Tantara tamin'ny 17 Marsa 2019
Mihantsy Ny Fankahalan'i Makedonia Ireo LGBT Ny Hetsika Fanentanana ‘Olombelona Koa Ireo Mpankahala Pelaka’
Ratsy ny toe-draharaha mikasika ny zon'ny olona LGBT any Makedonia, miaraka amin'ny rafitra tsimatimanota ho an'ireo heloka bevava noho ny fankahalana atao an'ireo vitsy an'isa ara-pananahana ao amin'ny firenena.
Raha Toa Ka Mametraka An'i Siria Ao Anatin'ny Lisitra Fotsy, Mbola Sakanan'ny Linkedin Hatrany Kosa Ireo Mampiasa Aterineto Any Sodana!
Taorian'ny nanakanan'ny Linkedin, ilay tambajotra sosialin'ny fandraharahàna, ireo mpampiasa Aterineto tany Siria ary avy eo namela azy ireo indray sady niala tsiny (toy ny notaterin'ny ArabCrunch.), voamarina fa mbola tsy afaka miditra amin'ny Linkedin ireo mpampiasa Aterineto any Sodàna (firenena Afrikana Arabo ), izay nosakanan'ny Linkedin efa volana maro lasa izay
Venezoela: Olona roa nosamborina ny noho ny sioka nanely tsaho momba ny banky
Nosamborina ny olona roa taorian'ny fandrahonana ireo mpisera Twitter noho ny hetsika nataony an-tserasera ary voampanga ho nanely tsaho momba ny rafitry ny banky. Fantatra fa i Luis Acosta Oxford (41 taona), ary Carmen Cecilia Nares Castro (35 taona) ireo voasambotra.
Koety: Mpiserasera telo nogadraina
Tsy manana tantara momba ny fisamborana olom-pirenena noho ny fanehoany ny heviny antserasera i Koety efa-taona lasa izay, saingy tamin'ity taona ity, dia olona telo no nosamborina tao anatin'ny telo volana monja..