- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Manivana ireo mpanohana ny Kolontsaina Mena sy Bo Xilai

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2012)

Hatramin'ny nivoahan'ny ny vaovao nandroahana ilay mpitarika teo aloha tao amin'ny ny Antoko Komonista Shinoa tao Chongqing antsoina hoe Bo Xilai [1], nanjary lasibatry ny sivana ireo mpomba an'i Bo sy ireo tranonkala mpanohana azy.

Nitaraina [2] tao amin'ny Sina Weibo, ny 50 center [3] kolontsaina mena na mpaneho hevitra an-tserasera, Sima Nan izay manohana ny fanivanana antserasera an'ireo fanehoan-kevitra “tsaho”, sy manakiana ny governemanta fa noterena hamafa ny maromaro tamin'ireo lahatsorany izy:

Sima Nan's Sina Weibo Profile Picture

昨晚至今,本博主被删了十几条。我知道,我“必须反思”。 我也知道,果断删除我微博内容的同志,一定是从“形势和大局出发”,经过“慎重考虑决定的”。作为有30年以上党龄的老同志,我对党襟怀坦白,却无法实话实说。时被噤声,痛之甚也.。我之痛,超过家宝大哥罹遭谣诼。

Hatry ny halina, lahatsoratra am-polony no voafafa. Fantatro fa tsy maintsy “mandinika” aho, fantatro fa tsy nanao ambanin-javatra ny “sary manontolo” ireo namana izay nanaisotra ny lahatsoratro ary tsy mora ny fanapahan-kevitr'izy ireo. Amin'ny maha-mpikambana tranainy tao amin'ny antoko nandritra ny 30 taona mahery, dia nanaja ny antoko foana aho. Ankehitriny, tsy afaka milaza izay inoako fa marina aho. Voatery mangina aho. Mahatsiaro tena maharary aho. Tena goavana tsy tahaka ny rahalahy jiobao izay notafihan'ny tsaho izany fanaintainana izany.

Ankoatra izany, tsy maintsy nanafoana [4] [zh] ny kabariny ampahibemaso izy:

本人在北京航空航天大学今天晚上的讲座,由于大家可以理解的原因,正式取消。同理,近日在在北京经贸大学的讲座也取消。 昨天录制的司马南60分钟新闻解读,由于本人水平问题,没有讲好,节目冰封。诸位,再见。

Nofoanana ny lahateniko ampahibemaso tao amin'ny Oniversite Aerônaotika sy Astrônaotika ao Beijing. Azonao ny antony. Noho izany antony izany ihany, dia hofoanana ny lahateniko ao amin'ny Oniversite momba ny varotra ao Beijing afaka andro vitsy. Hiato ny fandaharana lahatsary antserasera 60 minitra momba ny fandalinana fampahalalam-baovao, noho ny fahatsapako ratsy ara-politika. Veloma.

Nesorina tao anaty aterineto ireo tranonkala Ankavia maromaro izay mampiroborobo ny eritreritra Maoista. Nametraka filazana ny tranonkala Utopia [5]:

目前服务器正处在维护中,在此期间网站将不能正常访问,给网友造成诸多不便,敬请谅解!

Eo am-pikojakojana ny lohamilinay ka tsy azo idirana. Miala tsiny amin'ny fanelingelenana aterak'izany.

Tsy azo nidirana ihany koa ireo tranonkala hafa izay mampiroborobo ny Maoista na Kolotsaina Mena, tahaka ny Maoflag.net [6] sy redchinacn.com [7].

Misy dikany roa ny fanakatonana ireo tranonkala etsy ambony. 1. Mba hanakanana ireo mpanohana an'i Bo Xilai tsy hanao famoriam-bahoaka ao Chongqing. 2. Fihetsika hanoherana ny sivana amin'ny votoaty miaro an'i Bo Xilai sy ny maodely Chongqing. Raha ny marina dia nanomboka nampiasa ny QQ sy Weibo ireo mpanohana an'i Bo mba hanetsika fanoherana ao Chongqing amin'ny faran'ny herinandro ho avy, etsy ambany ny pikantsary misy ny hafatra:

Hoy ny voalazany:

Special notice
“A million citizen in support of Bo Xilai Secretary in Chongqing. Time: 10am on Sat and Sun. Spot: famous tolling spots such as “liberation monument”, outside city committee and city government.
Who want to promote private property ownership system is traitor.
Who oppose Maoist thought is enemy of the people.
People can stand up against such forces.
Thank you. Please circulate.

Fanamarihana manokana
“Olom-pirenena an-tapitrisany no manohana ny sekretera ao Chongqing, Bo Xilai. Ora: @ 10 ora maraina amin'ny Asabotsy sy Alahady. Toerana: toerana malaza tahaka ny “tsangambaton'ny fahafahana”, tokotanin'ny komitin'ny tanàna sy governemantan'ny tanàna.
Mpamadika izay te-hampiroborobo ny rafitra fananana fahantrana manokana.
Fahavalom-bahoaka izay manohitra ny hevitra Maoista.
Afaka mijoro hanohitra amin'izany hery izany ny olona.
Misaotra. Apariaho azafady.

Mandritra izany, nasehoan'ny tranonkala nasionalista any ampitan-dranomasina “Exposing the Western Slave” [8] tamin'ny pejy voalohany ny lahatsoratra taloha mitsikera ireo foibe ofisialy miisa 50 izay tsy miraharaha afa-tsy ny asany ara-politika fotsiny fa tsy manaja ny finoany ara-politika.