- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miezaka manara-baovao ao Venezoela? Ireto misy loharanom-baovao vitsivitsy azonao atokisana

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava

Sary avy amin'ny fampahalalam-baovao Venezoelana Efecto Cocuyo. Nahazoana alalana. Image by Venezuelan news outlet Efecto Cocuyo. Used with permission.

Hatramin'ny tapatapaky ny volana janoary, rehefa nandà mivantana [1] ny maha ara-dalàna ny fitondran'i Nicolás Maduro i Juan Guaidó, dia nandinika ambony ambany izay vaovao azo antoka momba ny zava-mitranga marina ao amin'ny fireneny ny Venezoeliana ao amin'ny firenena sy any ivelany.

Tebiteby marobe! Fahoriana marobe! Fahadisoam-pantenana marobe!

Tonga tamin'ny fara-tampon'ny aterineto ireo mpiserasera mba hitady tatitra azo atokisana momba ny krizy olitika, noho ny tsy fahampian'ny fampahalalam-baovao tranainy tsy miankina, [4] sy ny sivana mieli-patrana ataon'ny fanjakana  [5]izay nahatonga ny fanakatonana ireo fampahalalam-baovao lehibe am-peo sy antserasera. Amin'ireo fampahalalam-baovao mbola miasa, dia ireto misy vitsivitsy atolotry ny mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices.

Manome famintinana isan'andro momba ny toe-javatra sarotra sy miovaova, miaraka amin'ny sombina vazivazy malaza ao Venezoelà i Arepita be mpitia (ny “arepa [6] kely”, dia milaza ny mofomamy katsaka eo an-toerana). Zaraina amin'ny endrika gazetiboky mailaka ny Aretipa- tsy toy ny tranonkala, ka sarotra ho an'ny manampahefana ny manivana azy.

Any amin'ny faritra rehetra manerana izao tontolo izao ?, lazainay aminao amin'ny kaody Venezoeliana, emojis, vazivazy kely … ary indraindray, amin'ny hira mihitsy aza ny momba an'i Venezoela maminao. Gazetiboky natao am-po izahay. Fisoratana anarana maimaim-poana ❤

Nivadika ho gazetiboky ihany koa ireo tranonkalam-baovao hafa, tahaka ny Efecto Cocuyo [9] (“traika lela afo”) sady ivon-toerana ara-tsaina efa ela teo amin'ny diaspora Venezoeliana, ny Caracas Chronicles [10] amin'ny fiteny Anglisy mba hizara ny votoatiny amin'ireo mpamaky mahatoky ary tsy misy atahorana ho tratran'ny sivana. .

Noho ny fampiatoana noterena tamin'ny fandaharana amin'ny radio [11] nisy azy, niditra tao amin'ny tambajotra sosialy sy Patreon [12] i Luis Carlos Díaz sy Naky Soto, olon-droa mahaha fanintonana tokoa amin'ny fampitam-baovao nomerika, hanapariahana lahatsary isan'andro manazava ny toe-javatra amin'ny lafiny samihafa sy amin'ny fomba tsotra, mandaitra ary mora zaraina. Mpikambana efa ela ato amin'ny Global Voices i Diaz

Namaly ny fanontanian'i @marimaguita momba ny “fitomboan'ny chavismo / madurismo” izahay ary namela anay hiresaka momba ny vola maloto avy amin'ny taona maro nanjakan'ny kolikoly. Jereo ny lahatsary feno …

Ny hafa kosa nifantoka tamin'ny fanampiana ireo mpamaky mba hitantanana ireo vaovao lasa be loatra. Vondrona iray no namoaka tatitra ara-potoana amin'ny endriny mora zaraina, izay mamintina ny zava-mitranga farany indrindra, eo ambanin'ny teny tsotra hoe “Inona no mitranga ao Venezoela?”

Inona no mitranga ao #Venezuela? – #4M – Tatitra tamin'ny 7:00 hariva.

Raha jerena ny tsy fahampian'ny fidirana aterineto ao amin'ny firenena, miaraka amin'ny vaovao diso tsy mitsaha-mitombo izay mahatonga ny vohikala Venezoelana ho sarotra hidirana, dia hita fa tena sarobidy ho an'ny olom-pirenena miezaka manampy ny fianakaviany sy ny namany hahazo vaovao hatrany momba ny toe-draharaha ireo sary fanazavana ireo.

Nandefa ireo sary ireo ho an'ny olom-pantatro izay mipetraka any amin'ny faritra tapaka aterineto aho. Rehefa mankany an-tanàn-dehibe izy ireo na miditra wifi, dia mahita haingana ny zava-drehetra. Misaotra ireo izay nanao izany.

Olo-malaza maro hafa ao amin'ny sehatry ny media sosialy no nitodika tamin'ny WhatsApp sy Telegram izay fitaovana hizarana vaovao azo antoka ho an'ireo izay manaraka azy ireo. Tahaka izany ny an'ilay mpanao gazety malaza amin'ny fifandraisan-davitra, Fran Monroy, izay mitazona vondrona WhatsApp telo amin'ny tanjona samihafa:

Nanokatra vondrona WhatsApp 3 izahay: ny 2 mandeha lalatokana: vaovao voamarina ny iray amin'ireo, anisan'ny programanay @CodigoAbierto, ary ny iray fahatelo ho an'ny adihevitra teknolojia maimaim-poana. Raha te-hiditra amin'izy ireo ianao dia mandefasa fotsiny DM ary ho alefanay ho anao ny vaovao. Ok?

Namokatra ny fampitam-baovao azy ireo manokana ihany koa ireo mpitarika ara-politika mpanohitra. Raha manintona ireo fampahalalam-baovao iraisam-pirenena izy ireo, dia tsy manintona firy an'ireo vondrona fampitam-baovao lehibe ao amin'ny firenena, tsy manome sehatra hanazavana ny fomba fijerin'izy ireo. Mba hahazoana ireo mpanohana sy mety ho lasa mpanohana azy, dia mampiasa lahatsary sy fampielezam-peo mivantana izy ireo, vondrona Telegram sy WhatsApp.

Na dia eo aza ireo ezaka maro ataon'ireo mpiantsehatra ara-panjakana mba hanakorontana ny fifandraisana an-tserasera na manimba ireo fitantarana antserasera, dia mahita fomba hanangonana, hikarakarana sy hanombanana vaovao amin'ny teniny manokana ny Venezoeliana.