- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Israely – Dingana iray hafa amin'ny fameran'ny governemanta ny habaka

Sokajy: Israely, Fitsipika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Rehefa navoaka [1] voalohany tao Israely ny torolàlan'ny polisy izay nanome torolalana [2] ireo mpamatsy tolotra aterineto hanakana ny fidirana amin'ny tranonkala filokana sasany dia nankatoa [3] ny volavolan-dalàna 13 Jolay izay mitaky ireo mpamatsy tolotra aterineto mba hampahafantatra ny mpanjifany momba ny loza ateraky ny aterineto ary hanome ny mpanjifany ny rindrambaiko maimaim-poana amin'ny fanivanana ny aterineto ny Komity ara-toekarena ao amin'ny Knesset (parlemantera Israeliana). Narahana adihevitra tao amin'ny Knesset [4] moa ny raharaha talohan'ny an'ny komity tamin'ny 5 Jolay.

Taorian'ny fikasana [3] hametra ny fahalalahan'ny aterineto amin'ny alàlan'ny lalàna ao Isiraely tao anatin'ny folo taona farany dia nanolotra ity volavolan-dalàna ity indray ny MK Alex Miller tamin'ny 1 Aprily 2009 (P/456/18 [5]). Io volavolan-dalàna io ihany no napetrak'ity mpikambana ity tao amin'ny Knesset teo aloha (P/1752 /17 [6])  tamin'ny 27 Novambra 2006.

Nodinihina [7] tao amin'ny Knesset tamin'ny 24 Oktobra 2007 ny soso-kevitra ary nolavina [8] nandritra ny fivorian'ny Komity Ara-toekarena tamin'ny 26 febroary 2008. Nisy mpikambana enina hafa nanatevin-daharana ny ezaka nataon'ny MK Miller mba handaniana an'ity volavolan-dalàna ity tao amin'ny Knesset.

Nandalo fifidianana voalohany tao amin'ny Knesset ny volavolan-dalàna rehefa nankatoavina. Tena mametra tanteraka ny fampiasana malalaka ny aterineto amin'ny endrika fanakanana tranonkala na ny famerana ny fidirana amin'ny aterineto any amin'ny toeram-piasana sy ny toerana ho an'ny vahoaka ny ankamaroan'ny volavolan-dalàna tany aloha. Na izany aza, tsy nekena tamin'ny ankamaroan'ny tranga maro ilay volavolan-dalàna.

Koa satria tsy mametra mivantana amin'ny fidirana amin'ny tranonkala ilay volavolan-dalàna fa saingy mitaky ny mpamatsy tolotra aterineto mba hanome vaovao sy rindrambaiko momba izany dia azo inoana fa ho lany ihany ity volavolan-dalàna ity.