- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Seraserao ny zonao! Zon'olombelona ny zo an-tserasera

Sokajy: Mediam-bahoaka, Fitantanana-aterineto, GV Mpisolovava

(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra 2011 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Avy amin'i Joy Liddicoat [1], Mpandrindra ny tetikasa, Zon'olombelona ny zo aterineto [2], Fikambanana ho an'ny fifandraisana liampandrosoana – Association For Progressive Communications (APC). [3]

(Fanamarihan'ny mpanoratra: Ity no voalohany amin'ireo fandraisana anjara maromaro tato amin'ny GVA nataon'ireo mpandray anjara avy amin'ny fiarahamonim-pirenena amin'ity herinandron'ny Forum ho an'ny Fitantanana ny Aterineto ( [4]Internet Governance Forum [4]-IGF)  [4]ao Nairobi, Kenya ity. Raha mila fanazavana bebe kokoa amin'ny fomba hanarahana sy handraisana anjara an-davitra ao amin'ny IGF dia tsindrio ato [5].)

Ny alina alohan'ny Internet Governance Forum, dia efa ho olona zato no nivory [6] mba hifantoka momba ny fidirana, ny zo, ny fampandrosoana ary ny fankaherezana amin'ny aterineto. Na dia teo aza ny fimaroan'ny feo avy any atsimo manontolo, dia nahagaga ny fitovian'ny olana.

Eva Kaloki avy ao amin'ny Kenyan Human Rights Commission [7] [Vaomieran'ny Zon'olombelona Kenyana] nanipika momba ny fiseraserana ara-drariny ho an'ireo mponina any amin'ny faritra ambanivohitra. Nanantitrantitra ny herin'ny teknôlôjia eo am-pelatanan'ny olona ihany koa izy, ​​araka ny asehon'ny fahaterahan'ny Ushahidi [8], sehatra loharanom-baovao malalaka ho ifarimbonana hanangonam-baovao momba ny herisetra taorian'ny fifidianana tamin'ny taona 2007 tany Kenya.

Bidi Bala avy ao amin'ny Fantsuam [9] ao Nizeria nanasongadina fa raha mbola mitoetra ny olana momba ny fidirana antserasera, indrindra any amin'ny faritra ambanivohitra, dia manome fahafaha-miserasera kokoa noho ny telecentres [10] ny finday GSM [11]. Amin'ny fahazoana miditra, dia misy ny fangatahana fandraisana anjara ara-politika ary miseho ny famantarana fampiasana ny teknojiam-baovao TIC [12] handraketana ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona, ​​izay mitarika amin'ny fisamborana ireo nanitsakitsaka amin'ny tranga sasany .

Any Pakistana, Shahzad Ahmad avy ao amin'ny Bytes for All [13] niresaka momba ny fanakatonana  [14]ny FaceBook, YouTube ary tranonkala fiarahamonim-pirenena nandritra ny adiny telo tamin'ny herinandro lasa. Nanjary niha-nitombo ny fanakatonana tranonkala ataon'ny governemanta.

Avy any India, nitatitra i Anja Kovacs [15] fa mampiasa cybercafe ny ankamaroan'ny olona (indrindra fa ny mahantra), saingy rahonan'ny lalàna vaovao ny fidirana an-tserasera amin'ny alalan'ny fangatahana ny fihazonana ny mombamomba ireo mpiserasera nandritra ny 12 volana, ny kara-panondro, ny sary tamin'ny nidirana hiserasera ary ny fandràrana ireo zaza tsy ampy taona amin'ny fampiasana aterineto tsy misy fanaraha-maso.

Graciela Selaimen avy ao amin'ny Instituto NUPEF [16] any Brezila nanamarika fa mandoa vola avo dimy heny noho ireo mpiserasera ao Paris ny mpisera aterineto Breziliana ao Amazonia rehefa miserasera aterineto.

Steve Song avy ao amin'ny Village Telco [17]  namintina ireo olana momba ny fidirana, ny fampandrosoana ary ny zo ao anatin'ny sokajy roa lehibe: ny fahazoana miditra sy ny fanohizana izany. Nitaky fomba fitantanana aterineto mifototra amin'ny zo ireo mpandray anjara avy amin'ny sehatra tsy miankina, ny governemanta ary ny fiarahamonim-pirenena.

Eto amin'ity sehatra ity, mazava ho azy fa mitodika amin'ny lohahevitra momba ny fitantanana ny aterineto sy ny anjara andraikiny amin'ny dingana andraisan'ny maro anjara ny governemanta (araka ny hita tamin'ny fanambarana vao haingana nataon'i India, Brezila ary Afrika Atsimo [18]). Saingy tsy tokony ho esorina amin'ireo olana atrehin'ny fiarahamonim-pirenena any amin'ny firenena an-dàlam-pandrosoana ny politika mifandraika amin'izany, na koa takonana ahafahan'ny governemanta sy ny hafa manafina ny fitsabahan'izy ireo tsy mitsaha-mitombo eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona sy ny aterineto.

Raha manala ny masontsika tsy hijery fanitsakitsahana ny zon'olombelona ankehitriny isika, dia ho tara loatra raha hiezaka hanemotra azy ireny. Ambonin'ny zava-drehetra, ny atahorana dia mety ho atao anjorom-bala bebe kokoa ny mponina any Kenya, ireo mpampiasa cybercafé any India sy ny fiarahamonim-pirenena manerana izao tontolo izao.

Izany no antony mahatonga ny APC mitaky ny hanaovana ho lohahevitra lehibe ny zon'olombelona amin'ny IGF taona 2012.

Araho ao amin'ny @internetrights [19] ny siokan'i Joy avy amin'ny IGF mandritra ny herinandro. Ho an”ireo sioka avy amin'ny mpandray anjara rehetra, dia araho ny tenirohy #IGF11 [20]ao amin'ny Twitter.

(Sary avy amin'ny APC.org [21])