Shina: Ny aterineto ho toy ny kianjan'ny ady ideolojika

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanao tatitra momba ny valan-dresaka an-tserasera amin'ny fampiharana ny lalàna nasionaly tamin'ny 4 Janoary 2010 ny Xinhua News Agency Outlook Weekly. Nitatitra ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka nandritra ny valan-dresaka fa hanamafy ny fanaraha-maso ny Aterineto ny polisy.

Araka ny tatitra, sady hametraka ny loharanom-baovao ary hanitatra ny fahefan'ny polisy hanara-maso ny Aterineto any amin'ny faritra (fa tsy ny tanàndehibe sy ny faritany ihany) ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka. Hanara-maso akaiky ireo vondrona QQ sy ny famahanana bilaogy madinika mba hisorohana ny fiketrehana heloka bevava ihany koa izy ireo ankoatra ny fanaraha-maso ny sehatra fifanakalozan-kevitra, ny bilaogy ary ny tranonkala .

Nanamafy ihany koa ny tatitra ofisialy fa sady mahita ny aterineto ho teknolojia vaovao/media vaovao ny governemanta Shinoa, no mahita azy ihany koa ho sehatry ny ady ideolojika. Ny dingana manaraka amin'ny fanaraha-maso ny aterineto dia amin'ny alalan'ireo fitsipika ara-dalàna, ara-pitantanana, ara-toekarena ary ara-teknolojika hikendrena ireo orinasan'ny Fifandraisandavitra, ny mpamatsy tolotra aterineto ary ny mpanjifa mpisera.

Natao tamin'ny 18 Desambra 2009 ny valan-dresaka an-tserasera nasionaly ary nanatrika ny fivoriana ny antoko politika sy ny manampahefanan'ny governemanta avy amin'ny ambaratonga rehetra, nanomboka hatrany amin'ny faritra. Midika ho fanaraha-maso ny  fifandraisana avy eny amin'ny ambaratonga ifotony ny fanitarana ny fanaraha-maso ny aterineto/finday any amin'ny faritra. Ary natao hanamafisana ny fanaraha-maso ideolojika ihany koa izany ankoatra ny fisorohana ny heloka bevava.

Tatitra mifandraika aminy amin'ny teny Shinoa avy amin'ny RFI

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.