Noraràn'ny manampahefana Rosiana ny famokarana teatira ho an'ny tanora noho ny fampiroboroboana ny ‘fifandraisana ara-pianakaviana tsy nentim-paharazana’

Teo anoloan'ny masoivoho Rosiana any Helsinki, Finlande. Tamin'ny 7 Septambra 2013, nisy vondrona mpikatroka nandoko ny arabe fiampitan'ny mpandeha an-tongotra tamin'ny lokon'ny avana mba hanoherana ny tsy fitiavan'ny Rosiana ny LGBT sy ny lalàna , indrindra fa ny fandraràna ny “fanentanana ho an'ny pelaka” // Flickr, Murmur, lisansa CC3.0

Noraràn'ny manampahefana tao Komsomolsk-on-Amur any amin'ny faritra farany atsinanan'i Rosia ny famokarana teatira nataon'ny tanora momba ny fitsarana an-tendrony ny mahalahy sy vavy ary hafa, mitondra ny lohateny hoe “The Pinks and the Blues” (Ny mavokely sy ny Manga).

Nitatitra ny fampahalalam-baovao Rosiana fa nanontanian'ny polisy miady amin'ny fihetsika mahery ny talen'ny tarika, Yulia Tsvetkova, ary nohadihadiana ihany koa ny mpandray anjara tao amin'ny ekipany, izay tanora 13 ka hatramin'ny 15 taona.

Nokasaina hatao ho ampahany amin'ny fetiben'ny teatira ataon'ny mpikatroka antsoina hoe Tsvet Shafrana (Ny Lokon'ny Jaky) ny lalao an-tsehatra izay mifandray amin'ny lohahevitra samihafa toy ny fampijaliana ny kely any an-tsekoly, ny Lohataona tany Prague ary ny lohahevitra manohitra ny ady. Nofoanana ny fetibe, noho ny fandraràna sy ny tsy fahazoana ny toerana hanaovana izany.

Novolavolain'ny ekipan'ny mpikatroka Merak, nahatonga fanaraha-maso henjana avy amin'ireo manampahefana tao an-toerana izay nahita izany ho hetsika mampidi-doza sy mampikorontana noho ny fampiroboroboana ny “fankahalana ny lehilahy sy ny fifandraisana ara-pianakaviana tsy nentim-paharazana” ny The Pinks and the Blues, hoy i Tsvetkova tamin'ny Takie Dela, tranonkalam-baovao iray tsy miankina manao asa fiantrana. Etsy ankilan'izany, nolavina indray ny toerana saika hanaovana ny fetibeny na dia efa nanaiky ny hampiantrano azy ireo aza, ary avy eo indray ny iray hafa roa herinandro taty aoriana. Manambara mazava ho an'i Tsvetkova ireo fanafoanana ireo fa tsy navelan'ny manampahefana ho tontosa ny fetibe.

Mampatsiahy ny namolavolana ny lalàna vao haingana manohitra ny “fanentanana ireo tsy ampy taona amin'ny faha-pelahana” ny “fifandraisana ara-pianakaviana tsy mahazatra”. Nampiasaina manokana hanenjehana ireo vondrona mpiaro ny zon'ny pelaka, ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ary ny fanabeazana ara-pananahana izany tao anatin'izay taona faramparany izay. Ny fiampangana amin'ny fanaovana “fanentanana ho an'ny pelaka” dia mety hisarika ny fifantohana sy ny tsindry avy amin'ny mpanao lalàna ao an-toerana, ny manampahefana misahana ny fiahiana ny ankizy sy ny sekoly ary ny borigadin'ny polisy miady amin'ny fihetsika mahery – toy ny nitranga tamin'ny raharahan'i Tsvetkova.

Nilaza i Yulia Tsvetkova, mpampianatra sady mpikatroka feminista fa nampifanatrehan'ireo polisy nanatrika azy tamin'ny tamin'ny fanontam-pirintin'ny lahatsorany tao amin'ny tambajotra sosialy momba ny fanabeazana ara-pananahana any an-tsekoly, ny feminisma ary ny pelaka izy nandritra ny fanadihadiana natao taminy.

Nolaviny hatrany ny fampisehoana ireo ankizy mpilalao an-tsehatra ny votoaty rehetra hifandraika amin'ny LGBT tamin'ny filazana hoe :

«Розовый и голубой — типичные “женский” и “мужской” цвета, вот и все, — объяснила Юлия.​ — Постановка именно об этом, и название для нее придумал один из актеров, ребенок 11 лет».

Hanehoana manokana ny loko ho an'ny “lahy” sy ny “vavy” ny loko manga sy ny loko mavokely, izay no izy. Izay no votoatin'ilay lalao an-tsehatra, zazalahy kely 11 taona, iray amin'ireo mpilalao no nanome ny anarana.

Nilaza ihany koa i Tsvetkova fa nisy taratasy fitorian'olona azy miisa telo samihafa tsy fantatra anarana tany amin'ny polisy, izay nosoratana tamin'ny fampahatsiahivana ny teny ao amin'ny lalana mandràra ny “fanentanana ny fifandraisana ara-pianakaviana tsy nentim-paharazana.”

Vao haingana i Rosia no nandany andianà lalàna mpandala ny nentin-drazana ara-tsosialy ary voatonona matetika amin'ny lahateny politika sy ny fanambarana ny “soatoavina nentim-paharazana”. Nampiasaina ireo lalàna ireo hanenjehana ireo mpikatroka, ireo tranonkala fanentanana ara-pahasalamana sy ny fampahalalam-baovao an-tserasera, ka niteraka fandoavana lamandy sy fanakanana tranonkala- tsy lazaina intsony ny fandrisihana fankahalana mahery vaika tao amin'ny tambajotra sosialy sy ny endrika hafa amin'ny fanoheran'ny vahoaka.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.