- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nabeel Rajab: Misioka avy any am-ponja!

Sokajy: Bahrain, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Solovava, Fitantanana-aterineto, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2012)

Nosamborina indray i Nabeel Rajab, filohan'ny Foibe mandala ny Zon'olombelona ao Bahrain [1], izay navotsotra vonjimaika tamin'ny herinandro lasa. Tahaka ny farany teo, nogadraina noho ny famoahana izay heverin'ny governemanta Bahrainita fa lahatsoratra manevateva tao amin'ny kaontiny Twitter [2] i Nabeel Rajab. Vokatr'izany, dia hogadraina mandritra ny 7 andro izy.

Na izany aza, manentana ireo mpikatroka hafa i Nabeel mba tsy hatahotra na inona na inona rehefa milaza ny marina na amin'ny tambajotra sosialy na ampahibemaso. Omaly, nampanantena ireo mpanohana azy i Nabeel Rajab fa tsy hitsahatra ny siokany na dia any am-ponja aza:

Mandeha ny kaontin'i HRD Nabeel rajab na dia efa nosamborina aza izy

Nitazona ny fampanantenany i Nabeel Rajab, ary mbola mavitrika ny kaontiny Twitter miaraka amin'ireo lahatsoratra maneho ny fandikan-dalàna ataon'ny fitondrana Bahrainita ary miantso ny vahoaka mba hanohitra sy hanameloka ny governemantan'i Al-Khalifa, izay praiministra efa 40 taona mahery. Tsarovy fotsiny fa i Khalifa bin Salman no praiminisitra nandritra ny 40 taona mahery! Tokony hametraka ny anarany ao amin'ny World Records Guinness izy ireo!

Andao hijery ny hetsi-panoherana any Bahrain nandritra ny tsy fisian'i Nabeel Rajab. Manina azy ny mpikatrok'i Bahrain manerana izao tontolo izao.

Nosamborina noho ny sioka i Nabeel Rajab……..Afisy tazonin'i @SAIDYOUSIF [5] #bahrain [6]

@SAIDYOUSIF [5] , handray anjara amin'ny fihetsiketsehana #eye4freedom [7] androany aho, raha tsy tany am-ponja i @NABEELRAJAB [10] dia tonga tao koa #bahrain [6]

#Bahrain [3]: Mitifitra etona mandatsa-dranomaso ao amin'ny fihetsiketsehana ho fanohanana ireo gadra politika ny polisy blottr.com/world/breaking… [12]” صحيفة بريطانية تنشر خبر مسيرة سترة عصر

#Bahrain [3] #malkiya [14] #8june [15] Ny hiaka amin'izao fotoana izao: miaraka aminao izahay @NABEELRAJAB [10]

Tetikady fampitahorana maro ataon'i #Bahrain [3] amin'ilay mpikatroka ny zon'olombelona @NABEELRAJAB [10]

Tsy hampiditra ny lahatsoratra tsirairay avy amin'ireo mpikatroka sy mpanao gazety any Bahrain sy manerana izao tontolo izao aho satria marobe izy ireo. Misy ady roa. Ny iray amin'izy ireo dia eny an-dalambe amin'ny alalan'ny hetsi-panoherana am-pilaminana, ary ny iray hafa dia avy amin'ireo mpikatroka mampiasa ny tambajotra sosialy tahaka ny Twitter mba hanentana momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Bahrain. Miatrika fanamby hatrany any Bahrain [19] ireo mpikatroka mampiasa Twitter, sy ataon'ireo fitondrana mpampijaly any amin'ny firenena hafa. Na dia niampanga an'i Nabeel Rajab noho ny filazàna ny marina momba ny zon'olombelona ao Bahrain aza ny governemanta Bahrainita, dia tsy mba nanao ezaka hiampangana ireo nandrahona hamono azy kosa izy. Tsy nandray fepetra ho an'ireo izay mampitahotra sy manala baraka mpikatroka amin'ny alàlan'ny Twitter sy Facebook ny governemanta Bahrainita.

Ho fampahalalana bebe kokoa, araho aho ao amin'ny Twitter @YusurAlBahrani [20]