- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela: Voalaza fa nanakana tranonkalam-baovao ny mpamatsy tolotra aterineton'ny fanjakana

Sokajy: Venezoela, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2012)

Tamin'ny 17 Mey, nitatitra tamin'ny alalan'ny Twitter ireo mpiserasera Venezoeliana fa mety ny mpamatsy tolotra aterineto an'ny fanjakana, Cantv.net no nanakana ny tranonkalam-baovao La Patilla [1].

La Patilla” tsy mandeha ity tranonkala ity”. Fanakanana? Inona no mitranga? Inona ireo tsahon'ny fanakanana?
Nanakana tranonkala toy ny La Patilla ny Cantv, afaka mitatitra izany sy izay fanakanana hafa ao amin'ity tranonkala ity ianao.

“La Patilla” dia tranonkala endrika bilaogy natokana ho an'ny vaovao amin'ny ankapobeny, ny fandraharahana sy ny fialam-boly ary i Alberto Ravell, mpanao gazety sady mpiara-mpanorina ny fantsom-baovaon'ny mpanohitra, Globovisión no tompony.
Voalaza fa misy ifandraisany amin'ny famoahan'ny tranonkala lahatsary [6] [es] sy fandefasana mivantana ny tao amin'ny fonjan'ny Planta ny fanakanana, fonja izay nisian'ny fifandonana teo amin'ireo gadra sy ny polisy tao anatin'izay andro vitsy lasa izay, ary zara raha taterin'ny fampitam-baovao ofisialy.

Fanakanana tanteraka ny La Planta. Nakaton'izy ireo ny La Patilla ka tsy azo jerena ny Ustream ary avy eo notapahan'izy ireo ny herinaratra ka tsy afaka naely izany.
Mihevitra ireo adala ao amin'ny Cantv fa hamaha ny krizin'ny La Planta amin'ny alalan'ny fanakanana ny tranonkalan'ny La Patilla.

Araka ny filazan'ireo mpiserasera, dia azo idirana amin'ny alalan'ny mpamatsy tolotra aterineto hafa sy amin'ny alalan'ny fampiasana proxies ny tranonkala. Namoaka lahatsoratra [9] [es] mihitsy aza ity tranonkala ity izay nilazany fa nanova ny IPn'ny tranonkala izy ireo taorian'ny fitarainana, ary nosakanana ihany koa ity IP faharoa ity dimy ambinifolo minitra taty aoriana. Voalaza fa nifandray tamin'ny Cantv.net izy ireo izay nilaza fa:

Como medio de comunicación procedemos de manera formal a notificarles la situación. De no recibir respuesta procederemos a hacer una denuncia formal de la situación.

Amin'ny maha fampitam-baovao, mampahafantatra anao amin'ny fomba ofisialy ny toe-javatra izahay. Raha tsy mahazo valiny izahay, dia hiditra amin'ny fametrahana fitoriana ofisialy mikasika ny toe-draharaha.

Tsy vao sambany ny Cantv no voampanga ho manakatona tranonkala. Tamin'ny tranga teo aloha, nitatitra olana amin'ny fidirana ao amin'ny Blogger [10] sy Wordpress [11], ankoatra ireo tranonkala hafa  [12]ny mpiserasera.