- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vaovao farany momba an'i Hoder

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nisy tranonkala [1] sy bilaogy [2] nanoratra tao anatin'ny andro vitsivitsy fa nosamborina i Hossein Derakhshan, Hoder [3]. Nilaza zavatra roa hanaporofoana izany tamin'ny filazana toy izao izy rehetra ireo: ny tatitra avy amin'ny tranokalam-baovao Iraniana Jahan News [4] sy ny zava-misy fa tsy nanavao ny bilaoginy [3] nandritra ny 2 herinandro i Hoder.

Nosamborina tany Iran i Hossein Derakhshan, Hoder araka ny tranonkala Jahan News [4] ao Iran. Araka io tranonkala io ihany, i Derakhshan izay nankany Israely [5] talohan'izay dia niaiky momba ny fitsikilovana an'io firenena io [6] . Tsy loharanom-baovao azo antoka anefa ny tranokalam-baovao Jahan. Tsy hahita ianao tranonkala matotra na sampam-baovao matanjaka izay milaza ny vaovao hitanao ao.

Navoakan'ny Irna, tranonkala ofisialin'ny Repoblika Islamika [7] ny karazana fanambarana avy amin'i Hossein D. mikasika ireo mpanao gazety reformista any an-tsesitany. Ho hitanao eto ny fandikan-teny momba izany.

Nanoratra ny tokony hanohanana [8] azy ny bilaogera sasany raha toa ka any am-ponja izy na dia eo aza ny zava-misy fa nanohana ny governemanta Islamika foana izy tamin'ny ankapobeny.

Mihevitra aho fa teoria fotsiny ihany ny fisamborana azy.

Dikantenin'ny famoaham-baovao iray nivoaka tamin'ny 17 Novambra 2008 ity manaraka ity izay navoakan'ny tranonkala ofisialin'ny Repoblika Islamika, Irna [7]:

The latest state of “the deceived fugitives” according to Hossein D., one of the people misled by the reformist movement, who had escaped Iran many years ago and used to write against the Iranian peoples’ scared beliefs, has recently stated:

As of three years ago, many of my friends who were involved in the reformist press as writers and journalists were encouraged to leave the country , and write against the Velyate Faqih, the Hidden Imam, and lack of freedom in Iran, in exchange for financial guarantees[deceived by financial incentives].

Now, they live under the worst financial conditions. According to Hossein D. many of these “misled people” use tranquilising drugs, and some of them have attempted suicide once or twice.

He also added that with the exception of two or three people that I do not know how their living is provided for, the rest of them are forced to work as barbers, drivers, and restaurant servers, and it is interesting that [they do write] in the anti-Iranian web sites with their posted photos against the IRI and Ahmadi-nejad and receive money for what they write.

He stressed that the Westerners kept asking us to always work against a few things: Velayate Faqih, belief in the Hidden Imam, and fundamentalists (Principlists). And if people do not write what the Westerners want, they say try to blackmail them by threatening that if do you do not write what we want we will publishh the evidence that we [Westerners] have against you.

Some of my friends live in very bad financial and psychological conditions and may even wish their own death all the time.

 

Nilaza ny fanambarana farany nataon'ireo olona “nitsoaka nofitahina” izay notaterin'i Hossein D., iray amin'ireo olona nofitahin'ny hetsika reformista, izay nandositra an'i Iran taona maro lasa izay, ary nanoratra ho fanoherana ny finoana mampatahotra an'ireo Iraniana hoe:

Efa telo taona lasa izay, maro tamin'ireo namako nandray anjara tamin'ny gazety reformista ho mpanoratra sy mpanao gazety no norisihana handao ny firenena ary hanoratra hamely ny Velyate Faqih, ny Imam Nafenina, ary ny tsy fisian'ny fahalalahana ao Iran, ary nomena vola ho antoka [nofitahina tamin'ny fanomezana vola].

Ankehitriny, miaina ao anatin'ny olana ara-bola ratsy indrindra izy ireo. Araka an'i Hossein D. maro tamin'ireo “olona nofitahina” ireo no nampiasa fanafody mampitony, ary efa nanandrana namono tena indray mandeha na indroa ny sasany tamin'izy ireo .

Nampiany ihany koa fa ankoatra ny olona roa na telo izay tsy fantany ny fiveloman'izy ireo, ny ambiny dia noterena hiasa ho mpanety, mpamily ary mpandroso sakafo, ary mahaliana fa [manoratra ] ao amin'ny tranonkala manohitra ny Iraniana izy ireo miaraka amin'ny sariny manohitra ny IRI sy Ahmadinejad ary mandray vola amin'ny zavatra soratany.

Noantitrateriny fa nanohy nangataka azy ireo hiasa foana manohitra ny zavatra vitsivitsy ireo Tandrefana : ny Velayate Faqih, ny finoana ny Imam nafenina, ary ny fondamentalista. Ary miteny izy ireo rehefa tsy manoratra izay tadiavin'ny Tandrefana ny olona ​​hoe rahony sy hangalao vola izy ireo ary hampitahory fa hamoaka ny porofo izahay [Tandrefana] hanenjehana anareo raha tsy manoratra izay tadiavinay ianareo.

Miaina amin'ny olana goavana ara-bola sy ara-tsaina ny sasany amin'ireo namako ary mety maniry ny hahafatesany mihitsy aza matetika.