Maso Arabo: Eritreritra Ramadan

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2008)

Satria mifarana vetivety ny volana masina Ramadany, mizara ny eritreriny momba ny volana, ny zavatra ataon'izy ireo, ny fenitry ny fitondrana fiara ary ny fanirian'izy ireo hiala-sasatra ny bilaogera arabo.

Mitaraina i Bookish irakiàana:

It is very hard to fast because of the hot weather in the current Ramadan. I do not feel hungry but so thirsty……Well, the worst thing is that I am losing weight.

Sarotra be ny mifady hanina noho ny hafanana mandritra ny Ramadany ankehitriny. Tsy mahatsiaro noana aho fa tena mangetaheta …… Eny, ny zavatra ratsy indrindra dia somary nihena kely aho.

Mba hampisehoana izany, dia nampiseho ny lanjany teo ambony fandanjana ity bilaogera taloha sy taorian'ny fifadian-kanina – izay 1 kilograma ny fahasamihafana.

Mifady hanina manomboka amin'ny fipoahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany mandritra ny volana ny Miozolomana.

Shopaholic Q8eya, avy any Koety tsy mahandry ny fiafaran'ny volana, nanoratra izy hoe:

I am so ready for Ramadan to end. I want my coffee. I miss seeing our tea boy placing my XL cup of starbucks bold coffee. I want to be able to drink water while working out in the gym. I am fed up with all those Ghabqa’s [late night social gatherings and meals] yet I always have fun going to one. What’s up with everyone passing away? Just got a call and he didn’t make it. He has been in the hospital for few days now and I guess it was meant to happen..May his soul rest in peace. This is the 4th funeral since Ramadan started. I told you this month should be over very soon.

Vonona be hamarana ny Ramadany aho. Te-hisotro ny kafe-ako aho. Te-hahita mafy ilay tovolahy mpanome dité ahy amin'ny kaopy XL aho. Tiako ho afaka misotro rano aho rehefa manao fanatanjahantena. Leo an'ireo [fivoriana sy sakafo ara-tsosialy isan-kariva] ao Ghabqa aho na dia mahafinaritra ahy foana aza ny mandeha amin'izany. Inona no zava-nitranga tamin'ireo rehetra efa namoy ny ainy? Vao avy nahazo antso ary tsy nahomby izy. Tany amin'ny hopitaly nandritra ny andro vitsy izy izao ary mieritreritra aho fa hitranga izany .. Handry am-piadanana anie ny fanahiny. Ity no fandevenana faha-4 hatramin'ny nanombohan'ny Ramadany. Nolazaiko anao fa tokony hifarana tsy ho ela ity volana ity.

Miandry ny volana hifarana ihany koa i Khadija Teri, avy ao Libya.

Ramadan is the season for beggars and pickpockets. Unfortunately, I seem to be a magnet for both. The other day when Jenna and I were out shopping we nearly had a repeat of the pickpocket experience we had before (I posted about it here). […]
Ramadan is lasting forever this year… I am ready for it to be over.

Ny Ramadany no fotoana ho an'ireo mpangataka sy mpangaro-paosy. Indrisy anefa fa toa tena tian'izy roa tonta aho. Indray andro, raha nandeha niantsena izaho sy Jenna, dia saika tratran'ny haro-paosy efa nitranga taminay teo aloha indray izahay (nanoratra momba izany aho tato). […]
Maharitra mandrakizay amin'ity taona ity ny Ramadany … Vonona aho mba hifarana izy.

Miverina any Koety, mitaraina momba ny fenitry ny fitondrana fiara i Pearls:

Driving is crazy now. Better to avoid going out unless it’s necessary. I was so close to getting into two car accidents yesterday, first wasn’t my fault. The guy in the van turned on me and I hit my breaks hard. The second one was because the car in front of me took a sudden stop and I wasn’t focusing well.

So I got away with the last two but it didn’t take me too long. Today I hit the car in front of me but my feet were off the pedal so no harm was done. Again I got away with it …

Hadalana ankehitriny ny fitondrana fiara. Tsara kokoa raha tsy mivoaka raha tsy efa tena hoe ilaina izany. Saika nanao lozam-pifamoivoizana roa aho omaly, ny voalohany dia tsy fahadisoako. Nihodina teo amiko ilay lehilahy nitondra kamiao kely ary notsindriko mafy ny hisatra. Ny faharoa dia noho ilay fiara teo anoloako nijanona tampoka kanefa tsy nifantoka tsara aho.

Noho izany dia tafavoaka tamin'ireo loza roa ireo aho saingy tsy naharitra ela izany. Androany dia nandona ny fiara teo alohako aho saingy tsy teo amin'ny fivoy (pédale) ny tongotro ka tsy nisy loza nitranga. Tafavoaka tamin'izany indray aho

Avy any Arabia Saodita, Stilettos in the Sand nandefa fitarainana mitovy momba ny fitondrana fiara. Manazava izy:

Driving While Fasting… Dangerous. Driving in the Sandbox is scary under the best of conditions! To say that driving, here, is challenging is the understatement of the century if there ever was one – and you literally take your life in your hands the moment you step into a vehicle, whether as the driver or as a passenger. The chances of being in an accident are exponentially multiplied during Ramadan as “drivers, eager to reach their destination, throw all driving sense and caution to the wind.” Yep. ‘Tis true. Today's Saudi Gazette has an article that says, “The standards of driving are known to be erratic in the country and it only gets worse in the holy month of Ramadan.”

Mitondra fiara sady mifady hanina… Mampidi-doza. Mampandositra ny fitondrana fiara ao amin'ny Sandbox ao anatin'ny fepetra tsara indrindra! lazaina izany satria mampihaika ny mitondra fiara eto, amin'izany satria tsy misy mpilaza nandritra ny taonjato raha misy izany – fa tena mamoy ara-bakintany ny ainao ianao amin'ny fotoana idirana anaty fiara, na ho mpamily na ho mpandeha. Mitombo fatratra ny mety ho lasibatry ny lozam-pifamoivoizana mandritra ny Ramadany satria “tsy mifantoka sy tsy mitandrina ireo mpamily, maniry ny ho tonga amin'ny toerana halehany.”Eny. Tena marina. Ny Saudi Gazette androany dia nahitana lahatsoratra milaza hoe: “Fantatra fa miovaova ny fenitra fitondrana fiara ao amin'ny firenena ary vao mainka miharatsy kokoa mandritra ny volana masin'ny Ramadany.”

Raha midera fatratra ireo andiana dokambarotra mankalaza ny hatsaran'ny Volana Masina i Desert Girl, avy any Koety, Khadija Teri kosa manontany ireo mpamakiny mba hahafantatra ny hevitr'izy ireo mikasika ny fandaharana Ramadany amin'ny fahitalavitra. Manazava izy:

There are mixed feelings about the amount of TV watched  and the type of programming available in Muslim countries during Ramadan. There's even a ‘No More TV in Ramadan’ campaign. And a lot written here. […]
What are your thoughts about TV in Ramadan?

Misy ny fahatsapana mifangaro momba ny habetsaky ny fahitalavitra jerena sy ny karazana fandaharana misy any amin'ny firenena Miozolomana mandritra ny Ramadany. Misy mihitsy aza ny fanentanana ‘Tsy mila TV amin'ny Ramadany’. Ary maro no nosoratana ato. […]
Inona ny eritreritrao momba ny fahitalavitra amin'ny Ramadany?

Children on a Ramadan Cannon in Qatar Ao amin'ny Qatar Living, nankalazaina tamin'ny fifaninanana sary ny Fanahin'ny Ramadany.

Joe no voatendry ho mpandresy voalohany ho an'ity sarin'ankizy mipetraka eo ambony tafondro natifitra araka ny fomban-drazana mba hanamarihana ny faran'ny andro fifadian-kanina ity:

Iftar is when fasting is broken during the holy month of Ramadan. Followers of Islam, fast from Sunrise to Sunset during this month. In Qatar, a canon is fired to mark the end of the day's fast. People here, gather to near it to watch the canon being fired and then rush home where a delicious meal awaits them.

Ny Iftar dia rehefa mandrava ny fifadian-kanina mandritra ny volana masina Ramadany. Mpanaraka ny Islamo, mifady hanina manomboka ny fiposahan'ny masoandro hatramin'ny filentehany mandritra ity volana ity. Any Katara, hapoaka ny tafondro mba hanamarihana ny faran'ny andro fifadian-kanina. Mivory eo akaikin'izany (tafondro) izany ny olona eto mba mba hijery ilay tafondro hapoaka ary avy eo mihazakazaka any an-trano izay misy sakafo matsiro miandry azy ireo.

Ary farany fa tsy ny kely indrindra, Teach the Masses,  avy any Koety manana fialantsasatra ao an-tsainy. Manoratra izy:

The rumour mill is up and running. KSA [Saudi Arabia], Qatar and other Gulf states are giving the last 10 days of Ramadan as a holiday and will Kuwait follow suit?
So far no confirmation- some people saying yes and some maybe but no official link.

Mivoatra sy mihazakazaka ny tsaho. Manome ny 10 andro farany amin'ny Ramadany ho andro fialantsasatra i KSA [Arabia Saodita], Katar sy ireo firenena hafa ao amin'ny helodrano ka hanaraka izany ve i Koety?
Hatramin'izao dia tsy misy fanamafisana – misy olona milaza hoe eny fa ny sasany manao hoe angamba, fa tsy misy ny rohy ofisialy milaza izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.