- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Mpitondra fivavahana mitokona tsy hihinan-kanina

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2012)

Nanomboka ny fitokonany tsy hihinan-kanina tamin'ny alatsinainy i Mohammad Sadegh Honarvar Shojayi [1], bilaogera sady mpitondra fivavahana. Nosamborin'ny [2] fampanoavana izy noho ny fiampangana azy ho mitarika tafatafa miaraka amin'ny tranonkala reformista Kalameh.