- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela: Olona roa nosamborina ny noho ny sioka nanely tsaho momba ny banky

Sokajy: Venezoela, Lalàna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Olona roa no nosamborina taorian'ny fandrahonana ireo mpisera Twitter [1] noho ny hetsika nataony an-tserasera ary voampanga ho nanely tsaho momba ny rafitry ny banky.  Fantatra fa i Luis Acosta Oxford (41 taona) sy i Carmen Cecilia Nares Castro (35 taona) ireo voasambotra.

Nanambara i Wilmer Flores Trosel, lehiben'ny sampam-pamotopotorana nasionaly ao amin'ny polisy, fa nogiazana ny ‘disque dur’ roa, ny fitaovana fampitam-baovao enti-tanana roa ary finday iray. Nolazainy ihany koa fa vokatry ny fanadihadiana natao nandritra ny efa-bolana io fisamborana io mba hitadiavana izay tompon'andraikitra tamin'ny tsaho mikasika ny rafitry ny banky nasionaly.

Natao araka ny Andininy faha 448 amin'ny Lalàna mifehy ny Banky Ankapobeny ireo fisamborana ireo, izay milaza hoe:

Artículo 448.Las personas naturales o jurídicas que difundan noticias falsas o empleen otros medios fraudulentos capaces de causar distorsiones al sistema bancario nacional que afecten las condiciones económicas del país, serán penados con prisión de nueve (9) a once (11) años.

Andininy faha 448. Hosazina am-ponja, 9 ka hatramin'ny 11 taona ny olona rehetra mampiely vaovao sandoka na mampiasa fomba hosoka hafa mety hanodikodinana ny rafitry ny banky nasionaly ka mety hampisy fiantraikany amin'ny toekarena ao amin'ny firenena.

Na izany aza, tsy nanana afa-tsy mpanjohy miisa 32 tao amin'ny Twitter i Acosta Oxford (@leaoxford [2]) tamin'ny fotoana nisamborana azy ireo ary tsy hita ho nanana kaonty tao amin'ity tranonkala famahanana bilaogy bitika ity akory i Nares Castro. Ity sioka avy amin'ny fitantaran'i @ leaoxford [3] ity no fantatra fa anisan'ny nandefasana azy am-ponja:

@leaoxford's tweet [3]

Tompokolahy, aza miteny fa tsy nolazaina taminao hoe alao ny [volanao] androany ao amin'ny BANESCO, nilazana izany ianao andro vitsivitsy izay.”

Tsy fantatra mazava hoe ahoana ny mpisera roa izay tsy dia manan-danja loatra no mety ho tompon'andraikitra nampisy fiantraikany tamin'ny toe-draharaha ara-toekarena tao amin'ny firenena. Nandinika ny mety ho fiantraikan'ny sioka nalefan'i Acosta Oxford, tao amin'ny Código Venezuela [4] ilay bilaogera Arnaldo Espinoza ary nilaza fa:

“(…) la detención de Acosta Oxford es un caso típico de amedrentamiento hacia una comunidad que crece exponencialmente y donde existe plena libertad para expresar ideas, pensamientos u opiniones -tampoco es que el tweet se diferencia mucho de otras cosas que se escuchan en esta red social, desde “ollas podridas del gobierno” hasta silencios comprados-. Los 32 followers de Acosta Oxford seguro estarán extrañados por su desaparición. Lo que al resto de la comunidad tuitera preocupa es que existe un constante monitoreo sobre lo que dicen o hacen todos, para pescar al siguiente chivo expiatorio.”

“Tranga iray mahazatra amin'ny fampitahorana ny vondrom-piarahamonina izay mihamitombo ny fisamborana an'i Acosta Oxford, ary ahitana ny fahalalahana tanteraka amin'ny fanehoan-kevitra, fisainana –  tsy misy fahasamihafana amin'ny zavatra hafa renesina ao anatin'ity tambajotra sosialy ity ilay sioka , avy amin'ny” vilany vakin'ny governemanta ” mba hividianana fahanginana. (…) Ny mampiahiahy ny sisa ao amin'ny vondrom-piarahamonina twitter dia ny fanaraha-maso tsy tapaka ny zavatra lazainy na ataony, mba hisamborana izay “lasibatra manaraka. “

Na dia izany aza, miatrika sazy an-tranomaizina sivy ka hatramin'ny iraika ambinifolo taona ireo olona notanana, ary toa hita fa niparitaka an-tserasera ny rivo-piainana feno ahiahy .