Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

29 Marsa 2019

Tantara tamin'ny 29 Marsa 2019

Lalam-pahafahana sarotra nodiavin'ny Syriana iray

Sambany izahay nandritra ny taona maromaro nahita làlana tsy simban'ny balafomanga, sisin-dalana tsy misavovon'ny fako ary ny rindrina tsy voakitiky ny ady

Shina: Tandremo! Mamoaka tsiambaratelom-panjakana ny Google Earth 

Araka ny lalàna efa misy, mampigadra 3 ka hatramin'ny 7 taona an-tranomaizina ny fivoahan'ny tsiambaratelom-panjakana, na niniana na tsy niniana natao . Mety hahatratra 5 ka hatramin'ny 10 taona ny sazy ho an'ny raharaha goavana.

Filipina: Nolavin'ny sampana misahana ny fifidianana ny firotsahan'ny vondrona LGBT hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana

Ho fampiroboroboana ny fifandraisan'ny mitovy taovam-pananahana izay mifanohitra amin'ny finoana ara-pivavahana, nolavin'ny Commission on Elections-Vaomieran'ny Fifidianana (Comelec) ny fangatahan'ny vondrona pelaka Ang Ladlad ho ankatoavina ho antoko afaka mirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2010.

Israely – Dingana iray hafa amin'ny fameran'ny governemanta ny habaka

Nodinihina tao amin'ny Knesset tamin'ny 24 Oktobra 2007 ny soso-kevitra ary nolavina nandritra ny fivorian'ny Komity Ara-toekarena tamin'ny 26 febroary 2008. Nisy mpikambana enina hafa nanatevin-daharana ny ezaka nataon'ny MK Miller mba handaniana an'ity volavolan-dalàna ity tao amin'ny Knesset.

Jordania: Natsangana ny lalàna momba ny heloka bevava amin'ny rafi-baovao nasiam-panovana

Nankatoavin'ny governemanta Jordaniana tamin'ny 29 Aogositra ny volavolan-dalàna farany amin'ny Lalàna momba ny heloka bevava amin'ny Rafi-baovao (Lalàna mifehy ny heloka atserasera) rehefa avy nanitsy ampahany maromaro tamin'ny lalàna izay niteraka adihevitra sy tsikera avy amin'ireo mpikatroka zon'olombelona sy ireo mpikatroka media.