Manasongadina sy miaro ny fimaroan'ny kolontsaina hita amin'ny fitafy ao Meksika ny #ViernesTradicional

Nomena anarana mety aminy tsara, Princesa ny trajinera. Andro mahagaga mandrakariva ny ao an-jaridaina mitsingevana ao Xochimilco any Meksika . Omaly, faly aho ny nanomana ny fety atravesarte ho an'ny herinandron'ny zavakanto tao Meksika. Ny akanjoko sy ny kitapoko nozairin'ny Senora Juana tany San Juan Cancun, Chiapas.

Nanasongadina ny fimaroana ara-kolontsaina ao Meksika ny sary misy loko marevaka sy ny lamba nentim-paharazana ary ny fitafy hita manerana ny firenena isaky ny Zoma ao amin'ny tambajotra sosialy. Azo jerena ao amin'ny Instagram, Twitter, ary Facebook ny sary ahitana fanentanana antsoina hoe “Viernes Tradicional” (Zoma nentim-paharazana), izay ahitana ny fironana any amin'ny toeram-piasana sasany amin'ny fandrisihana hanao akanjo fitafy andavanandro rehefa amin'ny “Zoma andavanandro”. Nisy fanasana natao ho an'ireo mponina indizeny sy tsy indizeny mba handefa ny sarin'izy ireo mitafy ny akanjo nentim-paharazana ankafizin'izy ireo indrindra miaraka amin'ny tenirohy #ViernesTradicional sy ny filazalazana momba ny teknika, ny fiaviana, ary raha azo atao, ny anaran'ilay mpanao asatanana. Vokatr'izany ny pikantsary isan-kerinandro amin'ny famolavolana izany sy ny fiaviany izay maneho ireo mponina indizeny ao Meksika.

Na izany aza, manokatra ny varavarana ho an'ny hala-tahaka izay mitarika ho amin'ny fitrandrahana ara-barotra ny fandefasana malalaka ireo karazana sary ireo ho an'ny daholobe. Fanamby mitohy ho an'ny mpanao asatanana avy any Meksika sy manerana an'i Amerika Latina izany, izay miankina amin'ny famoronany manokana ny foto-pivelomany. Vokatr'izany, manome sehatra amin’ny mety hisian'ny hala-tahaka matanjaka ity fanentanana ity, ary manamafy ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana tsara kokoa ny niandohan'ity akanjo ity sy ny filana ny fanohanana ho an'ny mpanakanto.

 

Huipil en telar de cintura de San Juan Bautista, Oaxaca. Con representación del pavorreal y en el pecho tiene el ombligo del mundo la visión cósmica de los pueblos, que emana desde el centro del universo rodeada de los 4 puntos cardinales

Maneho ny vahoaka indizeny, avy ao anivon'izao tontolo izao voahodidin'ny zoro efatra ny Huipil namboarina avy any San Juan Bautista, Oaxaca. Miaraka amin'ny haingony miavaka .

Los textiles mexicanos, tan coloridos, tan únicos, tan especiales… siempre reflejan amor, paciencia e historia ? Hupil Chenalhó de Chiapas – @estiloisabeles

Lamba Meksikana, tena mareva-doko, tena miavaka, tena manokana … maneho hatrany ny fitiavana, faharetana ary tantara. Hupil avy any Chenalhó de Chiapas avy amin'i @estiloisabeles

#ViernesTradicional con la clásica camisa de algodón con bordado color petróleo de Jalapa de Díaz.

#ViernesTradicional miaraka amin'ny lobaka vita landihazo misy sary miloko manga avy any Jalapa de Díaz (Oaxaca).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.