Maro zava-mampanahy amin'ny lalàna Indiana misahana ny vaovao Ara-teknolojia nivoaka taona 2011

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny mey 2011)

sarin'i penn-olson.com

Manaraka ny dian'i Shina ve i India eo amin'ny lafiny votoatin-tambajotra foronin'ireo mpisera? Maro no hamaly eny, noho ny famoahana ireo fitsipika ara-teknolojia amin'ny fampahalalam-baovao nivoaka taona 2011.

Taterin'ny The Economic Times ho ireto avy ireo lalàna:

“…evoking the ire of internet community in India and chiefly from the largest search engine firm Google, which calls the rules as censorship of internet in the country.”

The new set of rules will impact all internet firms which accept user-generated content such as Google, Microsoft, Rediff, Indiatimes, Yahoo, Facebook , among others. The new rules are set to regulate reader's comments on articles, user-posted videos, blogs, photos and comments on wall posts on online social networks.”

…famoahana ny hatezeran'ny vondrom-piarahamonina Aterineto ao India ary voalohany amin'izany ny orinasa lehibe indrindra amin'ny milina fikarohana Google, izay miantso ireo fitsipiky ny sivana amin'ny aterineto ao amin'ny firenena.

Hiantraika any amin'ny orinasan'ny aterineto manontolo izay manaiky ny votoaty avy amin'ny mpisera toy ny Google, Microsoft, Rediff, Indiatimes, Yahoo, Facebook, ary ireo maro ny andiam-pitsipika vaovao. Napetraka ny fitsipika vaovao hametraka ho ao anaty lalàna ireo fanehoan-kevitry ny mpamaky amin'ireo lahatsoratra, ireo lahatsary alefan'ireo mpisera, ireo blaogy, ireo sary sy ireo fanehoan-kevitra amin'ny rindrin'ny tambajotra sosiay an-tserasera.”

Milaza i Ratri Adityarani ao amin'ny blaogy teknolojika Penn Olson fa ny lalàna dia

“..states that websites shall inform users not to publish any material that is “blasphemous, would incite hatred, is ethnically objectionable, would infringe on patents, or threaten India’s unity or public order.”    

manambara fa ireo vohikala dia tokony hampahafantatra amin'ireo mpisera ny tsy tokony hamoahana votoatiny “maniratsira, mitondra fankahalana, mampisy korontana ara-poko, manitsakitsaka ny fahazoan-dalana na mandrahona ny firaisan-kina na ny filaminam-bahoaka ao India”.

Dingana iray mandrisika ny fanivanan-tena ny fanerena ireo vohikala hanaraha-maso ireo votoaty navoakan'ny mpisera. Malalaka amin'ireo karazam-pandikanteny ny famaritana izay mandrafitra ny loharano azo anaovana fitoriana. Hanosika ireo mpisera marobe hihemotra ny fanjavozavoana sy ny tahotra fitsarana. Mety hahomby izany amin'ny fisorohana ireo votoatiny sasany nefa mety hanempotra ny fanehoan-kevitry ny mpisera ihany koa.

Na dia heverina ho hafahafa aza ny fiezahan'i India hanara-maso sy hitsikilo votoatiny an-tserasera raha jerena amin'ny indostrian'ny teknolojia vaovao iainkinan'ny ain-dehibe sy ny toerany eo amin'ny tsena iraisam-pirenena amin'ny fihaonan-dalan'ny teknolojia azy, dia manana orinasa izy. Manana akom-pihetsehampo mitovitovy amin'izany ihany koa ny lalàna Nepaley misahana ny fifanakalozana Elektronika nivoaka tamin'ny taona 2005, na dia tsy mitaky mivantana amin'ireo mpandraharahan'ny tranonkala aza izany hanana adidy hanara-maso votoaty.

“Publication of illegal materials in electronic form: (1) If any person publishes or displays any material in the electronic media including computer, internet which are prohibited to publish or display by the law in force or which may be contrary to the public morality or decent behavior or any types of materials which may spread hate or jealousy against anyone or which may jeopardize the harmonious relations subsisting among the peoples of various castes, tribes and communities shall be liable to the punishment with the fine not exceeding one hundred thousand Rupees or with the imprisonment not exceeding five years or with both.”

“Ny famoahana tahirin-kevitra tsy ara-dalàna amin'ny endrika elektronika: (1) Raha misy olona iray mamoaka na mampiseho tahirin-kevitra iray amin'ireo fampitam-baovao elektronika, anisan'izany ny solosaina, ny aterineto izay voarara tsy havoaka na haseho araka ny lalàna manankery na mety mifanohitra amin'ny fisainan'ny daholobe na izay endrika tahirin-kevitra mety hampiely fankahalàna na fialonana na iza na iza, na mety hanohintohina ny fifandraisana mirindra tsara eo amin'ireo vahoaka samihafa razana, foko sy vondrom-piarahamonina dia mendrika iharan'ny sazy tsy mihoatra ny zato tapitrisa ropia na fanagadrana tsy mihoatra ny dimy taona, na ireo sazy roa voatonona ireo.”

Naneho hevitra i Gaurav Sharma mikasika ireo fitsipika vaovao sy ireo trangan-tsivana mihatra amin'ireo blaogy ao India. Tsinjo fa ny fanapahan-kevitr'i India hanatanteraka karazana fanaraha-maso votoaty avoakan'ny mpisera amin'ny tambajotra dia mifototra kokoa amin'ny tahotra ny tsy-fantatra goavana. Raha manahy tena mafy amin'ny votoaty an-tserasera ny governemanta sy ny fiantraikany eo amin'ny fiarovam-pirenena sy ireo fahazoan-dalana (‘brevets’) ara-pihariana, dia tokony nametraka fanaovan-dalàna ara-piarovana an-tserasera mifandraika amin'ny zavamisy fa tsy hiankona amin'ny mpandraharahan'ny vohikala hanaramaso votoaty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.