- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona no fantatrao momba ny fifidianana ankapobeny manaraka any Mozambika?

Sokajy: Mozambika, Ady & Fifandirana, Fifidianana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Takelaka lehibe iray ahitana ny sarin'ny filohan'i Mozambika Filipe Nyusi. Saripikan'i Dércio Tsandzana, nahazoana alalana.

Amin'ny volana Oktobra 2019, hifidy ny filoham-pireneny manaraka sy ny Kongresiny fahenina raha isaina hatramin'ny taona 1994 i Mozambika- ary hifidy ny governoran'ny faritany voalohany indrindra teo amin'ny tantarany.

Na dia tsy mbola nanomboka tamin'ny fomba ofisialy aza ny fifaninanana dia inoana fa ahitana ireo mpanao politika Mozambikana mpifaninana efa hatrizay amin'ny ankapobeny izany toa ny Frelimo, antoko mitondra nanomboka hatramin'ny taona 1994, sy ny Renamo antoko mpanohitra lehibe indrindra.

Voalohany hifaninana tsy misy an'i Afonso Dhlakama, ilay mpitarika manan-tantara, ny Renamo izay nitarika ny antoko nandritra ny efapolo taona mahery. Maty tamin'ny 3 May 2018 [2] i Dhlakama, taorian'ny fitsaharan'ny fony tampoka. Ho tsarovana ho toy ny mpitarika ny Renamo izay nanasonia ny Fifanarahana Ankapobeny momba ny Fandriampahalemana tamin'ny taona 1992 i Dhlakama niaraka tamin'ny filoha teo aloha Joaquim Chissano, izay nametraka an'i Mozambika teo amin'ny lalan'ny demaokrasia.

Nifidy an'i Ossufo Momade hanoloana azy ny Renamo rehefa voafidin'ny antokon'ny kongresy izy tamin'ny volana Jona 2018 tao Gorongosa, foiben'ny Renamo izay ao afovoan'ny faritanin'i Sofala.

Inoana fa izy no kandidà hatolotry ny Renamo amin'ny volana Oktobra, ary hifaninana amin'ny filoha ankehitriny, Filip Nyusi avy ao amin'ny Frelimo, sy Daviz Simango – izay mitarika ny antoko mpanohitra iray hafa, ny Hetsika Demaokratika ao Mozambika (MDM).

Natsangana tamin'ny taona 2009 ny MDM ary izy sy ireo antoko roa, Renamo sy ny Frelimo no hany antoko manana solontena ao amin'ny Antenimieran'ny Repoblika na mitazona biraom-panjakana. Efa nilatsaka ho fidiana i Daviz Simango ary resy tamin'ny  fifidianana ho filoham-pirenena roa farany teo aloha.

Ity fifidianana amin'ny volana Oktobra ity ihany koa dia hitranga ao anatin'ny fifanarahana fampitsaharana ny fifandirana [3] nosoniavina tamin'ny taona 2016 teo amin'ny sampana mitam-piadiana tao amin'ny Renamo sy ny tafiky ny governemanta, izay niady nandritra ny taona fmaromaro farany tany ambanivohitr'i Mozambika.

Tamin'ny volana Febroary 2019, nampitandrina ny vahoaka ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana (CNE) [4] mikasika ny tsy fahampian'ny loharanom-bola hikarakarana ny fifidianana manerana ny firenena.

Fa ny tena zava-dehibe indrindra amin'ny rehetra dia ity no fotoana voalohany hifidianan'ny Mozambikana governoran'ny faritra. Notendren'ny filoha izy ireo teo aloha.

Key dates

  • 01/04 – 15/05: Voter registration
  • 31/08 a 12/10: Campaign
  • 15/10: Polling day

Daty manan-danja

01/04 – 15/05: Ny fisoratana anaran'ny mpifidy
31/08 mankany amin'ny 12/10: Fampielezan-kevitra
15/10: Andro fandatsaham-bato

Vokatry ny fifampiraharahana sarotra sy naharitra teo amin'ny Renamo sy ny governemanta ny fiovàna.

Na dia mbola tsy nankatò ny lalàna aza ny filoha izay hanome izany fiovana izany dia maro no mino fa hanao izany izy.