- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Faha 7 Martsa: Ilay andro nitorian'i Gandhi ny revolisiona tsy misy herisetra tao Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara
[1]

Sarin'ny fihaonana farany teo an'i U Nu sy Mahatma Gandhi, nalaina tao amin'ny Tranobe Birla any Delhi, India tamin'ny 4 Desambra 1947. Sary sy fanazavana avy amin'ny The Irrawaddy.

Avy ao amin'ny The Irrawaddy, vohikalam-baovao tsy miankina ao Myanmar ity lahatsoratra [1] nosoratan'i Wei Yan Aung ity, ary naverina navoaka eto amin'ny Global Voices indray ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Tonga tao Myanmar i Mahatma Gandhi ny 7 martsa 1929, ilay mpitarika ny hetsiky ny fahaleovantena Indiana tamin'ny fitondran'ny mpanjanaka Britanika, mba hanangona fanampiana avy amin'ireo teratany Indiana ho an'ny Fikambanana Handloom ao India, ary nizara ny traikefany niaraka tamin'ny vahoaka Birmana.

Niresaka tamin'ireo vahoaka ao amin'ny Tranobe Jubilee sy ny Kianja Fytche (Zaridaina Mahabandoola ankehitriny) any Yangon izy. Nanao lahateny tamin'ny moanina Bodista izy tao amin'ny Pagoda Shwedagon :

I am glad to find you telling me that the hponegyis (Buddhist monks) are leading the political movement in Burma, but you have a serious responsibility upon your shoulders when you undertake leading a political battle.

History shows that the clergy has not always interfered with the political matters to the benefit of mankind. Very often unworthy ambition has moved the clergy of the world as it has moved unscrupulous men to take part in politics, and if now you hponegyis aspire to lead the political movement of this, one of the fairest lands on the face of the earth, you are shouldering a tremendous responsibility.

Faly aho mahita anareo milaza amiko fa ny hponegyis (moanina Bodista) no mitarika ny hetsika ara-politika ao Birmania, saingy manana andraikitra lehibe hiantsorohana ianareo rehefa mitarika ady politika.

Asehon'ny tantara fa tsy miditra amin'ny resaka politika foana akory ny mpitondra fivavahana mba ho tombontsoan'ny olombelona. Matetika ny faniriana tsy mendrika no manosika ny mpitondra fivavahana eto amin'izao tontolo izao toy ny nandrisihany ireo olona tsivalahara handray anjara amin'ny politika, ary raha izao ianareo hponegyis no manam-pikasana amin'ny fitarihana izany hetsika ara-politika izany, izay iray amin'ny tany tsara indrindra eto an-tany dia miantsoroka andraikitra goavana dia goavana ianareo.

Nitsidika tanàna maromaro tany afovoan-tany sy ambanin'i Myanmar izy tao anatin'ny fitsidihany roa herinandro izay nataony. Hoy izy fony tao Mandalay hoe:

In India it is a common saying that the way to swaraj (which means independence for India) is through Mandalay. The British government has taught you too a great lesson by incarcerating one of India’s great sons here.

The way to swaraj is the way of suffering—indeed no country has come to its own without suffering.

Mahazatra ny milaza ao India fa amin'ny alalan'i Mandalay ny lalana mankany amin'ny swaraj (midika hoe fahaleovantena ho an'i India). Nampianatra lesona lehibe ho anao ny governemanta Britanika tamin'ny famonjana ny iray tamin'ireo zanaka lahy lehiben'i India.

Ny lalan'ny fijaliana no lalana mankany amin'ny swaraj – ka tsy misy noho izany ny firenena tonga amin'izany raha tsy mijaly.

Nogadraina tamin'ny volana Oktobra 1924 tany Mandalay nandritra ny roa taona sy tapany noho ny fanoherany ny fitondran'ny mpanjanaka ny lehiben'ny mpanao politika indiana Subhas Chandra Bose . Nilaza i Gandhi nandritra ny fitsidihany hoe:

I have no other and no better guidance to offer to you than to commend to your attention the general principle of non-violence, in other words, self-purification.

Tsy manana tari-dalana hafa sy tsara kokoa aho omena anareo afa-tsy ny manoro hevitra anareo amin'ny fitsipika ankapobeny amin'ny tsy fanaovana herisetra, na antsoina ihany koa hoe ny fanadiovan-tena.

Namarana ny fitsidihany fahatelo tany Myanmar izy ny 24 Martsa. Efa tany Myanmar izy tamin'ny taona 1902 sy 1915 talohan'ny fitsidihana ny taona 1929.

Nisy fiantraikany tamin'ny mpanolotsainan'ny governemanta Birmana Daw Aung San Suu Kyi tamin'ny adiny ho an'ny demaokrasia ny toro-lalana avy amin'i Gandhi amin'ny tsy fanaovana herisetra taty aoriana. Nanjary toerana manan-danja tamin'ny rafitra politika sy ny ara-pahasalamana tao Myanmar ny Tranobe Gandhi sy ny Hopitaly Gandhi. Nitsidika an'i Gandhi tany New Delhi tamin'ny taona 1947 talohan'ny famonoana azy ny taona 1948 i U Nu, izay lasa praiminisitra voalohany tany Myanmar.