- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vietnam: Nosamborina ilay bilaogera Dieu Cay

Sokajy: Vietnam, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nahita mora foana ny lahatsary avy amin'ny ankamaroan'ny fiatoana [1] tamin'ny filanjana ny Afo Masina tamin'ny Lalao Olaimpika tao Beijing ny mpisera raha nitsidika ny YouTube.

Tany San Francisco, lasa nalaza be [2] ny mpanao fihetsiketsehana, nitatitra ilay hetsika tamin'ny alàlan'ny Twitter [3], lahatsary [4] ary nitatitra ny vaovao mivantana [5] tamin'ny rakipeo mihitsy aza .

Tongava amin'ny Talata” [6] , na izany aza, mety tsy ho hitanao ny lahatsary mampiseho ny hetsika ho an'ny zon'olombelona ao amin'ny YouTube izay navoakan'ilay bilaogera Vietnamiana raha namakivaky ny tanandehiben'i ny Ho Chi Minh ny Afo Olaimpika; Nosamborina [7]Nguyen Van Hai [8], olon-tsotra mpitati-baovao fanta-daza any an-toerana izay mibilaogy amin'ny anarana hoe Dieu Cay raha niezaka nandamina ireo bilaogera tao an-toerana [9] izy mba hanaraka ny fandalovan'ny afo.

recovered.jpg [10]

Tontolo iray, feo iray?

Nilaza ny olona sasany fa nitranga ny fisamborana an'i Nguyen raha nanery ny manampahefana Vietnamiana ny manampahefana Shinoa mba hitazonana ny dian'ny afo masina ao Beijing hirindra araka izay tratra, tanjona izay toa hita fa mitaky ny zava-drehetra avy amin'ny fandrahonana ho faty [11] ka hatramin'ny fahavononana hitifitra hamono [12].

Niantso ny governemanta Vietnamiana ny RSF mba hanafaka ireo gadra rehetra noho ny fanehoan-kevitra, maro tamin'izy ireo no efa nibilaogy [11] , talohan'ny nahatongavan'ny afo Olaimpika tamin'ny 29 Aprily:

Bloc 8406 members Huynh Nguyen Dao, Le Nguyen Sang and Nguyen Bac Truyen have been sentenced to jail terms of three, four and two years respectively on charges of “propaganda hostile to the government” in what they posted online.

Nogadraina telo taona sy efa-taona, ary roa taona noho ny fiampangana tamin'ny “fanentanana mahery setra manohitra ny governemanta” tao amin'ny lahatsoratra navoakany an-tserasera.ry Huynh Nguyen Dao mpikambana ao amin'ny Bloc 8406, Le Nguyen Sang sy Nguyen Bac Truyen

dieucay.jpg [13]

Tao amin'ny lahatsarin'i Dieu [14] iray izay hita tao amin'ny YouTube dia toa mandre ny andiam-behivavy mitaraina izy; nahitana olona iray nifandona sy nentin'ny polisy ny lahatsary iray hafa izay ampahany amin'ny navoakany tamin'ny faran'ny ririnina, teo amin'ny manodidina teo moa i Dieu sy ny namany no naka sary izany zava-nitranga izany: