- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Fitazonana tsy misy fitsarana ho an'ilay bilaogera RPK

Sokajy: Malezia, Fitsipika, Lalàna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Raha vao nanala ny sakana tamin'ny “Malaysia Today” ny MCMC [1] dia nitatitra ny Malaysiakini [2] ilay vavahadim-baovao an'i Raja Petra Kamaruddin izay niteraka resabe fa  nosamborina araka ny Lalànan'ny Filaminana Anatiny [3] 1960 (ISA) i Raja Petra (na RPK) (sary etsy ambany). Nilaza ny vadin'i RPK, Marina Lee Abdullah, araka ny tatitra fa nosamborina tao amin'ny 1310 izy tamin'ny 12 Septambra 2008, mpitandro ny filaminana miisa 10 no niandry tao an-tranony. Araka ny voalazan'ny Malaysiakini, nosamborina araka ny Lalàna fizarana faha 73 (1) i RPK noho ny filazana fa nanohintohina ny fiarovana, ny fandriampahalemana ary filaminam-bahoaka.

 

Raja Petra Kamaruddin

Navoaka voalohany tamin'ny taona 1960 ny ISA mba hanakanana ny fandrahonana ataon'ny komonisma. Mivaky toy izao ny teny fampidirana amin'ilay Lalàna:

An Act to provide for the internal security of Malaysia, preventive detention, the prevention of subversion, the suppression of organized violence against persons and property in specified areas of Malaysia, and for matters incidental thereto.

Lalàna natao hiantohana ny filaminana anatiny ao Malezia, ny fampidirana am-ponja vonjimaika, ny fisorohana ny fanakorontanana, ny fanafoanana ny herisetra voalamina atao amin'ny olona sy ny fananana any amin'ny faritra voatondro ao Malezia, ary amin'ny zava-mitranga mifandraika amin'izany.

Raha ny fahitàna azy, mandalo dingana roa ny fisamborana tsy misy fitsarana araka ny ISA [4]

  1. fanagadrana voalohany hatramin'ny 60 andro eo ambany fahefan'ny polisy
  2. ary didy maharitra roa taona azo havaozina izay omen'ny manampahefana avy ao amin'ny Minisiteran'ny Atitany

Atoka-monina ireo gadra ary tsy mahazo mifandray amin'ny mpisolovavany. Famoretana nalaza natao tamin'ny mpitarika ny mpanohitra, ny mpampianatra ambony, ny mpikatroka ara-pivavahana, ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana ny hetsika Operasi Lalang malaza ratsy tamin'ny taona 1987.  Nahitàna ny fitazonana ireo mpitarika ny Al-Arqam, ireo voalaza fa lohandohan'ny mpitarika tamin'ny hetsika Reformasi sy Hindraf ny taona 1990. Jereo ato [5] ny lisitr'ireo voafonja fantatra fa noenjehin'ny Lalànan'ny Fiarovana Anatiny Maleziana tamin'ny taona 1960.

Nilaza ireo mpitsikera [6] fa mifanohitra amin'ny fanambaràn'ny governemanta amin'ny fanajany ny fepetra voalazan'ny lalàna ny fampiasana mitohy ny ISA, ary mahatonga fotsiny ny fiheverana fa notanana noho ny hetsika politika ireo gadra.

Voalaza fa mbola vao eo amin'ny dingana voalohany ny fitazonana an'i RPK, izany hoe eo ambanin'ny fizarana faha 73 (andininy voalohany) amin'ny ISA [7], izay ahafahana mihazona ny olona iray hatramin'ny 60 andro. Notanana araka ny ISA ihany koa i RPK tamin'ny taona 2001 [8] noho ny filazana azy ho nandray anjara tamin'ny hetsika [8] Reformasi [8] (fanavaozana). Notanana nandritra ny 53 andro tao amin'ny foiben'ny fonjan'i Kamunting tao Taiping, Perak izy. Nanameloka tanteraka izany hetsika nataon'ny governemanta izany ireo antoko mpanohitra. [9]