- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpianatra Armeniana feno fanantenana namolavola lahatsary momba ny fianarana any ivelany 

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Fanabeazana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka

Sary fanazavana fotsiny. Nampiasaina tao amin'ny Chai-Khana.org.

Mandany vola ny mianatra any ivelany. Ilaina tokoa ve?

Tantara [1] nalaina tao amin'ny Chai-Khana.org [2] ity manaraka ity ary navoaka indray ato amin'ny Global Voices araka ny fifanarahana fiaraha-miasa. Lahatsoratra sy lahatsary avy amin'i Christina Soloyan sy Davit Avetisyan.

Vokatra miabo avy amin'ny fanatontoloana ny fifindra-monin'ny mpianatra lasa fironana. Ato anatin'ity lahatsary fanadihadiana andrana ity no ahitana ireo tanora matihanina teratany Armeniana maka sary ny fanaony mahazatra andavanandro nandritra ny fianarany tany ivelany ary nitatitra ireo tolona sy ireo varavarana vaovao misokatra niainany tany amin'ny firenena mampiantrano azy ireo. Miresaka ny fiainany any ampivahiniana sy ny zavatra andrandrainy amin'ny hoaviny ny mpianatra rehefa miverina any Armenia ry zareo.