Israely – Dingana iray hafa amin'ny fameran'ny governemanta ny habaka

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Rehefa navoaka voalohany tao Israely ny torolàlan'ny polisy izay nanome torolalana ireo mpamatsy tolotra aterineto hanakana ny fidirana amin'ny tranonkala filokana sasany dia nankatoa ny volavolan-dalàna 13 Jolay izay mitaky ireo mpamatsy tolotra aterineto mba hampahafantatra ny mpanjifany momba ny loza ateraky ny aterineto ary hanome ny mpanjifany ny rindrambaiko maimaim-poana amin'ny fanivanana ny aterineto ny Komity ara-toekarena ao amin'ny Knesset (parlemantera Israeliana). Narahana adihevitra tao amin'ny Knesset moa ny raharaha talohan'ny an'ny komity tamin'ny 5 Jolay.

Taorian'ny fikasana hametra ny fahalalahan'ny aterineto amin'ny alàlan'ny lalàna ao Isiraely tao anatin'ny folo taona farany dia nanolotra ity volavolan-dalàna ity indray ny MK Alex Miller tamin'ny 1 Aprily 2009 (P/456/18). Io volavolan-dalàna io ihany no napetrak'ity mpikambana ity tao amin'ny Knesset teo aloha (P/1752 /17)  tamin'ny 27 Novambra 2006.

Nodinihina tao amin'ny Knesset tamin'ny 24 Oktobra 2007 ny soso-kevitra ary nolavina nandritra ny fivorian'ny Komity Ara-toekarena tamin'ny 26 febroary 2008. Nisy mpikambana enina hafa nanatevin-daharana ny ezaka nataon'ny MK Miller mba handaniana an'ity volavolan-dalàna ity tao amin'ny Knesset.

Nandalo fifidianana voalohany tao amin'ny Knesset ny volavolan-dalàna rehefa nankatoavina. Tena mametra tanteraka ny fampiasana malalaka ny aterineto amin'ny endrika fanakanana tranonkala na ny famerana ny fidirana amin'ny aterineto any amin'ny toeram-piasana sy ny toerana ho an'ny vahoaka ny ankamaroan'ny volavolan-dalàna tany aloha. Na izany aza, tsy nekena tamin'ny ankamaroan'ny tranga maro ilay volavolan-dalàna.

Koa satria tsy mametra mivantana amin'ny fidirana amin'ny tranonkala ilay volavolan-dalàna fa saingy mitaky ny mpamatsy tolotra aterineto mba hanome vaovao sy rindrambaiko momba izany dia azo inoana fa ho lany ihany ity volavolan-dalàna ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.