- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Holandy: Firenena voalohany ao Eoropa ahitana tsy fitongilanana antserasera

Sokajy: Holandy, Fitsipika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2012)

Andro iray hankalazaina any Holandy ny 8 May 2012 noho izy lasa firenena voalohany ao Eoropa miaro ny olom-pireneny amin'ny alalan'ny fametrahana ao anaty lalàna ny tsy fitongilanan'ny aterineto.

Nametraka ny fiarovana ny fiainana manokana ho an'ireo mpiserasera manoloana ny fihainoina resaka amin'ny finday sy ny fanapahana aterineto ataon'ireo mpamatsy tolotra aterineto (FAI amin'ny teny Frantsay) i Holandy, ka tsy ho afaka hanapaka ny fifamoivoizan'ny mpiseraera intsony izy ireo raha tsy hoe voaporofo fa ho amin'ny tombontsoam-bahoaka izany.

Mari-pamantarana sy ohatra ho an'ny firenena hafa ao Eorôpa sy manerana izao tontolo izao izany lalàna izany. Araka ny filazan'ny Bits of Freedom, vondrona mpikatroka izay niaro ny fandaniana ny lalàna, tena manan-danja tokoa ho an'ny tsiambaratelon'ny mpiserasera  [1]ireo fehezan-dalàna vaovao ireo.

In addition, the law includes an anti-wiretapping provision, restricting internet providers from using invasive wiretapping technologies, such as deep packet inspection (DPI). They may only do so under limited circumstances, or with explicit consent of the user, which the user may withdraw at any time. The use of DPI gained much attention when KPN admitted that it analysed the traffic of its users to gather information on the use of certain apps. The law allows for wiretapping with a warrant.

Moreover, the law includes a provision ensuring that internet providers can only disconnect their users in a very limited set of circumstances. Internet access is very important for functioning in an information society, and providers currently could on the basis of their terms and conditions disconnect their users for numerous reasons. The provision allows for the disconnection in the case of fraud or when a user doesn’t pay his bills.

Ankoatra izany, ahitana fehezan-dalàna manohitra ny fihainoan-dresaka an-telefônina, mametra ireo mpamatsy aterineto tsy hampiasa teknolojian'ny fanaraha-maso (deep packet inspection – DPI) ny lalàna. Mety afaka manao izany amin'ny toe-javatra voafetra izy ireo, na amin'ny fankatoavana mazava avy amin'ny mpiserasera, izay mety hialan'ny mpiserasera amin'ny fotoana rehetra. Nahasarika ny saina ny fampiasana DPI  rehefa niaiky ny KPN fa nanadihady ny fifamoivoizan'ireo mpiseraserany mba hanangonam-baovao momba ny fampiasana fampiharana sasany. Mamela ny fihainon-dresaka an-telefônina nahazoana didy ara-pitsarana ny lalàna.

Fanampin'izany, ahitana fehezan-dalàna fanomezan-toky ny lalàna fa tsy afaka manapaka ireo mpiseraserany ireo mpamatsy tolotra aterineto raha tsy amin'ny andiana toe-javatra tena voafetra. Tena zava-dehibe ho an'ny fiarahamonin'ny tia manara-baovao ny fahafahana miditra aterineto, ary afaka manapaka ireo mpiserasera amin'ny antony maro samihafa ireo mpamatsy tolotra aterineto ankehitriny raha ny fepetrany fototra no jerena. Mamela ny fanapahana ny aterineto ny fehezan-dalàna raha toa ka misy ny tranga hosoka na tsy mandoa ny saran'ny aterinetony ny mpiserasera!

Tehaka ho an'i Holandy!

Lisansa Creative Commons 3.0 avy amin'i erikwestrum 

*Na dia mbola asa eo am-panatanterahana aza izany, navoakan'ny fikambanana tsy miankina Bits of Freedom ny dikan-teny ankapobeny [2] ny lalàna vaovao.