Egypta: Nekena tamin'ny fomba ofisialy ny fanaraha-maso ny mailaka

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Na dia liana kokoa momba ny politikan'ny governemanta Egyptiana tamin'ny famerana ireo andian-tafika nalefa tany Gaza aza ny fampitam-baovao tao an-toerana sy iraisam-pirenena, dia tsy misy vaovao firy momba ny fanaraha-maso nataon'ny governemanta Egyptiana an'ireo mpikamban'ny andian-tafika. Nanambara ny manampahefana misahana ny raharaham-bahiny fa harahi-maso ny fifandraisana amin'ny alàlan'ny mailaka eo amin'ireo mpikambana ao amin'ny andian-tafika.

Tao anatin'ny antsafa an-telefônina izay nalefa tao amin'ny Orbit TV antsoina hoe Al-Qahera Al-Youm [Kairo Anio] dia nilaza ny ambasadaoro Hossam Zaki, ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Egyptiana, rehefa nanazava ny anjara andraikitr'i Egypta any amin'ny faritra afovoany atsinanana sy ny politikany manoloana ny fandefasana andian-tafika mankany Gaza hoe: “Harahi-maso ny ao anaty mailaka hifandefasan'izy ireo (mpikambana ao amin'ny andian-tafika mandeha)” mba hanangonana vaovao momba ny paikan'ireo nalefa ho iraka:

Zava-dehibe ny manasongadina ny filazan'i Zaki amin'ny maha-mpitondratenin'ny governemanta Egyptiana azy na dia tsy niresaka momba ny sivana amin'ny aterineto aza ny fandaharan'ny fahitalavitra. Nanamafy izany fa manara-maso akaiky sy manivana ny fifandraisana amin'ny aterineto eo amin'ireo mpisera ny governemanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.