- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordania: Mpanao sariitatra politika mamazivazy ireo afisim-pifidianana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Fifidianana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2010)

Manohy mifantoka amin'ny fifidianana parlemantera amin'ny 9 Novambra ny lahatsoratr'ireo mpanoratra Jordaniana ao amin'ny media sosialy, ka mitodika amin'ireo afisim-pifidianana manerana ny firenena, ary indrindra indrindra ao an-drenivohitra Amman. Mpisera Twitter iray, Mayousef, namazivazy ny 25 Oktobra [1],

since the parliaments candidates have nothing but their pictures to offer, I DECIDED TO VOTE FOR THE PHOTOGRAPHER ..

Satria tsy manana afa-tsy ny sarin'izy ireo ho atolotra ireo kandidà parlemantera, dia TAPA-KEVITRA HIFIDY NY MPAKA SARY AHO.

Saingy tsy avy amin'ireo bilaogera sy mpisera Twitter irery intsony ny fanehoan-kevitra amin'ireo afisy. Nanatevin-daharana izany ilay mpanao sariitatra politika Jordaniana.
Mampiseho sariitatra maromaro maneso ireo afisim-pifidianana Jordaniana i 3la Rasi. Mampiseho olo-malaza amin'ny sarimiaina ireo andiana afisy [2]
ireo, ahitana fanazavana hoe “Teny filamatra Fifidianana” sy afisy mivaky hoe “Ny tarehintsoratra A dia ho an'i Arnab (bitro),” “Ny tarehintsoratra B dia ho an'i Bandura (voatabia),” ary “Ny tarehintsoratra T dia ho an'i Toot (ambioka). ” Iray hafa [3] mampiseho afisy roa, ny voalohany ahitana lehilahy anaty lava-bato ary ny faharoa ahitana an'i George Clooney mitondra ny lohateny hoe, “Talohan'ny Photoshop,” sy “Taorian'ny Photoshop.”

..