- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miara-miasa amin'ny Google ny Global Voices amin'ny lokan'ny fahalalaham-pitenenana  

Sokajy: Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Natao ny 29 Desambra 2009 ny fanendrena ho an'ny Loka Breaking Borders [1] , loka vaovao nokarakarain'ny Google [2] sy ny Global Voices [3] ho fanomezam-boninahitra ireo tetikasan'ny tranonkala miavaka ataon'ny olon-tsotra na vondrona izay mampiseho herimpo, fahavitrihana ary hakingana amin'ny fampiasana ny aterineto mba hampiroboroboana ny fahalalaham-pitenenana. Anisan'ny nanohana ny loka ihany koa ny Thomson Reuters [4].

Ny Loka Breaking Borders dia miorina amin'ny soatoavina hita ao amin'ny Global Voices Manifesto , ilay antontan-taratasy niara-nosoratana tamin'ny wiki tamin'ny taona 2004 mba hanoritsoritana ireo fitsipika fitarihana ny fikambanana sy ny vondrom-piarahamonina izay fantatra amin'ny anarana hoe Global Voices. Toy izao ny teny fampidirana ao amin'ity Manifesto ity:

“We believe in free speech: in protecting the right to speak — and the right to listen. We believe in universal access to the tools of speech.

To that end, we seek to enable everyone who wants to speak to have the means to speak — and everyone who wants to hear that speech, the means to listen to it.”

“Mino ny fahalalahana miteny izahay : amin'ny fiarovana ny zo hiteny – ary ny zo hihaino. Mino ny fahafahan'ny rehetra hiditra amin'ny fitaovam-pitenenana izahay.

Mba hanatanterahana izany dia mikatsaka izahay mba ahafahan'ny tsirairay izay maniry ny hiteny mba hanana fitaovana hitenenana – sy izay rehetra mikasa ny handre izany lahateny izany, mba hananana ny fitaovana hihainoana izany. “

Mifameno amin'ny asan'ny Global Voices Advocacy izay natsangana ny volana Febroary 2007 ihany koa ny Loka Breaking Borders mba hisarihana ny saina amin'ny hetsiky ny fikambanana mifandraika amin'ny fahalalaham-pitenenana.

Nisokatra ho an'ny olona avy amin'ny firenena rehetra ny Loka Breaking Borders. Ny manam-pahaizana avy amin'ny sehatry ny fahalalaham-pitenenana no nifantina ny mpandresy. Nomena lelavola mitentina  10.000 $ ny sehatra telo:

1. Fanandrata-teny, nomena ny mpikatroka na vondrona izay nampiasa fitaovana an-tserasera mba hampiroboroboana ny fahalalaham-pitenenana na handrisihana ny fanovana politika

2. Teknôlôjia , nomena ny olona iray na vondrona izay namorona ny fitaovana manan-danja mba ahafahana mampihatra ny fahalalaham-pitenenana sy manitatra ny fahazoana vaovao

3. Politika , nomena ny mpanao politika, tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta na ny mpitarika ONG izay nandray anjara mavitrika teo amin'ny sehatra

Tao amin'ny http://www.breakingborders.net [1] no natao ny fisoratana anarana hifaninanana amin'ny Loka Breaking Borders ary nifarana ny 15 Febroary 2010.