Pakistana: Fanakanana ny Youtube tamin'ny ampahany

(Marihina fa tamin'ny volana Febroary 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

pta-notification-letter-blocking-outube.gif
Nanome baiko (jereo etsy ambony) ny mpamatsy tolotra aterineto ao amin'ny firenena mba hanakana ny fidirana amin'ny vohikala fifampizarana lahatsary YouTube noho ny filazana fa nampiseho lahatsary manevateva ny Manampahefanan'ny Fifandraisandavitra ao Pakistana (PTA).

Na izany aza, sy araka ny nolazain'ny bilaogy Pakistaney “Don’t Block The Blog” dia misy antony roa no mety hanazavana ny hetsika avy amin'ny PTA  handràra ny YouTube: ny lahatsarin'ny hala-bato nampiseho ilay lazaina fa porofon'ny fifidianana hosoka tao Karachi sy ny lahatsary manevateva nanala baraka ny Mpaminany Mohammed.

pakistan Blockpage of Youtube

Pejy voasakana tao Pakistan (Sary: National Blockpages Gallery tao amin'ny Don’t Block The Blog)

Nanentana ny mpanjifany hanoratra tany amin'ny Youtube mba hanesorana ilay sarimihetsika nanohintohina ny mpamatsy tolotra aterineto sasany tao Pakistana :

Dear Internet Users

Pakistan Telecommunication Authority (www.pta.gov.pk)has directed all ISPs of the country to block access
to www.youtube.com web site for containing blasphemous web content/movies.

The site would remain blocked till further orders from PTA. Meanwhile, Internet users can write to
youtube.com to remove the objectionable web content/movies because this removal would enable
the authorities to order un-blocking of this web site.

Ry mpisera Aterineto

Nanome baiko ny mpamatsy tolotra aterineto rehetra ao amin'ny firenena hanakana ny fidirana amin'ny tranonkala www.youtube.com noho ny fisian'ny votoaty/lahatsary manevateva ny manampahefanan'ny Fifandraisandavitra eto Pakistana (www.pta.gov.pk) .

Hijanona ho voasakana ilay tranonkala mandra-pahatongan'ny baiko hafa avy amin'ny PTA. Mandritra izany fotoana izany, afaka manoratra any amin'ny youtube.com ireo mpisera aterineto mba hanesorana ireo votoaty/horonantsary manohintohina satria  ahafahan'ny manampahefana mandidy ny fanalana ny sakana amin'ity tranonkala ity io fanesorana io .

Ny lahatsary iray navoaka tao amin'ny Youtube sy ny adiresy IP miisa telo izay anisan'ny mpamatsy tolotra ihany aloha tamin'ny voalohany no saika hanaovana ny fandraràna kanefa toa nakaton'ny ISP sasany ny tranonkala iray manontolo :

Since yesterday we all witnessed a domain wide blockade of all content from youtube.com and we generally had confirmed reports that this existed throughout out the country, only today did a kind gentleman shared with us screen captures of his computer showing the unblocked youtube website but the specific offending URL is censored from all TWA users. A bit of history all ISP’s in Pakistan connect through the FLAG backbone via the PTCL/PIE link but some ISP’s choose to go via the other bandwidth hub coming via TransWorld.

PIE sadly does not have the ability to enforce a URL specific block and is forced to employ an IP wide block hence we say the entire Youtube domain off limits to us, while TWA with its advanced filtering system can specifically block URL’s

Samy nanatri-maso ny sakana natao tamin'ny sehatra iray manontolo tamin'ny votoaty rehetra tao amin'ny youtube.com izahay hatramin'ny omaly ary efa nohamafisinay ny tatitra fa nitranga manerana ny firenena izany. Androany, nisy lehilahy tsara fanahy nizara taminay ny pikantsary nalaina tao amin'ny solosainany nampiseho ny tranonkala youtube tsy voasakana intsony saingy voasivana ho an'ny mpisera TWA rehetra ilay URL nanohintohina  manokana. Fanazavana fohifohy, maka fifandraisana amin'ny backbone FLAG amin'ny alalan'ny rohy PTCL / PIE ny mpamatsy tolotra aterineto any Pakistana saingy nisafidy ny handalo amin'ny alàlan'ny dingana hafa any amin'ny TransWorld ny sasany amin'ireo mpamatsy tolotra aterineto.

Saingy tsy manana ny fahafahana hampihatra sakana manokana amin'ny adiresy URL anefa ny PIE ary voatery mampiasa sakana ny IP lehibe. Milaza izahay noho izany fa ny sehatra Youtube iray manontolo no tsy azonay idirana fa ny TWA kosa manana rafitra fanivanana manaraka ny toetr'andro sy  afa-manakana rohy iray manokana .

Tsidiho ny “Access Denied Map”  ho fampahafantarana misimisy kokoa momba ireo firenena manakana ny fidirana amin'ny tranonkala mitovy amin'ny Youtube sy ireo fampiasa web 2.0 hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.