Mahazo fikarakarana manokana VIP ao amin'ny Instagram ny saka mirenireny Japoney 

cats in japan

Tempolin'ny saka ao Amanohashidate, Japana. Saripikan'i Nevin Thompson.

Raha toa ka mitady toerana vaovao ahitana ny saka ao amin'ny Aterineto ianao dia jereo ny “Lalankelin'nySaka ao Japana” (Roji-ura Nyankichi, 路地裏のにゃん吉), kaonty Instagram iray ahitana mpanjohy maherin'ny 100.000.

Minamana amin'ny saka ilay mpaka sary tsy mitonona anarana ary naka pikantsarin'ny saka mirenireny an'arivony avy any amin'ny toerana tsy fantatra any Japana.

Happy New Year! We're living in 2019!

Arahaba nahatratra ny taona! Velona taona 2019 isika!

Azo sary amin'ny endrika isan-karazany ireo saka. Toa miaina na mihantona any ambanin'ny tany, mitsotra ao anaty velarana asfalta manirery ny sasany .

Alright, alright I'll get the street cleaned up real quick.

Marina izany, marina izany, hodioviko haingana ny làlana .

Mahazatra ny mahita saka mirenireny  manerana an'i Japana. Manana biby fiompy ny 35 isanjaton'ny tokantrano ary maro amin'izy ireo no miaina amin'ny fiainana mihaja toy ny fianakaviana ampihantaina ao an-trano, ary handanian'ny Japoney vola mitentina 3,8 arivo lavitrisa yen (3,8  lavitrisa dolara Amerikana) isan-taona mba hiompiana azy ireo ho sambatra.

Na dia malaza any Japana aza ny biby fiompy dia maro ny olona no mividy saka nefa tsy mahatakatra ny mety ho vokatry ny fiompiana biby fiompy. Mety hanary ilay biby izy ireo rehefa mahita ny hoe toy ny ahoana ny manana saka leo, efa lehibe, ary efa matotra ara-pananahana. Mety hariana ihany koa ilay biby fiompy nankafizina hatramin'izay rehefa maty na nafindra trano ilay zokiolona niompy azy.

Saka viritoaly maro mirenireny manerana ny firenena no vokatr'izany. Mahazo hatsaram-panahy, sakafo ary fikarakarana avy amin'ny olona tahaka ity mpanjohy Instagram ity ny sasany .

Thanks to 2018! […] I hope everyone has a great 2019.

Misaotra anao ry 2018! […] Manantena aho fa ho tsara ho an'ny rehetra ny taona 2019 .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.