- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Athan: Ilay vondrona tanora mampiroboobo ny fahalalaham-pitenenana any Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora
[1]

Midika hoe ‘feo’ amin'ny fiteny Birmana ny hoe Athan . Loharanon-tsary: Facebook

Ny vondrona tarihin'ny tanora antsoina hoe Athan [2] – izay midika hoe ‘feo’ amin'ny fiteny Birmana no iray amin'ireo vondrona mavitrika mampiroborobo ny fahalalaham-pitenenana ao Myanmar.

Na dia niorina vao haingana tamin'ny taona 2018 aza ny Athan dia efa nahazo fahazoan-dàlana [3] hamoaka ny tatitra momba ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao ao Myanmar  teo ambany fitondran'ny Ligy Nasionaly ho an'ny Demaokrasia (NLD). I Aung San Suu Kyi no mpitarika ny NLD , ilay nahazo Loka Nobel sady mpiaro ny demaokrasia malaza  teo aloha izay niady tamin'ny fitondrana miaramila nitondra ny firenena nandritra ny taona ampolony maro.

Tsy tao Myanmar ihany no nankatoavina ny fiarovan'ny Athan ny fahalalaham-pitenenana, fa tany amin'ny Ivontoerana Iraisampirenena [4] izay manara-maso ny fizoran'ny firenena mankany amin'ny demaokrasia ihany koa .

Nankalaza [5] ny tsingerintaonany voalohany tamin'ny faha-15 Janoary 2019 ny Athan tamin'ny alalan'ny fanasongadinana ny tatitra izay navoakany momba ny toe-draharahan'ny fampitam-baovao ao amin'ny firenena. Nolazainy fa niharatsy ny fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana na dia teo aza ny fandresen'ny [6] NLD tamin'ny taona 2015. Namintina ny tatitry ny vondrona tamin'ny taona 2018 [7] tao anatin'ny antsafa nifanaovany tao anaty imailaka tamin'ity mpanoratra ity i Maung Saungkha, mpanorina sady tale mpanatanteraky ny Athan:

According to Athan’s collected statistics, there were 53 prosecutions and lawsuits under Telecommunications Law, 36 prosecutions against 124 activists under Peaceful Assembly and Peaceful Procession Law in 2018 only. Besides, 2018 saw 12 journalists were sued and prosecuted for allegedly breaking controversial and draconian laws of Myanmar. In fact, there were 153 cases under the Telecommunications (Law) since the time the new government was formed by NLD after the 2015 general elections.

Tamin'ny taona 2018 fotsiny, araka ny antontan'isa navoakan'ny Athan dia nisy fanenjehana miisa 53 sy fitoriana eo ambanin'ny Lalàna mifehy ny Fifandraisandavitra, fanenjehana miisa 36 ho an'ireo mpikatroka miisa 124 tamin'ny Lalàna mikasika ny Fivoriana Am-pilaminana sy ny Filaharana Am-pilaminana . Ankoatra izany,  nahitana mpanao gazety miisa 12 notoriana sy nohenjehina noho ny filazana fa nanitsakitsaka ny lalàna izay nampiady hevitra sy ny lalàna henjana tao Myanmar ny taona 2018. Izany hoe nisy raharaha miisa 153 no eo ambany (Lalànan'ny) Fifandraisandavitra hatramin'ny fotoana nananganan'ny NLD ny governemanta vaovao taorian'ny fifidianana tamin'ny taona 2015.

Nitatitra ny olana sasantsasany nolazaina tao amin'ny tatitra nataon'ny Athan teo aloha ny Global Voices, toy ny fampiasana mitohy [8] ny lalànan'ny fitondrana miaramila mba hamerana [9] ny asan'ny fampitam-baovao sy ny fandrahonana ireo mpikatroka.

Anisan'ireo nosamborina tamin'ny taona 2015 tamin'ny fampiasana ny Andininy faha 66 (D) amin'ny fananganana sy famoahana tononkalo an-tserasera i Maung Saungkha. Nanangana ny @athan_info [10] izy, vondrona mpikatroka mandala ny fahalalaham-pitenenana ao Myanmar , izay vao tsy ela izay no nahazo ny Lokan'ny Zon'olombelona Tulip

Nanamafy indray ny tolo-kevitra nataon'ny Athan momba ny fanitsiana ny lalàna famoretana maromaro i Maung Saungkha raha nanontaniana momba ny filàna fanavaozana hanatsarana ny toe-draharahan'ny fampitam-baovao any Myanmar:

According to Athan’s findings, there have been 44 journalists charged under 28 prosecutions and lawsuits under various controversial laws of Myanmar under this current government. A journalist was murdered and some journalists were fired for covering news or expressing their own opinions on social media too. These statistics show existing Media Law has weaknesses which are used by government officials, military personnel and business companies to silence and arrest journalists.

So, Media Law must be amended in parliament. All lawsuits filed against journalists must be withdrawn. All journalists staying under detention including Reuters journalists must be released unconditionally. Defamation must be decriminalized in accordance with international standards.

Araka ny valin'ny fanadihadiana nataon'ny Athan dia mpanao gazety miisa 44 no nampangaina tamin'ny fanenjehana miisa 28 sy notoriana araka ireo lalàna nampiady hevitra samihafa tao Myanmar nandritra ny fitondran'ity governemanta ankehitriny ity. Novonoina ny mpanao gazety iray ary nisy ny mpanao gazety nesorina noho ny fitateram-baovao na noho ny fanehoan-keviny manokana tao amin'ny tambajotra sosialy ihany koa. Mampiseho ireo antontanisa ireo fa manana ny tsy fahatomombanany ny Lalanan'ny Fampitam-baovao misy izay ampiasain'ny manampahefana ao amin'ny governemanta, ny tafika sy ny orinasa mpandraharaha mba hampanginana sy hisamborana ireo mpanao gazety .

Noho izany,  tokony hasiam-panitsiana ao amin'ny parlemanta ny Lalànan'ny Fampitam-baovao. Tokony hofoanana ireo fitoriana ireo mpanao gazety rehetra. Tsy maintsy avotsotra tsy misy fepetra ireo mpanao gazety rehetra izay mbola any am-ponja, anisan'izany ireo mpanao gazetin'ny Reuters. Foanana mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena ny sazin'ny fanalam-baraka .

Momba an'i Wa Lone sy Kyaw Soe Oo ny raharahan'ireo [15] mpanao gazety Reuters notanana izay voaheloka noho ny fanadihadiana ny famonoana sivily tany amin'ny tanànakely Rohingya iray. Tsy ekena ho vondrom-poko vitsy an'isa any Myanmar ny Rohingya.

Nivory tao afovoan-tanànan'i Yangon omaly ny Athan sy ny Vondrom-piarahamonina sivily hafa mba hanamarika ny tsingerintaona voalohany nisamborana ireo mpanao gazetin'ny Reuters

Ahitana ny fandresen-dahatra ireo sampan-draharaha eo an-toerana sy nasionaly ihany koa ny asan'ny Athan mba hanentanana ny fanesorana ireo sakana amin'ny fahalalahana maneho hevitra. Saingy naneho ny ahiahiny i Maung Saungkha fa mihena ny sehatra fandraisan'anjaran'ny olom-pirenena:

Main challenge is difficulty to meet and discuss with parliament and committees of parliament. We have experienced parliament denying our several submissions. One of the other challenges is people’s misunderstanding and misinterpretation on human rights. This is why Athan is organizing trainings, workshops on freedom of expression for students and political activists, and to inspire them to fight for freedom of expression.

Ny fahasarotana hiatrika sy hifanakalo hevitra amin'ny parlemanta sy ny komitin'ny parlemanta no fanamby lehibe. Efa nahita ny parlemanta nandà ny fangatahanay maromaro izahay. Ny tsy fahatakaran'ny olona sy ny fandikana diso momba ny zon'olombelona no iray amin'ireo fanamby hafa. Izany no mahatonga ny Athan mikarakara fampiofanana, atrikasa momba ny fahalalaham-pitenenana ho an'ireo mpianatra sy mpikatroka politika, ary hanentanana azy ireo hiady ho an'ny fahalalaham-pitenenana.

Nanamafy ny asany amin'ny fiarovana ny fampahalalam-baovao, ny fiaraha-miasany miaraka amin'ny tambajotra iraisam-pirenena, ary ny fikarakarany ny fandaharam-pianarana ho an'ny vondrom-piarahamonina ny Athan ho fanatanterahana ireo fanamby ireo .