Fitondram-panjaka tokana ao Bahrain: Fahavalon'ny aterineto

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny mey 2012)

Mihoatra ny herintaona teo ho eo izay, tsaroako izany hoe rahonan'ny mpampiely hevitry ny mpanohana governemanta bahrainita. Mpisera Facebook kisendrasendra eny no nandrahona ahy taorian'ny nanehoako hevitra tao amin'ny sata Facebook an'i Nabeel Al Hamar, mpanolontsainan'ny raharaham-baovao ao amin'ny Mpanjakan'i Bahrain. Tsy monina ao Bahrain aho, ka noho izany, tsy misy afa-misambotra ahy amin'ny fanehoa-kevitro, sioka, na lahatsoratra momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Bahrain. Na izany aza, manahy ny amin'ny namako sy mitovy asa amiko ao Bahrain aho izay mampanahy isan'andro ny ain-dry zareo amin'ny fampiharana ny zo halalaka fitenenana ao amin'ny Facebook na Twitter na fampitam-baovao an-tserasera hafa.

Tamin'ny marsa na avrily, rehefa nambara tao Bahrain ny hamehana, ary tonga hanampy ny tafika Bahrainita ny Ampingan'i Jazeera (fiarahan'ny tafika avy any Arabia Saodita sy ny Emirà Arabo Mitambatra) amin'ny fanafihana ireo mpanao fihetsiketsehana milamina, dia nisy ihany koa ny ady an-tserasera. Nanomboka namoaka ny sarin'ireo mpikatroka hodidinina faribolana menamena manodidina ny tavany ireo mpisera Facebook (na jiolahimboto) mpanohana ny governemanta Bahrainita. Raha tokony hanao famotorana ireo mandrahona sivily ireo ny governemantan'i Bahrain, dia ireo mpikatroka nivoaka sary tao amin'ny Facebook no nosamboriny. Iray amin'ireny i Ayat Al-Qarmizi, poetavavy Bahrainita, izay navotsotra rehefa nampijaliana am-bolana maro sy nokitakitaina tao am-ponja. Nanjavona ny mpikatroka sasany tahaka ilay bilaogeran'i Global Voices Ali Abdulemam, raha nisy namono kosa ny hafa toy ilay olom-pirenena mpanoratra isan'andro Ahmed Ismael.

Mbola tsy izay ny tantara. Tamin'ny herinandro ny manampahefana Bahrainita nisambotra ny Filohan'ny Foiben'ny Zon'Olombelona ao Bahrain, Nabeel Rajab rehefa niverina avy any Libanona tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Bahrain izy. Nilaza ny governemanta Bahrainita fa nosamborina i Rajab noho ny “sioka feno fanompana” nataony. Manasa anareo rehetra aho hitsidika ny pejy Twitter @NABEELRAJAB, ary hikaroka izany porofo “fanompana” izany. Ho an'ny fanjakana mpamoritra tahaka an'i Bahrain, “fanompana ny lalampanorenana” izany hoe mampiasa ny Twitter na media sosialy hafa izany ka mampibaribary ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona.

Mampalahelo mampitokelaka anefa ny ilazana an'i Manama ho “renivohitry ny kolontsaina arabo,” nefa io no toerana hamonoana, hisamborana ary hakana an-keriny ireo mpikatroka an-tserasera.  Manantena aho fa tsy hohverin'ny fitondram-panjaka tokana bahrainita ho “feno fanompana” ny lahatsoratra bilaogiko na ny siokako ao amin'ny @YusurAlBahrani.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.