(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2012)
Tamin'ny 17 Mey, nitatitra tamin'ny alalan'ny Twitter ireo mpiserasera Venezoeliana fa mety ny mpamatsy tolotra aterineto an'ny fanjakana, Cantv.net no nanakana ny tranonkalam-baovao La Patilla.
La Patilla “Esta página web no está disponible” @la_patilla Que esta sucediendo?? Que Rumores son esos de Bloqueo??
— Angélica(@Angelical26) mayo 17, 2012
Cantv está bloqueando algunos sitios web como @la_patilla, pueden reportar este y otros bloqueos en este sitio ow.ly/aZbLo
— Carlos Correa (@ccorreab) mayo 17, 2012
“La Patilla” dia tranonkala endrika bilaogy natokana ho an'ny vaovao amin'ny ankapobeny, ny fandraharahana sy ny fialam-boly ary i Alberto Ravell, mpanao gazety sady mpiara-mpanorina ny fantsom-baovaon'ny mpanohitra, Globovisión no tompony.
Voalaza fa misy ifandraisany amin'ny famoahan'ny tranonkala lahatsary [es] sy fandefasana mivantana ny tao amin'ny fonjan'ny Planta ny fanakanana, fonja izay nisian'ny fifandonana teo amin'ireo gadra sy ny polisy tao anatin'izay andro vitsy lasa izay, ary zara raha taterin'ny fampitam-baovao ofisialy.
Blackout informativo total en La Planta. Tumban @la_patilla para que no se vea el Ustream y después cortan la luz para que no transmita
— Arnaldo Espinoza (@Naldoxx) mayo 17, 2012
Los gafos de Cantv creen que van a resolver la crisis de la Planta bloqueando el portal de La Patilla
— Alonso Moleiro (@amoleiro) mayo 17, 2012
Araka ny filazan'ireo mpiserasera, dia azo idirana amin'ny alalan'ny mpamatsy tolotra aterineto hafa sy amin'ny alalan'ny fampiasana proxies ny tranonkala. Namoaka lahatsoratra [es] mihitsy aza ity tranonkala ity izay nilazany fa nanova ny IPn'ny tranonkala izy ireo taorian'ny fitarainana, ary nosakanana ihany koa ity IP faharoa ity dimy ambinifolo minitra taty aoriana. Voalaza fa nifandray tamin'ny Cantv.net izy ireo izay nilaza fa:
Como medio de comunicación procedemos de manera formal a notificarles la situación. De no recibir respuesta procederemos a hacer una denuncia formal de la situación.
Tsy vao sambany ny Cantv no voampanga ho manakatona tranonkala. Tamin'ny tranga teo aloha, nitatitra olana amin'ny fidirana ao amin'ny Blogger sy Wordpress, ankoatra ireo tranonkala hafa ny mpiserasera.