- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miampy ny fanenjehana an'i Raja Petra Kamarudin (RPK)

Sokajy: Malezia, Lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2009)

Misy ny raharaha ara-pitsarana vaovao mety hanampy trotraka ireo fiampangana fanalam-baraka sy fitoriana fanalam-baraka hanenjehana an'i Raja Petra Kamarudin (RPK). Nitatitra ireo mpanao gazety  [1]vao haingana fa nametraka fitoriana azy tany amin'ny polisy ny Departemantan'ny Fampandrosoana ny Islamika (Jakim) sy ny sampana Miozolomana hafa noho izy voalaza fa nanevateva ny Maley, ny Miozolomana sy ny Silamo.

Hita ao amin'ny tranonkalany efa nakatona, “Malaysia Today [2]” (raha hitady fitaratry ny tranonkala, tsindrio eto [3]) ny lahatsoratra voalaza manao hoe, “Mampanantena ho Miozolomana tsara fanahy, tsy mpihatsaravelatsihy aho” ary “Tsy ny Arabo rehetra no taranaky ny Mpaminany”.

Toa nilaza [4] ny tale jeneralin'ny Jakim, Datuk Wan Mohamad Sheikh Abdul Aziz hoe: “Manohintohina ireo lahatsoratra ireo ary toa maneho ny feon'ny olona izay tsy mahatakatra ny finoana silamo ary mitovy amin'ny fomba fijerin'ny media tandrefana. “

Anisan'ireo fikambanana hafa nametraka fitoriana an'i RPK ny Departemantan'ny Fivavahana ao amin'ny Faritany Federaly, ny Islamic Da ‘Wah Foundation Malaysia ary ny Filan-kevitra Islamika ao amin'ny Faritany Federaly.

Ho valin'izany, dia toa nitatitra i RPK [5] hoe: “Tsy mahadona ahy intsony ireo raha miantso ahy anti-Islam, anti-Malay, anti-Umno… afaka miantso ahy ho anti-Andriamanitra izy ireo, raha izay no tiany”

Raha nilaza [4] ny sasany fa tezitra ny mpikambana sasantsany tao amin'ny kabinetra rehefa namaky ireo lahatsoratra voalaza, dia nisy kosa ireo mpanao hevitra tao amin'ny Malaysia Today [6] mihevitra fa tsy nikendry ny vahoaka miozolomana amin'ny ankapobeny ilay lahatsoratra voalaza fa vitsivitsy ihany.

Tamin'ny volana Aogositra tamin'ity taona ity, nitatitra [7] ny Minisitry ny Departemantan'ny Praiminisitra, Datuk Seri Mohamed Nazri Abdul Aziz, fa adidin'ny governemanta ny manakana izay hetsika rehetra manohintohina ny fitonian'ny firenena. Toa nilaza hono izy hoe [7]: “Eto amin'ity firenena ity, miankina amin'ny fomba fijery avokoa ny zava-drehetra… Ka tsy misy olona ho tezitra. Tsy hoe tsy azonao atao ny miady hevitra, saingy tsara kokoa raha tsy atao ampahibemaso ny firesahana zavatra saro-pady.”

Nahitana tranga maromaro momba ny fanalam-baraka, fanadihadiana momba ny fikomiana sy ny fanalam-baraka heloka bavava tamin'ireo bilaogera sy olom-pirenena Maleziana tamin'ny taona lasa. Mety hitarika amin'ny fanagadrana azy tsy misy fitsarana araka ny Lalànan'ny Fiarovana Anatiny ao Malezia 1962 (Anglisy [8] / Bahasa Malezia [8]) ny fanadihadiana momba ireo tatitra vaovaon'ny polisy. Mandritra izany, toa manjaka ao amin'ny firenena ny disadisa ara-poko [9] sy ara-pivavahana [10].

Tsy dia mahagaga be loatra raha nihemotra laharana faha-124 i Malezia tamin'ny taona 2007 tao amin'ny Tondro momba ny Fahalalahan'ny Gazety Manerantany avy amin'ny Reporters Sans Frontières [11] raha laharana faha-92 tamin'ny taona 2006. Nahita ny fikarohana vao haingana [12] nataon'ny Foibe ho an'ny Asa fanaovan-gazety mahaleotena [13] sy ny foibe Merdeka [14] fa maniry fahaleovantena bebe kokoa ho an'ny fampitam-baovao ny 87% tamin'ireo Maleziana natao fanadihadiana. Mandritra izany, nitatitra ny Bloomberg  [15]fa nampitandrina ireo mpampiasa vola mba hiala ao Malezia noho ny toe-java-misy ankehitriny ny Credit Suisse.