- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpandraharaha Slovaky voampanga ho nanome baiko ny famonoana ilay mpanao gazety Ján Kuciak sy ny fofombadiny

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Italia, Slovakia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava
[1]

Fampisehoam-pahamaroana #AllForJan ho fahatsiarovana ny famonoana ilay mpanao gazety Ján Kuciak sy ny fofombadiny Martina Kušnírová tao Bratislava, ny 2 Martsa 2018. Sary [2] avy amin'i Peter Tkac, CC BY-SA.

Voarohirohy tamin'ny fanomezana baiko ny famonoana ilay mpanao gazety Ján Kuciak sy ny fofombadiny Martina Kušnírová tamin'ny taona 2018 ilay mpandraharaha Marián Kočner, araka ny fanambarana tamin'ny 15 Martsa [3] nataon'ny Biraon'ny Fampanoavana Manokana ao Slovakia.

Talohan'ny namonoana azy, niara-niasa tamin'ny Tetikasa natao hitaterana ny heloka bevava efa voahomana sy ny kolikoly (OCCRP) sy ny sehany famoaham-baovao, Aktuality.sk, i Kuciak  mba hanadihady izay mety ho fifandraisana misy eo amin'ny andian-jiolahy Italiana sy ny fisiany ao Slovakia. Nanoratra ny raharaham-barotr'i Kočner ihany koa izy.

Niteraka hatairana manerana [4] ny firenena ity famonoana ity. Nitarika hetsi-panoherana goavana izay nanery ny fametraham-pialan'ny Praiminisitra Robert Fico ny fitakiana ny rariny [5] .

Kuciak no tena lasibatra [6] raha novonoina ihany koa i Kušnírová noho izy tao an-trano fotsiny rehefa niditra an-keriny tao ireo mpamono. Samy 27 taona izy roa ireo ary nanam-pikasana hivady tamin'ny volana May 2018.

Araka ny fiampangana, nandrahona mivantana an'i Kuciak tamin'ny alàlan'ny antso tamin'ny finday i Kočner tamin'ny volana Septambra 2017 ary avy eo nanome baiko [7] ny famonoana izay nitranga tamin'ny 21 Febroary 2018 tao amin'ny tananakelin'i Veľká Mača.

Nitazona olona miisa efatra tamin'ny famonoana an'i Kuciak sy Kušnírová ny mpitandro ny filaminana Slovaky. Voampanga ho nandoa vola mitentina 50.000 euros (eo amin'ny 57 000 dolara Amerikana) ny lefitr'i Kočner, Alena Zsuzsová sy ho nanafoana ny trosa mitentina 20.000 euros (eo amin'ny 22.700 dolara Amerikana) ho an'ny olona telo – tomponà fivarotana pizza, polisy teo aloha iray ary miaramila teo aloha iray – mba handaminana sy hanatanterahana [8] ity vono olona ity.

Nandritra ny fahavaratra, nosamborina noho ny fanodikodinam-bola vokatry ny fanadihadiana nataon'i Kuciak i Kočner, saingy mbola nandanian'ny manampahefana enimbolana ny nisamborana ireo mpiasan'ilay mpandraharaha niteraka resabe ary nampifandray azy mivantana tamin'ny fikasam-pamonoana.

“Ny asa fanaovan-gazety nataon'ny lasibatra no anton'io famonoana io,” hoy ny mpampanoa lalàna manokana, izay tsy nitonona anarana noho ny antony ara-piarovana tamin'ny mpitati-baovao [3] nandritra ny valan-dresaka tamin'ny 15 Marsa teo akaikin'i Bratislava.

[9]

Hetsi-panoherana tao Bratislava tamin'ny 9 Martsa 2018 ho setrin'ny famonoana an'i Ján Kuciak sy Martina Kušnírová. Sarin’ [10] i Slavomír Frešo tao amin'ny Wikipedia, CC BY-SA 4.0.

Nankasitraka ny fiampangana ny fikambanana mpiaro ny zon'ny fampitam-baovao sy ny mpiaro ny zon'olombelona. Nanambara tao amin'ny Twitter ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety [11], Gulnoza Said hoe:

We welcome the news that Slovak authorities have charged a suspected mastermind for the murder of investigative journalist #JánKuciak [12]. This is a significant step, and a rare one in murders of journalists. We hope authorities keep their promise to bring all perpetrators to justice, thereby making all journalists in Slovakia safer from violence.

Mankasitraka ny vaovao tamin'ny fiampangan'ny manampahefana Slovaky ilay atidoha noahiahiana tamin'ny famonoana ilay mpanao gazety mpanao famotorana #JánKuciak [12] izahay. Dingana iray manan-danja izany, ary anisan'ny tsy fahita firy amin'ny famonoana ireo mpanao gazety. Manantena izahay fa hitazona ny fampanantenany amin'ny hitondrana ireo nahavanon-doza rehetra any amin'ny fitsarana ny manampahefana, ka mba hahatonga ny mpanao gazety rehetra any Slovakia ho voaaro amin'ny herisetra .

Nanamarika ihany koa i Harlem Desir avy ao amin'ny Fikambanana ho an'ny Fiarovana sy ny Fiaraha-miasa any Eoropa hoe:

Midera ny fiampangana an'ilay nanome baiko ny famonoana an'ilay mpanao gazety Jan Kuciak ao Slovakia aho. Tsy azo ekena ny setrin'ny fanadihadiana nataony momba ny kolikoly avo lenta indrindra ary lasa mariky ny fahalalahan'ny fampitam-baovao izy mba hanjerana ny mafia sy ny heloka bevava. Fanambarana feno: https://t.co/BB8bsemt6K [15]

Tamin'ny volana May 2018, nosalorana ny mari-boninahitry ny loka fanokafana ho an'ny Mpanao Gazety, ny Mpampiely Vaovao sy ny Mpiaro ny Zo amin'ny Fahazoana Vaovao [17], avy amin'ny Vondrona Eoropeana Havia/Nôrdika Maitso Havia (GUE/NGL [18]) ao amin'ny Parlemanta Eoropeana i Kuciak. Natao hankasitrahana ny asa sy ny herimpon'ny olona amin'ny famoahana ny kolikoly sy ny fahadisoana ataon'ny olo-mahery ity loka izay nomena ny anaran'i Daphne Caruana Galizia ho fanomezam-boninahitra ilay mpanao gazety novonoina avy any Malta ity.

Manohy ny lova navelan'i Ján Kuciak

Nameno sy namoaka [19] ny sasany tamin'ireo fikarohany tsy mbola vita ny OCCRP sy ny mpikambana ao amin'ny foibe taorian'ny namonoana an'i Kuciak .

Tamin'ny volana Febroary 2019, namoaka tatitra mitondra ny lohateny [20] hoe “fiainana tsy tapitra, fitsarana tsy tapitra” izy ireo. Izany dia novolavolain'ny OCCRP, ny Tetikasa Fanatontosana Tatitra Fanadihadiana any Italia, ny Investigace.cz, ary ny Ivontoerana Fanadihadiana ho an'i Ján Kuciak (ICJK) izay miorina amin'ny tatitra nataon'i Kuciak momba ny heloka bevava efa voaomana any Slovakia sy ny fifandraisany amin'ny politika sy ny fampiharana ny lalàna.

Saingy nanambara tamin'ny alalan'ny Twitter ny ICJK fa misy ny manampahefana sasany tsy miara-miasa amin'izy ireo ary tsy navela nanatrika ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nanambarana ny fanamelohana an'i Kočner izy ireo.

Androany tamin'ny 1 ora atoandro, nisy ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety momba ny fanadihadiana ny famonoana an'i Martina sy Jan izay atao ao amin'ny biraon'ny Mpampanoa Lalàna manokana. Tsy ho any izahay. Araka ny mpampanoa lalana, tsy mpanao gazety izahay, fa olon-tsotra liana fotsiny ka afaka mamaky izany ao amin'ny gazety.

Na dia teo aza ny fiampangan'ny manampahefana ankehitriny ilay lazaina ho atidoha niketrika ny famonoana dia manamafy ny mpanao gazety sy ny mpanandra-tenin'ny fampitam-baovao fa mbola misy ny fanontaniana tsy [23]mbola [23]voavaha [23] mifandraika amin'ny raharaha, toy ny feo mandeha mahakasika ny fandraisana anjaran'ireo mpanao politika malaza. Liana amin'ny famantarana izay mety ho fantatry ny Praiminisitra teo aloha Fico sy Robert Krajmer, lehiben'ny Sampana miady amin'ny Kolikoly teo aloha ao amin'ny Sampandraharaha miady amin'ny Heloka Bevava Nasionaly Slovaky momba ity vono an'olona ity ireo mpisolovava.

Efa nangataka ny manampahefana hanadihady ny fifandraisan'i Kočner, izay voampanga vao haingana, amin'ireo manampahefana matanjaka izay niaro azy nandritra ny roapolo taona ireo namana sy fianakavian'i Kuciak sy Kušnírová. Miahiahy ny mpisolovavan'ny fianakavian'i Kušnírová fa mety hisy fiantraikany amin'ny fivoaran'ny raharaha ny fifandraisan'i Kočner akaiky amin'ny mpampanoa lalàna Slovaky teo aloha, Dobroslav Trnka.