Fanolorana an'i Misael Hernández Mendoza, mitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 4-11 marsa 2019

Foto proprocionada por Misael Hernández

Amin'ity taona 2019 ity izahay manasa mpampiatrano maro hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas (Fahavitrihana ara-piteny) sy hizara ny zava-niainan'izy ireo amin'ny famelomana indray sy amin'ny fampiroboroboana ny tenin-drazany. Ity indray ary ny lahatsoratra momba an'i Misael Hernández Mendoza (@triqui_trs) sy izay kasainy horesahana mandritra ny herinandro hitantanany ny kaonty.

Rising Voices (RV): Mba lazalazao anay azafady ny momba anao.

Mi nombre es Misael Hernández Mendoza, originario de la Comunidad de San Andrés Chicahuaxtla, Putla, Oaxaca, México, hablante de la lengua triqui. Actualmente soy el coordinando del equipo “triqui trs” para la localización/traducción del navegador Firefox triqui. También soy coordinador local para la creación de contenidos en triqui para el Sistema Operativo Endless, un proyecto colaborativo entre la Fundación AHH-Oaxaca y Endless que será puesto en marcha con el propósito de reducir la brecha digital en la comunidad triqui de Chicahuaxtla, de la misma manera he tenido la fortuna de colaborar en varias ocasiones con la Red de Activistas Digitales de America Latina.

Misael Hernández Mendoza no anarako, avy amin'ny vondrom-piarahamonin'i San Andrés Chicahuaxtla, Putla, Oaxaca, Meksika, miteny triqui. Mandrindra ny ekipa “triqui trs” aho amin'ny famangitana/fandikana ny fitety Firefox triqui. Izaho ihany koa nompandrindra ao an-toerana amin'ny fananganana votoaty triqui ho an'ny Endless Operating System, tetikasa iray ifarimbonan'ny orina mpanasoa AHH-Oaxaca sy Endless, izay nalefea mba hampihenana ny hantsana nomerika ao amin'ny vondrom-piarahamonina triqui avy ao Chicahuaxtla, ary toy izany ihany koa, tsara vintana aho niasa niaraka imbetsaka tamin'ireo mpikatroka nomerikan'ny tambajotra sosialy eto Amerika Latina.

RV: Manao ahoana moa izany ny fiteninareo an-tserasera sy andavanandro?

En la actualidad la lengua triqui ha tenido presencia en las redes sociales, en navegadores de internet como es el caso de firefox triqui, en blogs, en libros digitales de Story Weaver; aunque cabe destacar que todos estos trabajos son a base de movimientos o grupo de voluntarios que luchan para visualizar la lengua triqui en la web. Aunque no existen riesgo de desaparición de la lengua triqui, es preciso señalar que existe la posibilidad de un desplazamiento lingüístico, en la actualidad son pocos los niños que lo hablan.

Hita ao amin'ny tambajotra sosialy ny fiteny triqui amin'izao fotoana izao, hita ao amin'ny fitety aterineto toy ny firefox triqui, any amin'ny bilaogy, any amin'ny boky nomerika an'ny Story Weaver; Tsara anefa ny manamarika fa ireo asa rehetra ireto dia miankina amin'ny hetsika na vondrona mpanolotena izay miezaka mafy mba ho hita amin'ny aterineto ny fiteny triqui. Na dia mbola tsy hita hoanjavona aza ny fiteny triqui, dia ilaina ny manaitra fa mety hisy ny fikisahana ara-piteny, saingy vitsy ny ankizy miteny azy amin'izao fotoana.

RV: Lohahevitra manao ahoana izany no kasainao ifantohana mandritra ny herinandro itantananao ny kaonty Twitter @ActLenguas?

Los triquis y la tecnología, apropiación digital, difusión de proyectos digitales de la región.

Triqui sy ny teknolojia, ny famihinana nomerika, fampielezana ny tetikasa nomerika ao amin'ny faritra.

RV: Inona no tena nampazoto anao ho mpikatroky ny teninareo eo amin'ny sehatra nomerika? Inona avy ny nofinofinao sy ny fanantenanao amin'ny fiteninareo?

Me motiva ver mi lengua en internet, poder navegar en mi lengua, leer contenidos digitales en mi lengua, escuchar música en triqui. Aunque entiendo perfectamente que mi activismo es un trabajo desde la contrahegemonía pero sueño con que algún día mi lengua y todas las lenguas indígenas sean incluidas sin restricción alguna en las nuevas herramientas Tecnológicas de la Información y la Comunicación.

Mampazoto ahy ny mahita ny fiteniko amin'ny aterineto, ny afa-miserasera amin'ny fiteniko, ny mamaky votoaty nomerika amin'ny fiteniko, ny mihaino hira amin'ny fiteny triqui. Na dia azoko tsara azy fa vokatry ny fitsipaham-panjakazakana ny fikatrohako, saingy nofinofiko fa indray andro any ny fiteniko sy ny fitenin'ireo zanatany ho tafiditra tsy misy faneriterena ao amin'ireo fitaovana teknolojika vaovaon'ny fampahafantarana sy ny fifandraisana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.