- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Tsy raboto izahay!’ Fihetsiketsehana ao Berlin manohitra ny fitsipiky ny Vondrona Eoropeana momba ny sivana amin'ny fampidirana votoaty antserasera

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Alemaina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Fihetsiketsehana 2 martsa 2019 tany Berlin manohitra ny andininy faha-13 ao amin'ny Toro-lalana Vaovaon'ny vondrona Eoropeana momba ny Zon'ny mpamorona. Sary avy amin'i Tim Lüddemann, (CC BY-NC-SA 2.0.) 

Olona 5.000 teo ho eo no nivory tao Berlin tamin'ny 2 martsa mba hanohitra ny fitsipiky ny Vondrona Eorpeana mifehy ny zon'ny mpamorona  izay mety hanova tanteraka ny fahavitrihana amin'ny fandefasana sy fizarana votoaty an-tserasera.

Ankoatra ireo fepetra hafa, ny Andininy faha-13 ao amin'ny volavolan-dalànan'ny Vondrona Eorpeana momba ny Zon'ny mpamorona dia mitaky amin'ireo sehatra aterineto toy ny YouTube mba hametraka “sivana” – rafitra teknika izay hanakana ny mpiserasera tsy hampiditra votoaty voaaron'ny zon'ny mpamorona, ary mametraka rafitra “sivana mialoha” amin'ireo tranonkala aterineto sy ireo sehatra media sosialy lehibe.

Anisan'ireo andianà famoriam-bahoaka manampy ireo hetsi-panoherana manerana ny Vondrona Eoropeana amin'ny 23 Martsa ny fihetsiketsehana, hoy ny netzpolitik.org. [2]

Nanasongadina ny toetr'andro mangatsiaka ireo mpanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra Alemana ary nanao diabe niainga tao Axel Springer, minisiteran'ny fitsarana teo aloha ary nankao amin'ny vavahadin'i Brandenburg. Raha nanantena mpanao fihetsiketsehana dimanjato ireo mpikarakara tany am-boalohany, dia nanombatombana izy ireo fa mihoatra avo 10 heny noho izany ireo olona tonga hitaky ny fiarovana ny fahalalahan'ny aterineto.

Fihetsiketsehana manohitra ny fanavaozana ny zon'ny mpamorona amin'ny aterineto ao Berlin. #Uploadfilter

Ny alliance “Berlin gegen 13″ [6] (Berlin manohitra ny [lahatsoratra] 13) no nikarakara ny hetsi-panoherana tao Berlin, izay ahitana fikambanana fiarahamonim-pirenena  [7]mampiroborobo ny zo nomerika sy ny fahalalahan'ny media, vondrona tsy ofisialy, ary antoko politika manohitra ity lafin'ny Toro-lalana ity.

Araka ny voalazan'ny tambajotran-tserasera momba ny zo an'aterineto,  European Digital Rights (EDRi),  vokatry ny fifanakalozan-dresaka mihidy varavarana  [8]nifanaovan'ny ekipan'ny fifampiraharahana ao amin'ny parlemanta Eoropeana, ny Firenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ary ny Vaomiera Eoropeana tamin'ny volana febroary ny andininy faha-13. Nomanin'i Frantsa sy Alemaina [9], ho atao latsa-bato amin'ny volana martsa ka hatramin'ny volana aprily ao amin'ny Parlemanta Eoropeana ny volavolan-dalàna ary mety ho lasa lalàna tsy ho ela.

Naneho ny ahiahiny ny EDRi fa mety hitarika ho amin'ny famerana tsy ara-dalàna ny fahalalaham-pitenenana sy hampihenana ny fahazoana fahalalana ity tolo-dalàna ity. Diego Naranjo, Mpanolotsaina ara-politika ao amin'ny EDRi naneho hevitra hoe:

The secret discussions have ended with the worst version of the “Censorship machine” we have seen so far. Citizens need to react, once again, to prevent these upload filters that threaten our freedom of expression from becoming reality.

Niafara tamin'ny endrika ratsy indrindra amin'ny “milina sivana” izay hitantsika hatreto ny fifanakalozan-kevitra miafina. Mila maneho hevitra ny olom-pirenena, mba hisorohana ireo fanivanana fampidirana votoaty izay mandrahona ny fahalalaham-pitenenantsika tsy ho lasa zava-misy.

Ny hetsi-panoherana tao Berlin no famoriam-bahoaka ivelan'ny aterineto nataon'ny olona manohitra ny andininy faha-13. Nahasarika olom-pirenena an'arivony ihany koa ny fihetsiketsehana tao Cologne tamin'ny 16 Febroary [10] sy 23 Febroary 23 [11].

Tamin'ny kabariny [12] nandritra ny hetsi-panoherana tao Berlin, nilaza i Markus Beckedahl, mpanorina sady lehiben'ny famoahan-dahatsoratra ao amin'ny tranonkala fikatrohana media, netzpolitik.org hoe: “Tsy manohitra ny copyright izahay. Saingy manohitra ny sivana ankaterena amin'ny fampidirana votoaty!”

Nitondra sora-baventy maroloko ireo mpanao fihetsiketsehana, izay mivaky hoe “Tsy roboto izahay”, “Sivana Diesel fa tsy sivana fampidirana votoaty”, “Arovy ny aterineto” ary nihiaka ny tononkiran'ny hira “Wir sind keine bots” (Tsy roboto izahay) nataon'ilay mpisera YouTube Willboy manokana ho fanoherana ny andininy faha-13:

#SaveYourInternet [13] #Berlingegen13 [14] #artikel13 [15] tsy bots izahay 😉

Navoaka ny Zoma ilay hira, andro omalin'ny fihetsiketsehana, ary nanjary malaza be satria efa ho antsasa-tapitrisa mahery no nijery izany tao anatin'ny andro vitsy monja.

Nampitandrina i Julia Reda, mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana ho an'ny Antoko Piraty Eoropeana fa niezaka hanatanteraka ny latsa-bato mialoha ireo hetsi-panoherana goavana hotontosaina amin'ny 23 martsa amin'ny alalan'ny hetsiky ny mpikatroka #SaveYourInternet [18]ny antokom-bahoaka afovoany-ankavanana Eoropeanina, izay manana ny maro an'isa ao amin'ny Parlemanta Eoropeana.

Vaovao mafana: Te hifidy ny #Article13 [21] ny @ManfredWeber [19] sy ny @EPPGroup [20] ary nampandrosoana amin'ny herinandro ho avy ny latsa-bato amin’ ny Toro-lalana momba ny Zon'ny mpamorona mba hialoha ny fihetsiketsehana #SaveYourInternet [13]/#StopACTA2 [22]! Mila ny tabataban'ny vahoaka izahay mba hanakanana izany! pic.twitter.com/6XQSWNbgpa [23]

Na ankatoavina na tsia ny toro-lalana momba ny zon'ny mpamorona, dia hanana ady bebe kokoa ao anatin'ny fotoana fohy ireo mpiaro ny zo nomerika, raha mikasika ny tolo-kevitra politika mitady vahaolana ara-teknika mandeha ho azy ho an'ireo fanamby amin'ny votoaty antserasera. Nanolotra vahaolana mitovy amin'izany ny Vaomiera Eoropeana misahana ny fitantanana ny “votoaty mpampihorohoro” antserasera, izay manery ireo sehatra antserasera [25] hanomboka hampiasa fitaovana mandeha ho azy mba “hamantarana, hahitana sy hanesorana na hanakanana haingana ny fidirana amin'ny votoaty mpampihorohoro.”

Tamin'ny valan-dresaka ho an'ny daholobe [26] tamin'ny volana janoary, naneho ahiahy lalina momba ny politika miditra amin'ny sivana mialoha i Evelyn Austin avy ao amin'ny fikambanana zo nomerika ao Holandy, Bits of Freedom:

We see as inevitable a situation in which there is a filter for copyrighted content, a filter for allegedly terrorist content, a filter for possibly sexually explicit content, one for suspected hate speech and so on, creating a digital information ecosystem in which everything we say, even everything we try to say, is monitored.

Hitantsika fa tsy azo ihodivirana ny toe-javatra izay ahitana sivana ho an'ny votoaty efa misy copyright, sivam-botoaty voalaza fa mpampihorohoro, sivana amin'ny votoaty mampiharihary ny votoaty ara-nofo, sivana amin'ny kabarim-pankahalàna ahiahiana sy ny sisa, ka miteraka tontolom-baovao nomerika izay arahamaso avokoa izay rehetra lazaintsika, na izay zavatra ezahintsika lazaina