(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2011)
Voasazy higadra 17 volana an-tranomaizina i Peyman Roshan Zamir, bilaogera sady mpikatroka ara-politika avy ao an-tanàna atsimon'i Ahwaz. Voampanga ho nanevateva ny mpitarika ny repoblika Islamika sy nanao fampielezan-kevitra manohitra ny fitondrana izy.