy ireo izany ary na inona na inona zom-pirenen'ilay “mpanao heloka bevava” na ilay “lasibatra”. Ity dingana ara-pitsarana ity dia avy amin'ny Faneken'ny Firenena Mikambana 1984 miady amin'ny fampijaliana [6] izay nampidirina tao amin'ny lalàna Frantsay tamin'ny taona 1994.

Fanindroany izao no nisy sazy nomena noho izany antony izany tao Frantsa. Tamin'ny taona 2005, polisy Maoritaniana iray no voaheloka higadra 10 taona noho ny hetsika fampijaliana nataony tao amin'ny fireneny ihany.
Manazava [7]ny Tunisiawatch, bilaogy iray “voasivana ao Tonizia” maka ny lahatsoratr'ireo fampitam-baovao mahazatra:

[…] En l'absence de l'accusé, le procès auquel la Ligue française des droits de l'homme et la Fédération internationale des droits de l'homme (FIDH) s'étaient constituée parties civiles a aussi été celui du système mis en place par le président Zine El Abidine Ben Ali, au pouvoir depuis vingt et un ans. Plusieurs témoins ont dressé un portrait au vitriol du régime tunisien où, selon eux, la torture est érigée en “pratique d'Etat”.

[…] Noho ny tsy maha-eo ny voampanga, ny fitsarana izay ny Ligy Frantsay mpiaro ny zon'olombelona (LDH [8]) sy ny Federasiona iraisam-pirenena ho an'ny zon'olombelona (FIDH [9]) no ankilany mpitory no itsarana ny rafitra napetraky ny Filoha Zine El Abidine Ben Ali, izay teo amin'ny fahefana nandritra ny 21 taona. Vavolombelona maromaro no nampiseho sary mampihorohoro maneho ny fitondrana Toniziana, ho mametraka ny fampijaliana ho “fomba fanaon'ny fanjakana” araka ny filazan-dry zareo

Naharesy lahatra ny fitsarana ireo fijoroana vavolombelona ireo, na dia nangataka fanafahana madiodio aza ny solontenan'ny fanjakana frantsay, nanipika ny tsy fahampian'ny porofo ao amin'ny rakitsoratra.
“Fandrosoana bebe kokoa amin'ny ady amin'ny tsy fanasaziana ireo mpampijaly sy hafatra lehibe ho an'ireo manampahefana Toniziana izany; raha voaaro ao Tonizia ireo mpampijaly, dia tsy toy izany intsony kosa any amin'ny firenen-kafa”, hoy ny mpisolovava iray ao amin'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona.

Tamin'ny lahatsoratra manaraka, Tunisia Watch nanampy hoe [10] :

Khaled ben Saïd qui fait l'objet d'un mandat d'arrêt international depuis 2002 n'a pas la possibilité de faire appel puisque l'audience s'est déroulée sans lui. Toutefois s'il est arrêté, il sera rejugé. Au-delà de la peine prononcée soit 8 ans de RC, c'est-à-dire en décembre 2016, il y aura prescription.

Tsy afaka mampiakatra fitsarana ambony i Khaled ben Saïd, izay niharan'ny didy fisamborana iraisam-pirenena hatramin'ny taona 2002, satria natao tamin'ny tsy fanatrehany ny fotoam-pitsarana. Na izany aza, rehefa voasambotra izy dia hotsaraina indray. Ankoatra ny sazy notononina, valo taona an-tranomaizina, izany hoe hatramin'ny  volana desambra 2016, dia hisy ny fahafoanan-didy.

Vao maraimbe tamin'io andro io, nomelohin'ireo manampahefana Toniziana ho toy ny “namboamboarina tanteraka” ny fitsarana ary nilaza ihany koa fa “fomba fanao leferina any Tonizia ny fiampangana fampijaliana mifandraika amin'ny tsy fahamarinana sy ny fandisoam-baovao”.

.Somary sadaikatra ny vavahadin-tserasera Nawaat.org ary manontany tena raha efa eo an-dalam-panesorana ny fady momba ny fampijaliana any Tonizia. Nanonona [11] ilay mpikaroka CNRS Vincent Geissler ny bilaogy, nilaza izy nandritra ny fakana am-bavany hoe:

“En Tunisie, sous Ben Ali, on torture au nom des droits de l’homme et on viole les femmes en invoquant le droit des femmes”, a également expliqué devant la cour Vincent Geissier. Cette pratique “est destinée à humilier et à diffuser la peur”. Avant d’ajouter : le recours à la torture, “c’est un mode de contrôle de la société”

“Ao Tonizia, eo ambany fitondran'i Ben Ali, mampijaly amin'ny anaran'ny zon'olombelona izy ireo ary manolana vehivavy no sady manonona ny zon'ny vehivavy”, hoy i Vincent Geissler nanazava tao amin'ny fitsarana. “Io fanao io dia natao hanalana baraka sy hampielezana tahotra”. Alohan'ny hanampiana hoe: “fomba iray hifehezana ny fiarahamonina ny fampijaliana”

Naneho ny heviny isan-karazany ireo mpamaky tao amin'ny takelaka fanehoan-kevitra ao amin'ny tranonkalan'ny gazety eo an-toerana [12]Libération [12] sy tao amin'ny eJDD.fr [13].

Iray (be fanantenana) nilaza hoe :

Rédigé par: GDP : Comme quoi, n'en déplaise à Sarkozy, la justice progresse davantage en France que les droits de l'homme en Tunisie.

GDP : Mampiseho izany fa na tian'i Sarkozy na  tsia, dia mandroso hatrany ny fitsarana ao Frantsa tsy toy ny zon'olombelona any Tonizia.