(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana May 2010)
Ny 6 May 2010,nampanantsoin'ny Diviziona Fitantanana ny Renivohitra sy ny Fanajariana ny Tany ao Shenzhen ilay bilaogera fanta-daza, William Long fa hoe ahiahiana ho namoaka ny tsiambaratelom-panjakana ny sarin'ny Google Earth manondro ireo toby miaramila ao amin'ny www.moon-bbs.com . Nandritra ny resadresaka, nisy olona nandrakitra an-dahatsary ny dingana iray manontolo. Namafa ilay lahatsoratra ilay bilaogera taorian'ny fihaonana ary namadika ny tranonkala hiala an-tserasera.
Ny 17 May 2010, nasongadin'ny fandaharan'ny CCTV “Topics in Focus” manerana ny firenena anefa ilay raharaha. Nanombantombana ny mpisera anaty aterineto fa eo am-pametrahana ny politika hamerana ny fampiasana ny “Google Earth” ny governemanta. Nanombana avy amin'ny zavatra hitany teo aloha i Jason Ng avy any Kenengba fa hihatra ilay politika ao anatin'ny 10 andro.
Tao amin'ny fandaharan'ny CCTV, ankoatra ny toby miaramila dia heverina ho tsiambaratelom-panjakana ny foiben'ny herinaratra, ny toerana fanangonana rano, ny toeram-pamokarana herinaratra, ny fitaovana fifandraisana ary ireo fitaovana hafa mifandraika amin'ny tombontsoa ara-toekarena sy ny tombontsoa ara-tsosialy ary tsy tokony aseho amin'ny alàlan'ny sarintany amin'ny zanabolana an-tserasera.
Araka ny lalàna efa misy, mampigadra 3 ka hatramin'ny 7 taona an-tranomaizina ny fivoahan'ny tsiambaratelom-panjakana, na niniana na tsy niniana natao . Mety hahatratra 5 ka hatramin'ny 10 taona ny sazy ho an'ny raharaha goavana.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...